Manome Solika 5 Tapitrisa Litatra Ho An'i Malaoi i Zambia

Ity lahatsoratra ity dia ampahany amin'ny fandrakofanay ny Fifandraisana & Fitoniana manerantany.

Tsy ela akory izay dia tonga tamin'ny fetra ambony tsy nampoizina sy nahatalanjona ny olana ara-diplaomatika nisy teo amin'i  Malaoi sy Zambia efa ho an-taonany maro, tamin'ny nanoloran'i Zambia solika 5 tapitrisa litatra ho an'i Malaoi. Nambara fa ny antony nanosika ilay fanomezana dia ny fandevenana ny filoha teo aloha Bingu wa Mutharika, izay maty tamin'ny 5 Aprily 2012, taorian'ny fijanonan'ny fony. Kanefa, ny fifandirana ara-politika nahatongavana tamin'ity fihetsika ity dia tantara manana endrika saro-bahana.

Tamin'ny 2007, Michael Sata – mpitarika ny tontolon'ny fanoherana Zambiana tamin'izany fotoana – dia nandeha nanao fitsidihana tsy ofisialy tany Malaoi, saingy voaroaka teo am-pahatongavana tao an-tseranam-piaramanidin'i Chileka ary nentina tany amin'ny 400 kilometatra niala an'i Zambia. Efatra taona taorian'izay, lany ho filohan'i Zambia i Sata.

Tamin'ny fotoana nandroahana azy tany Malaoi, dia voalaza fa hoe nivazivazy i Sata fa ho an'izay diany izay dia nomen'i Bingu fiara Lexus GX efa feno solika miaraka aminà mpamily manokana izy (izany hoe, ny tompon'andraikitra amin'ny fifindra-monina), izay be lavitra noho ny nataon'i  Levy Mwanawasa, filohan'i Zambia tamin'izany ary mpanohitra ara-politika an'i  Sata.

Fotoana fohy taorian'ny nahalanian'i  Sata ho Filoha dia mazava loatra fa nandeha ho azy ny fanasàna azy hanatrika ny fivorian'ireo filoham-panjakana mpikambana ao amin'ny COMESA, ny Tsenabe Iombonan'ny faritra Atsimo sy Atsinanan'i Afrika. Kanefa noho ilay fihaonambe tany Malaoi no natao, toerana izay mbola mihantona miandry an'i Sata ny didy fandroahana azy, dia nandà tsy hanatrika ilay fihaonambe  ny filoha vaovaon'i Zambia, nampitaina taminà iraka manokana avy any Malaoi :

“Ny Filoha Hajaina Bingu wa Mutharika dia mahafantatra tsara ny toerana saropady misy ahy. Sitrako tokoa ny handeha amin'io ho toy ny fitsidihana ofisialy ataoko voalohany any ivelany. Nihevitra aho fa hitondra ny didy fanafoanana [ ny raharaha fandroahana] ianareo, saingy tsy izany no izy. Vantany vao voavahanareo ireo olana ireo dia ho avy aho amin'ny fotoana hafa.”

Eo amin'ny toeran'i Sata, dia i Dr Guy Scott Filoha lefitra no nalefan'ny governemanta Zambiana hanatrika ilay fihaonambe. Ny fotoana voalohany nanaraka an'io nihaonan'i Sata tamin'ny mpitarika an'i Malaoi io dia tany Afrika Atsimo tamin'ny fankalazana ny fahazato taonan'ny antoko teo amin'ny fitondràna, ny African National Congress.

Tao amin'ilay lanonana, na ny mpampahalala vaovao Zambiana, na ny avy any  Malaoi dia samy nitatitra ny amin'ny mety hisian'ny fihaonan'ny roa  tonta. Araka izay ambaran'ny The Zambian Post :

Zambian President Sata meets Malawian President Mutharika

Ny Filoha Zambiana Sata mihaona amin'ny Filohan'i Malaoi Mutharika tao Afrika Atsimo. Sary nampindramin'i ZodiakOnline

“Satria ny Filoha Mutharika, izay tonga tara nandritra ny fisakafoanana, nandalo teo amin'ny sezan'ny filoham-pirenena Zambiana teo amin'ny latabatry ny olo-manan-kaja izy, dia nitsangana ny Filoha Sata ary nifamihina ny roa tonta – izay noheverina tany am-boalohany ho toy ny mpifahavalo – , nifanakalo “tenim-pirahalahiana” ary nitokelaka.

