Afrika: Fankalazana Ny Maha-Olombelona Amin'ny Alalan'ny Sary Sy Lahatsary

Nanasongadina sary 21  izay hamerina indray ny fitokisanao amin'ny olombelona ny lahatsoratra avy amin'ny BuzzFeed izay lasa niparitaka be tao amin'ny Facebook miaraka aminà fifampizaràna maherin'ny 1.6 tapitrisa . Indrisy anefa fa tsy tao anatin'izany i Afrika sy ny Afrikana. Na dia eo aza ny ezaka ho amin'ny hanovàna ny tantara efa misy, fantatra na aiza na aiza amin'ny hoe toerana lohalaharana amin'ny fandraisana ny fanampiana iraisam-pirenena ary koa toerana izay ivantanan'ny ONG iraisam-pirenena mba ‘”hanavotana”‘ ireo vahoaka farofy eo an-toerana,  ny kaontinanta Afrikana. Na dia tsy azo lavina aza ny filàna goavan'ny kaontinanta, dia matetika adino eo amin'ny tantaran’ ny vitan'olombelona, ny vitan'ny eo an-toerana dia ny tantaran'ny Afrikana manampy Afrikana. Nefa tsy ny fijoroana vavolombelona goavana amin'ny fisian'ny toe-panahy maha-olona avy amin'ny kaontinanta Afrikana akory no tsy misy. Ireto misy saripika sy lahatsary vitsivitsy maneho fa “manana Fo ihany koa i Afrika”:

Ny fiarovana ireo mpiray tanindrazana mandritra ny vavaka tany Egypta: 

Tamin'ny 3 Febroary 2011, nandritra ny revolisiona Ejiptiana, nanao ny ainy tsy ho zavatra ny Kristiana hiarovana ireo Silamo nivavaka tao amin'ny Kianja Tahrir tany Le Caire, tao anatin'ireo herisetra nifanaovan'ireo mpanao hetsi-panoherana sy ny mpanohana ny Filoha Egyptiana Mubarak. Raha mila fanazavana fanampiny mikasika ny votoatin'ny sary, jereo ny lahatsoratra manokana mikasika ny hetsi-panoherana any Ejipta.

Egyptian Copts protecting Muslims on February 3 on Tahir Square - Public Domain

Kristiana Copts Ejiptiana miaro ireo Silamo tamin'ny 3 Febroary tao amin'ny Kianja Tahir – azon'ny rehetra ampiasaina

Fiarahabana Tongasoa ny fiverenan'ireo IDP avy tany Sodana:

Niverina teo amin'ny tena tanàna niaviany, Sehjanna, ny Olona Nafindra Toerana  (Internally Displaced Persons (IDPs)) teo an-tanàna, rehefa nandao izany nandritra ny fito taona tany amin'ny toby ho an'ny IDP tany Aramba. Noarahabain'ireo tapaka sy namana izay nijanona teo an-toerana tongasoa,  izy ireo. Ny Komisiona Avon'ny Firenena Mikambana ho an'ny Mpitsoa-ponenana (UNHCR) sy ny Komisiona Sodane hoan'ny fanampiana amin'ny maha-olombelona no nikarakara ilay fandaharan'asa fampodiana ara-tsitrapo.

IDP niverina tany amin'ny tanànany ary nofihinin'ireo mponina, tao amin'ny Flickr avy amin'ny UNHCR (CC fahazoan-dalana-BY)

Fanavotana elefanta tra-doza tany Zambia :

Avy amin'ny Norman Carr Safari  any Zambia: “loharano fisotroan-drano ho an'ny biby eo an-toerana, ary koa toerana filomana fotaka ny Kapani Lagoon. Indrisy anefa, ratsy vintana ity zanaka elefanta iray niraikitra tao anaty fotaka raha nandeha teny amin'ilay lagoon vao tsy ela akory izay. Nanaitra ny reniny ny antson'ity zanany, izay nirifatra handeha hamonjy azy, nefa koa izy aza niraikitra tao anaty fotaka.”

