Arabia Saodita: Tolona Hanavotana Ireo Gadra Notànana Tsy Nisy Fitsaràna

Inoana ny fanjakàn'i Arabia Saodita fa manana gadra an'arivony izay tsy navela niatrika fitsaràna ary maro amin'izy ireo no tsy mahalala akory ny antony nanamelohana azy. Niasa mafy ny fianakavian'ireo gadra ireo nandritra ny volana vitsy farany teo, tamin'ny alalan'ny fampitam-baovao sosialy, mba hampitàna ny vaovao ary farany dia nanapa-kevitra ny hanao fitakiana an-dalàm-be. @e3teqal, kaonty iray ao amin'ny Twitter, dia namoaka vaovao momba ny fitakiana talohan'ny nanombohany mba hisorohana ny fisianà mpitandro filaminana maro dia maro.

Andro vitsy talohan'ny tolona, namoaka ity fanasàna ity io kaonty io izay mampiseho kisarisarin'ireo gadra tamin'ny fomba nanehoana ireo gadra Palestiniana tanatinà fanentanana vao haingana tamin'ny fampielezam-baovao sosialy:

Namoaka sary manamafy ny fandraisan'anjaran'ny zanak'ireo gadra tamin'ny tolona ihany koa io kaonty io: Tany amin'ny toeram-pivarotana goavana tany Sahara any amin'ny renivohitr'i Riyadh no natao ny tolona, dia nisy iray hafa tany amin'ny faritr'i Al-Qasim. Indreto misy sary vitsivitsy mampiseho ny tolona tany Riyadh, avy amin'ilay kaonty Twitter voatonona tetsy ambony ihany: Ity sarin'ny tolona tany Al-Qasim ity koa dia navoakan'i e3teqal:

Soratra mivaky hoe: Haila Al-Qasir dia voasazy 15 taona an-tranomaizina noho ny fitakiana fahamarinana, rariny ve izany? Mijoro am-pirahalahiana izahay miaraka amin'ireo rahalahy any Riyadh; tsy afaka tonga izahay satria any am-ponja ny lehilahy mpiaro anay.

Lahatsary maromaro avy amin'ilay tolona no navoakan'i islamicps07 tao amin'ny YouTube. Indreto misy roa tamin'ireny:

Fotoana vitsy taorian'ireo tolona dia nivoaka tamin'ny aterineto ny vaovao miresaka fisamborana.

Vakio koa: Arabia Saodita: “Avotsory ireo gadranay na tsarao ry zareo!” [eng]

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.