Taorian'ny fifamihinan-dry zareo, nanontany an'i Mutharika ny Filoha  Sata, “kumunzi kuli bwanji? Manao ahoana ny any an-tanàna?” ary namaly ny Filohan'i Mlaoi : “kuli bwino. Nanga mubwela liti? Mandeha tsara ka. Rahoviana ianao no ho any ( Malaoi)?

Tao anaty valinteniny, niteny tamin’ i Mutharika ny filoha Sata hoe, “tizamu uzani. Holazainay anareo ihany.”

Zambia sy Malaoi dia mifampizara teny sy fomba mitovy eny amin'ny sisintany iraisan-dry zareo, izay mitatra hatrany Mozambika ny ao  atsimo ary Tanzania ny ao avaratra.

Volana vitsy tany aloha, na izany aza,  dia tany Zambia i Joyce Banda (filoha lefitr'i Malaoi tamin'izany fotoana, ary filoha ankehitriny) mba hanatrika ny fankalazana ny nahazoan'ity firenena mpifanolo-bodirindrina ity ny fahaleovantena, taminà fitsidihana iray tsy dia nankasitrahan'ny fitantanan'i Bingu loatra. Rehefa tonga tany Malaoi izy, dia norahonana hosamborina noho ny filazana hoe satria tsy nahazoana alàlana tamin'ny fomba ofisialy avy amin'ny governemanta ao Malaoi ny fitsidihany.

Indrisy, fotoana fohy taorian'izay dia maty i Bingu filoham-pirenena, namela toekarena rotika sy tandindonin'ny tsy fahampian'ny fifanakalozana ivelany (vola vahiny), herinaratra sy solika, miaraka amin'ny nakàn'i Joyce Banda ny toerana maha-filoha.

Ny fanolorana solika ho an'i Malaoi voalaza tery ambony no voalohany amin'ny hetsika manana ny lanjany nataon'i Zambia hanekena ny governemanta vaovaon'ny Filoha Banda. Ny eso ambonin'ny eso rehetra ao anatin'ny fitantanan'i Banda dia izao, ny mpisolovava avy any Malaoi, Ralph Kasambara, mpiaro ny Filoha  Zambiana Sata no Minisitry ny Fitsarana ao Malaoi izao .

Mikasika ilay fanolorana solika, ny Minisitry ny Angovo ao  Zambia, Christopher Yaluma, izay nitsidika an'i Malaoi, dia niteny tamin'ny Aprily hoe :

“Ity fandefasana sambo  [mpitondra solika] atrehintsika maso androany ity dia fanomezana ho enti-mikarakara fotsiny ny fandevenana ny filoha nodimandry. Omaly dia sambo 15 mpitondra solika no niainga sy tonga tany Malaoi tamin'ity maraina ity.”

Noho ny tsy fahampian'ny herinaratra handefasana ny fampangatsiahana ao Malaoi, nafindra ho any Afrika Atsimo ny vatana mangatsiakan'ny Filoha Mutharika, toerana namonosana azy ny 23 Aprily teo.

ISN logoIty lahatsoratra ity sy ny dikanteny amin'ny teny Espaniola, Arabo ary Frantsay dia tafiditra ao anatin'ny asa tohanan'ny International Security Network (ISN) ho toy ny ampahany amin'ny fiaraha-miasa hitadiavana izay hanelezana ny feon'ny fampahalalam-baovaon'olon-tsotra eo amin'ny  resaka fifandraisana sy fitoniana iraisam-pirenena manerana izao tontolo izao. Tsidiho ny bilaogin'ny ISN ary jereo ireo tantara maro mifandraika amin'izany.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.