Ekoatora: #CasoSatya, Fahalalahana Miteny Sy Rikoriko Manoloana Ny Fanambadian'olon-droa Mitovy

Foto-kevitra iray voaresaka isanandro ao amin'ireo tambajotra sosialin'i Ekoatora ny zon'olombelona sy ny fahalalahana miteny. Tato ho ato, mihovitra noho ny “Raharaha Staya” ny firenena: Vehivavy mpivady i Nicola Rothon sy Helen Bicknell, avy any Angletera, izay nanamasina ny fanamabdiany ho ara-panjakana tany Ekoatora; tsy nanaiky kosa, anefa, ilay Biraon'ny Fisoratana, ny hanoratra azy roa ho samy renin'ilay zanak'izy ireo vavy, Satya, izay azo avy amin'ny fananahana artifisialy.

Nampahafantatra ireo Ekoatoriana mikasika izany raharaha izany ny media, saingy tany anatin'ireo tambajotra sosialy no tena nahitana ireo fihetseham-po samihafa miresaka ny fanambadian'olona mitovy sy ireo zon'ny “karazana” fianakaviana samihafa, araka ny faritan'ny Lalam-panorenana Politika any Ekoatora. Ny andinin-dalàna 68 ao amin'ny Magna Carta dia milaza fa “ny firaisana marin-toerana sy tsy fananana vady afa-tsy tokana eo amin'ny olona roa dia hiteraka zo sy andraikitra mitovy amin'ireo fianakaviana nakamban'ny fanambadiana.”

Anatin'ity lahatsorany ity, mandinika ny toerana misy an'i Nicola sy i Helen i Italo Sotomayor (@ItaloSotomayor) [es], manindry mafy ny fanitsakitsahana ny zon'olombelona. Ny lahatsorany, “Satya, raharaha iray ahitana ny fihoaram-pefy goavana ataon'ny lalam-panorenena” [es], ao anatin'ny bilaogy Periodismo Ecuador, manambara fa:

el Art. 68, reconoce a las uniones de hecho, y al hacerlo, directamente se muestra de acuerdo a las uniones de personas del mismo sexo, por lo tanto, poseen iguales derechos y obligaciones que tienen las parejas constituidas en matrimonio. Entre esos derechos, existe una presunción de paternidad, que indica, que todas las hijas o hijos producto de esa unión, tendrán como madre y padre a quienes conformen ese hogar de hecho.

Ny andinin-dalàna 68 dia mankasitraa ny firaisana ara-panjakana, ary amin'ny fanaovana izany, manaiky mivantana ny firaisan'olona mitovy fananahana, izay midika fa manana zo mitovy sy andraikitra mitovy izy ireo amin'ny maha-pivady azy ireo nakamban'ny fanambadiana. Anivon'ireo zo ireo ny filazana ny fitànana ny toeran'ny ram-pianakaviana, izay manondro fa ny zanakalahy sy ny zanakavavy rehetra vokatr'izany firaisana izany dia hanana reny sy ray izay avy ao anatin'io tokantrano io.

Amin'ny ankilany, nandefa taratasy tany amin'ny magazina Vistazo ny Mompera Paulino Toral[es], izay hanehoany ny tsy fankasitrahany tanteraka ny fanekena ny firaisan'olona mitovy fananahana:

La Ideología de género se ha propuesto el final de la familia natural para lograr la corrupción de los niños y adolescentes. Hay que acabar con la familia – dice esta ideología – porque es en ella donde los niños y los adolescentes captan como algo natural la diferenciación entre varón y mujer.

Saina maneho ny zon'ireo LGBT. Sary an'i Datchler ao amin'ny Flickr. (CC BY-NC-ND 2.0)

Nanolotra soso-kevitra hamaranana foto-kevitry ny fianakaviana voajanahary ny filamatry ny miralenta mba hampivari-lavo ireo ankizy sy adolantsento.  Tokony ho faranantsika ireo fianakaviana — hoy izany filamatra izany — satria any anatin'ny fianakaviana no hianaran'ireo ankizy sy adolantsento ny fahasamihafan'ny lahy sy vavy ho toy  ny zavatra voajanahary.

