Arabia Saodita: Bitsika Hahatsiarovana llay Mpanohitra Voafonja

Taorian'ny fanonganana ireo filoham-pirenena Toniziana sy Ejiptiana, niparitaka ny antson'olon-tsy fantatra hanaovana “Androm-pahatezerana” any Arabia Saodita ny 11 Martsa 2011. Ho valin'izany, nanaparitaka ireo mpitandro filaminana maro tany amin'ireo tanàn-dehibe rehetra ny governemanta mba hahazoana toky fa hijanona anaty aterineto fotsiny ihany ny hetsi-panoherana.

I Khaled Al-Johani, mpampianatra iray 40 taona mahery, irery ihany no mpanohitra tratran'ny lahatsary fanaraha-maso tamin'io andro io (Ny Amnistia Iraisam-pirenena dia mitatitra fa farafaha-keliny mpanohitra efatra hafa no voasambotra tamin'io andro io noho ny ‘fikasan'izy ireo’ hanohitra). Niresaka niaraka taminà vondronà mpanao gazety i Al-Johani, izay nentin'ny fiara fitateran'ny Minisiteran'ny Kolontsaina sy ny Fampahalalam-baovao tany amin'ilay toerana tokony nitrangan'ny hetsi-panoherana. Voasambotra ny andron'ily fanadihadiana ihany izy rehefa niverina tany an-tranony ary mbola voatana hatramin'izao.

Araka ny voalazan'i @whereiskhaled, tsaraina any amin'ny Fitsarana Manokana ny Heloka Bevava any Jeddah izy izao. Nitatitra ihany koa io kaonty io fa tsy nety nampiasa ny antso an-telefona izy ho fanoherana ny fampijaliana ara-tsaina.

@SaudiDetainees, kaonty Twitter iray natokana hanaovana fanentanana ho an'ireo Saodiana voatàna noho ny tsy rariny, dia nanomboka fanentanana ao anaty aterineto ny Alatsinainy teo ho fanohanana an'i Al-Johani amin'ny alalan'ny tenifototra #khalidj.

Nanintona olona maro io fanentanana io. Ireto ambany ireto ireo bitsika avy amin'io tenifototra io.

Nitoraka bitsika i Salman al-Odah, ilay Saodiana mpitarika fivavahana manana mpanaraka 1,200,000 mahery [ar]:

@salman_alodah:أسأل الله تفريجه للشاب خالد الجهني وأن تفرح به زوجته وأطفاله عاجلاً غير آجل.. يصوم معهم ويعيّد ويسافر…شيء مؤلم حقاً.#khalidj
@salman_alodah: Mivavaka aho mba hivoaka ilay tanoralahy Khaled al-Johani, mba ho falifaly amin'izay ny vady aman-janany, ary mba hifadian'i Khaled hanina [mandrindra ny volana masin'ny Ramadany], hankalaza ny Eid  ary hanao fivahinianana miaraka amin'izy ireo. Tena mampalahelo izany.

Dr Madawi Al-Rasheed, mpampianatra ny fandinihana momba ny fivavahana sady malaza mpitsikera ny fitondrana Saodiana , manoratra [ar]:

@MadawiDr: خالد الجهني كنت و حيدا حرا سجنت و بقيت حرا و هم السجناء ‎‪#khalidj
@MadawiDr: Khaled, nalalaka sy irery ianao, ary any am-ponja, mbola malalaka ianao fa izy ireo no voafonja.

Nilaza ilay reformista Islamista manan-danja Abdullah al-Hamid [ar] hoe :

@Abubelal_1951: خالد الجهني فارس كشف أستار الاستبداد بموقف واحد/مظاهرة شخص واحد تعلم الناس أن الفرد بالعمل السلمي أقوى من كتيبة ولكن ‎‪#Khalidj‬‏
@Abubelal_1951: Miaramila iray namboraka ny famoretana nafenina i Khaled Al-Johani tanatina hetsi-panoheran'olon-tokana. Ny Hetsi-panoheran'olon-tokana dia mampianatra ny vahoaka fa mbola mahery noho ny herin'ny miaramila ny hafanam-po tanaty fahatoniana […]

Nitoraka bitsika i Manal al-Sharif, olo-malaza ao amin'ny Women2Drive, :

@‏‏manal_alsharif: ‎‪#Khalidj‬‏ في ذكرى معتقل الرأي خالد الجهني الذي خرج وحيداً في يوم ١١ مارس ٢٠١١ ليقول أريد حقوقي. مازال خالد خلف القضبان بلا محاكمة
@manal_alsharif […] Nijoro irery ilay voafonja noho ny fisainany, Khaled al-Johani ny 11 Martsa 2011, noho ny filazany fa te-hahazo ny zony izy. Mbola any am-ponja i Khaled, tsy misy fitsarana.

Ary nanamarika i  Haytham al-Tayib, Saodiana mpampiasa Twitter:

@‏‏Haytham_T: ما يميز قضة خالد الجهني عن غيرها أن ”جريمته“ تمت على الهواء مباشرة،، لا حاجة لأن تشرحوا لنا ما حصل.. رأينا وسمعنا وحكمنا،، ‎‪#khalidj‬‏
@Haytham_T: Ny zavatra mahasamihafa ny tantaran'i Khaled dia ny fanatontosany ny “helony” teny an-kalamanjana. Tsy mila manazava aminay ny zava-nitranga ianao. Nahita izahay, naheno ary nitsara.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.