Yemen: Iza No Hitàna Ny Fitsinjaram-Pahefana Ao Yemen Taorian'ny Fodiamandrin'ny Printsy Nayef ?

Vaovao mampalahelo hatrany rehefa fahafatesana, saingy tsy izany no fahatsapan'ny ankamaroan'ny Yemenis maro teo ampandrenesana ny vaovao mikasika ny  nahafatesan'ny Printsy Saodiana mpandova fanjakana  Nayef bin Abdulaziz Al Saud.

Prince Nayef no olona niandraikitra ny ” fitsinjaram-pahefana tao Yemen” taorian'ny nahafatesan'ny Sultan mpandova ny fanjakana ary izy no voalaza fa nahavita nitàna izany tamin'ny sandriny mahery. Izy no voahendrikendrika ho nanao izay nikisahan'ny Al-Qaeda avy ao Arabia Saodita ho any Yemen ary tanisaina ao anaty Wikilieaks ho nilaza fa firenena tsy mankaiza i Yemen :

@wikileaks: ‪#KSA‬ Printsy Nayef ho an'ny Masoivoho Amerikana : “Firenena tsy mankaiza i Yemen izay tena, tena, faran'izay tena mampahatahotra indrindra.” http://bit.ly/o3uM3O ‪#Yemen

Genny Hill, mpiara-miombona antoka ao amin'ny Chatham House, izay mitantana ny Seha-pifanakalozan-dresaka Yemen Forum, dia nanamarika hoe :

@ginnyUK Ahiako hoe ny Printsy mpandova fanjakana Nayef no mpanohana matanjaka an'i Ali Mohsin any Riyadh ‪#Yemen

Ireto manaraka ireto ny sasany amin'ireo fanehoan-kevitra avy ao Yemen.

Atiaf Alwazir nibitsika hoe :

@WomanfromYemen: ‪Maty ny Printsy #Saodiana mpandova ny fanjakana, Nayef – hisy fiantraikany maro eo amin'ny fiarahamonina #Saodiana & sy ny mpiray vodirindrina aminy #Yemen‬ & ‪#Bahrain‬  izany http://www.guardian.co.uk/world/2012/jun…

Brooj Alamary nanampy [ar]:

@BroojAA:
اعزعملاء المملكة من مشائخ وقيادات عسكرية وبائعين اراضينا ومتاجرين يأعراضنا بوفاة ولي العهد ورب نعمتهم ومشبع جوعهم .. جزع نائف وبقي المرتزقة
Noho ny fahalasanan'ny Printsy, izay mpanohana azy ireo sy mpanamaivana ny hanoanany dia manolotra ny fiaraha-mioriko amin'ireo olon-dry zareo Saodiana aho, ny  Sheikhs sy ireo mpitari-tafika izay nivarotra ny tanintsika sy nanao bizina ny vonihahitsika. Nayef no nandao fa ireo mpikarama an'ady mbola tavela.

Nampiany hoe :

@BroojAA:من اليمن للبحرين موت نايف بالنسبة لهم لايشبه الحزن …..ليش يا ولي العهد ؟؟؟
Avy any Yemen hatrany Bahrain, tsy dia zava-mampalahelo loatra ho azy ireo ny fahafatesan'i Nayef …..Nahoana no ho ny Printsy mpandova fanjakana ?

Henjana kokoa ny fanehoan-kevitra izay nobitsihan'i Amr Badr :

@Amar_Bdr: أبرز إنجازات الأمير نايف .. نقل تنظيم القاعدة من السعودية الى اليمن … الله لا رحمه . ‎‫#اليمن‬ ‎‫#السعودية‬ ‎‫#نايف‬
Ireo zava-bitan'ny Prntsy Nayef. nanisaka ny Al-Qaeda avy ao Arabia Saodita ho ao Yemen .. Hamindra fo aminy anie Andriamanitra

Tamim-panesoana i Mai Saleh no nanamarika hoe :

@A4Mai: يقولون اذكروا محاسن موتاكم..وأنا تعبت من البحث عن محاسن الأمير نايف تجاه ‎‫#اليمن‬ وما لقيت..يا الله عموماً الله يرحمه
Hoy ry zareo hoe tsarovy ny hatsaram-panahin'ireo nodimandry teo aminareo .. ary dia reraka aho nitady izay mba mety ho tsara vitan'ny Printsy Nayef ho an'i Yemen.. na izany aza Andriamanitra anie hamela azy.

Sam Waddah nibitska hoe :

@SamWaddah: Faran'izay tena faly aho amin'ny nahafatesan'i Nayef! Tsy mbola faly toy izany aho tamin'ny fahafatesan'OLONA iray! Kanefa, mahatsiaro malahelo mafy an'ireo zaza maty ao #Syria‬ aho miohatra amin'izay tsapako ho an'i Nayef

Ghanem M nibitsika hoe :

‏@Ghanem_M:
يجرى الان التشاور مع الرئيس ‎‫#هادي‬ حول اعلان يوم حداد في ‎‫#اليمن‬ على وفاة ولي العهد السعودي الامير نايف بن عبدالعزيز ‎‪#Yemen‬
Efa misy amin'izao fotoana ny fakàna hevitra miaraka amin'ny (Filoha) Hadi mikasika ny hanambaràna ny andro fisaonana noho ny nahafatesan'ny Printsy mpandova ny fanjakana, Nayef  bin Abdul Aziz

Ary farany dia misy kaonty hosoka amin'ny anaran'ilay Filoha teo aloha Saleh miresaka manaraby an'ilay komity manokana nibitsika hoe :

‏@PresidentSalih: ياترى هل ستصرف لنا اللجنه الخاصه بدل سفر علشان نروح نعزي 😀 ‎‪#Yemen‬
Manontany tena aho raha toa ilay komity manokana ka handoa izay lany amin'ny diantsika mba hahafahantsika manolotra ny fiaraha-miorintsika

Voalaza fa ny Printsy Salman no handimby ny Printsy Nayef, izy no ho Printsy vaovao mpandova, ary Printsy Ahmed bin Abdulaziz no hitana ny toeran'ny Minisitry ny Atitany. Ny Yemenis, na izany aza, dia manontany tena ny amin'izay hitazona ny fitsinjaram-pahefana ao Yemen sy ny mety ho fiantraikan'izany ho an'ny firenena.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.