Nanaraka ilay taratasy nalefan'ny Mompera Toral, nisy adihevitra be ihany koa teraka tao amin'ny Twitter rehefa namoaka lahatsoratra iray i Miguel Macías tao amin'ny gazety mivoaka isanandro El Comercio miaraka aminà hevitra mitovitovy amin'ny an'ilay Mompera. Nanafintohina loatra ireo tsikera tao amin'ny Twitter ka voatery namafa ilay lahatsoratra tao amin'ny famoahany ao anaty aterineto io gazety mivoaka isanandro io, niala tsiny noho ny “tsy fahampian'ireo sivana” anatin'ny famoahan'izy ireo.

Afaka nahita  ilay lahatsoratry ny editora [es] i Rafael Méndez Meneses (@KevinHurlt) talohan'ny namafan'ny gazety izany, ary namoaka izany tao anatin'ny bilaoginy, miaraka amin'ny fialan-tsinin'ny El Comercio nifandraika taminy.

Tato ho ato, manohy miady hevitra mikasika ireo fameperana ny fahalalahana miteny ny vahoaka, amin'ny fanajana ireo fotokevitra tahaka ny fanambadian'olon-droa mitovy fananahana sy ny zon'olon-droa mitovy fananahana, eo ambanin'ny tenifototra #casoSatya [es].

Mitoraka bitsika [es] ilay mpisolovava sady manam-pahaizana amin'ny Fifandraisana, Pablo Garzón (@pgarzon):

Nosotros, ustedes y yo, somos la primera generación que abiertamente condena
la homofobia en Ecuador. Para nuestros padres fue/es un tabú.

Isika, izaho sy ianao, no andian-taranaka voalohany manameloka malalaka ny  fanilikiliana ireo mpivady mitovy fananahana aty Ekoatora. Voarara izany ho an'ireo raiamandrenintsika.

Milaza  [es] ny Solombavambahoaka, María Paula Romo (@mariapaularomo) hoe :

No se trata d censura previa pero políticas editoriales claras y defensor del lector deberían ser las grandes lecciones para @elcomerciocom.

Tsy mikasika ny fanivanana nisy teo aloha no resahina, nefa tokony ho anatra iray goavana ho an'ny @elcomerciocom ny politikan'ny famoahana mazava sy mitsimbina ny mpamaky.

Milaza izao manaraka izao [es] ilay Ekoatoriana mpanoratra, Eduardo Varas (@eduardovarcar):

¿Molesta que @elcomerciocom quitara el famoso artículo? No entiendo. Para mí no hay cómo hablar de libertad de expresión con mentiras.

Manorisory anao ve ny namafan'ny @elcomerciocom ilay lahatsoratra malaza? Tsy azoko. Ho ahy, tsy tokony hiresaka momba ny fahalalahana miteny miharo amin'ny lainga.

Mampitaha izany amin'ny [es] “adihevitra misabaka” i Lola Cienfuegos (@lolacienfuegos):

Con lo sucedido con @elcomerciocom ha quedado demostrado su DOBLE DISCURSO y su DOBLE MORAL.Escribir sobre CÍRCULO ROSA si es tolerado #plop

Miaraka amin'ireo zava-drehetra niseho tamin'ny @elcomerciocom, voaporofo ny ADIHEVITRA MISABAKA sy ny ANATRA ROA MISABAKA miaraka aminy. Azo leferina ny fanoratna momba ny FARIBOLANA VOLODAVENONA  #plop

Namoaka lahatsoratr'i Xavier Flores Aguirre (@xaflag) [es] iray ihany koa ny vohikala Gkillcity.com, izay hanohanan'izy ireo an'i Nicola sy i Helen; manoratra izy ireo ao anatin'ny “Satya sy ny fahasamihafàna” [es]:

hoy la resistencia a esas interpretaciones retardatarias del derecho se pueden hacer con las mismas herramientas jurídicas que el derecho establece (en particular en su Constitución, que es su norma jerárquicamente superior).

Androany, azo amboarina avy amin'ireo fitaovana momba ny lalàna izay napetraky ny lalàna ihany ny fanoherana ireo dika vilan'ny lalàna (indrindra anatin'ny Lalàmpanorenany, izay manana toerana avo kokoa raha araka fenitra.)

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.