Israely : Fitokonana Narahan-kerisetra Tany Tel Aviv #J14

Olona an’arivony no nirotsaka an-dalambe tany Tel Aviv ny alin’ny Sabotsy 23 Jona, taorian’ireo fifandonana narahin-kerisetra teo amin’ny mpitolona sy ny mpitandro filaminana ny omalin’iny. Ny Zoma 22 Jona, nikasa ny hiverina hibodo ny lalamben’ny Rothshield tao Tel Aviv  miaraka amin’ny tranolay ireo mpitolona ho amin’ny fahamarinana sosialy (#J14) nefa notsenain’ny mpitandro ny filaminana tamin’ny herisetra izany. Nilaza ny lehiben’ny mpitandro ny filaminana, Yoram Ochion, fa nosakanana io fitokonana io fa tsy “manara-dalàna”.

Niantso ireo mpomba azy hiaraka hankeo amin’ny kianjan’ny Habima ny tranonkala ofisialin’ny #J14 ny Sabotsy alina:

Ny Zoma 22 Jona, voadaroka  ireo ankizy amam-behivavy, ireo olona efa zokinjokiny ary ireo olona mitaintaina noho ny fampiharan'izy ireo ny zony fototra indrindra: ny zo hanohitra.Tongotra mihosin-drà sy mpitolona maro voasambotra no vokatr’io ezaka hametraka tranolay teo amin’ny làlana io. Ezaka mahery setra ataon’ny fanjakana hamotehana antsika mponin’i Israely iny fampiasan-kery tsy mifandaja sy famoretana nahazo antsika androany iny. Nalainy ny fonenantsika, ny asantsika, ny zontsika hiaina am-pahamendrehana, ny hoavintsika, ny fanantenantsika – ary izao ny fahafahantsika no kasainy alaina. Mialà eo amin'ny sezalavanao, ny fahitalavitra, mivoaha ny efitrano mafana sy toeram-pivarotana. Mivoaha ny fiaranao, ravao ny sakana, ary mijoroa miaraka aminay – mirehareha sy resy lahatra hiady hatramin'ny farany ho an'ny hoavintsika.

Valin’izany : olona an’arivony no nidina teny andalamben’i Tel Aviv. Maherin’ny 80 ny mpitolona voasambotra taorian’ny fifandonana mahery vaika teo amin’ny mpitolona sy ny mpitandro filaminana. Vaky ny fitaratry ny banky ary olona an-jatony no nanakana ny arabe roa lehibe sy ny làlana Ayalon. Teny faneva sahala amin’ny “mitaky fahamarinana sosialy ny mponina”, “mpanohitra daholo ny olon-drehetra” na “mitaky demokrasia ny mponina” no heno nandritry ny alina.

Ireto misy bitsika sy sary vitsivitsy tany Tel Aviv. Manoratra i Orly Barlev [heb]:

 

Betsaka no voasambotra. Atody no natoraka tany amin’ny lapan’ny tanàna talohan’izay. Indray voasakana ny lalana Ayalon, Gvirol ary Begin. Banky telo no voasompatra. Olona an’arivony no eo anoloan’ny lapan’ny Tanana amin’izao fotoana izao. #j14 #j14

Nitsikera i Nitay Peretz:

 

Anatinà firenena iray izay hanitsakitsahan'ireo avara-pianarana, banky, governemanta, mpitandro filaminana sy ireo mpanapaka isanandro ny lalàna , maninona ianareo no manao resabe tampoka eo milaza fa nisy lalàna tsy voahaja?

Mampiseho ireo mpanohitra nandray ny làlamben'i Ayalon ilay mpaka sary eto ambany:

 

Navoaka roa andro talohan'izay ity bitsika manaraka ity nefa naverina navoaka imbetsaka izany nandritra ny nampahavesatra ny herisetra:

 

Mametraha tranolay any amin'ny làlan'i Rothshield dia ho voasambotra amin-kerisetra ianao. Mametraha “caravane” (fiara fitondra milasy sy mitsangatsangana) amin'ny tanin'olon-tsotra iray any amin'ireo faritra bodoina dia homena trano ianao.

Ary ho famaranana, nisy olona namoaka sary ahitàna fiaranà mpitandro filaminana nisy nanoratra. “Mishta-ra'al” no soratra hita ao ambadik'ilay fiaranà mpitandro filaminana. Ny “Mishtara” dia midika hoe mpitandro filaminana, ny “Mishtar” midika hoe fitondrana, ary ny “ra'al’ dia midika hoe poizina. Ilay tsilalaonteny dia milaza hoe samy poizina avokoa na ny governemanta na ny mpitandro filaminana.

 

Ireto misy rohin-kevitra ho anareo izay te-hanaraka ny hetsika Israeliana mitaky fahamarinana sosialy :
– Ny livestream raitran'i Elian
#J14 ao amin'ny Twitter
J14 amin'ireo fanavaozana vaovao ao amin'ny Facebook ho an'ny daholobe
– Ny vohikala ofisialin'ny J14

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.