Elephants stuck in mud. Image by Abraham Banda, Norman Carr Safaris

Elefanta raikitra ao anaty fotaka. Sary nalain'i Abraham Banda, Norman Carr Safaris

Team trying to rescue the elephants. Image by Abraham Banda, Norman Carr Safaris

Ekipa miezaka mamonjy ireo elefanta. Sary nalain'i Abraham Banda, Norman Carr Safaris

The elephant comes out of the mud. Image by Abraham Banda, Norman Carr Safaris

Afaka tao anaty fotaka ireo elefanta. Sary nalain'i Abraham Banda, Norman Carr Safaris

Miara-mandresy ny rivo-doza any Madagasikara:  

Nitontona tany Madagasikara ny rivo-doza Giovanna  [fr] ny 13 Febroary 2012. Nosokajiana ho ambaratonga faha-4 ilay rivo-doza, miaraka amin'ny rivotra nentiny nahatratra hatramin'ny 194 km (120 mph) nandripaka ny hazo sy ny andrin-jiro. Nilaza ny manam-pahefana fa  10 raha kely indrindra no namoy aina. Tsy nanana jiro nandritra ny fotoana naharitra ireo tanàn-dehibe roa any Madagasikara, Antananarivo sy Toamasina, nanamarika ny andro maizina ho an'ny Mpifankatia tao an-toerana. Tsy nampihena ny zotom-pon'ireo Malagasy anefa ny rivo-doza, izay naneho ny risi-pony ary nifanampy mba hialàna amin'ny faritra tondra-drano, miaraka amin'ny tsikitsiky.

Citizens helping each other and still smiling despite the flood during Cyclone Giovanna by Twitter user @aKoloina

Mponina mifanampy nefa dia mbola mitsiky hatrany na dia eo aza ny tondra-drano nandritra ny rivo-doza Giovanna avy amin'ny mpampiasa Twitter @aKoloina

Manampy mpianatra sembana any Ghana

Atleta sy mafana fo avy any Ghana i Emmanuel Ofosu Yeboah. Teraka niaraka tamin'ny fahasembanana lehibe teo amin'ny ranjo havanana i Yeboah. Nahavita nandeha 380 kilometatra namakivaky ny fireneny i Yeboah mba hanaitra ny sain'ny olona ary koa hanova ny fijery ny sembana. Nanokatra ny Emmanuel Education Fund izy mba hiantohana ireo mpianatra manana fahasembanana.

Yeboah discussing overcoming disabilities with a child in a wheelchair. Screenshot from the documentary Emmanuel's Gift

Yeboah miresaka mikasika ny fandresena ny fahasembanana amin'ny ankizy iray eo ambony sezan'ny sembana. Dikasarinà solosaina avy amin'ny fanadihadiana Emmanuel's Gift

Fankalazana ny fifidianana am-pilaminana tany Senegal: 

Fiafaràna manan-tantara ho an'ny fotoam-pifidianana henjana no nitranga tany Senegal tamin'ny 25 Martsa 2012. Resy tamin'ny fifidianana filoham-pirenena ny filoha teo amin'ny toerana, Wade, taorian'ny nanoheran'ny vahoaka azy amam-bolana amin'ny fitondrany didy jadona sy kiantranoantrano.  Nankalaza ny fiafarana am-pahaleman'ny fitondran'i Wade ny mponina tao Dakar renivohitra .

Demonstrators show their joy by Nd1mbee on Flickr, used with his permission

Mpanao fihetsiketsehana maneho ny hafaliany, avy amin'ny Nd1mbee ao amin'ny Flickr, nampiasaina niaraka tamin'ny fanomezany alalana

Fiarovana ny zava-mananaina an-dranomasina any Mozambika:

Mampiranty ny ONG eo an-toerana Bitonga Divers, izay  miezaka miaro ny zava-mananaina an-dranomasina amin'ny “fanamboarana rohy tsara eo amin'ny fiarovana ny fiainana an-dranomasina, ny fizahantany, ary ny fampivoarana ara-toe-karena“, i Janet Gunter. Ity misy lahatsary ahitana ny asany[pt]:

Fahazoana ny hafanàna Olympika ho an'i Ginea Ekoatorialy, volana vitsy taorian'ny nianarany nilomano:

Mpilomano avy any amin'i Ginea Ekoatorialy i Eric Moussambani Malonga . Nanjary nalaza izy rehefa nandresy na dia mbola tsy nanao fifaninana maherin'ny 50 m mihitsy aza talohan'ny fifanintsanana voalohany, ary nampiana-tena raha toa kosa ka resy ireo mpilomano roa iray dobo taminy noho ny hadisoana teo am-piaingàna. Nilaza i Eric fa ny 15 m farany no tena sarotra taminy araka ny hita eto amin'ny lahatsary.  Kanefa ny finiavany hamita ny fifaninanana, sady niady mafy tokoa dia nahazoany horakora-pihobiana avy amin'ny mpijery noho ny ezaka be nataony.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.