Meksika: Niteraka Adihevitra Ny Hetsiky Ny Tanora #YoSoy132

Mitondra any amin'ny tranonkala teny Espanola ny rohy rehetra raha tsy nomarihana manokana.

Araka ny notaterinay [en] teo aloha, dia nipongatra ny hetsika iray fantatra amin'ny hoe  #YoSoy132 any Meksika tamin'ny 11 May 2012, naka toerana tao anatin'ny dingana ho amin'ny fifidianana ho filoham-pirenena hoavy misy amin'izao fotoana. Hetsiky ny tanora izy ity, mety hoe hetsiky ny mpianatra, tsy miandany aminà politika raha ny tatitra navoakany ho an'ny haino aman-jery, vao haingana fa matanjaka, ary nahomby tamin'ny fitarihana olona anarivony ho amin'ny hetsika famoriam-bahoaka sy ny diabe ataony.

Efa naminavina ny iray amin'ireo fanambin'ity hetsika ity sahady i Attorney Miguel Carbonell (@MigelCarbonell) tao anaty bitsika iray nalefa ny 24 May 2012 :

El movimiento juvenil tiene enfrente el gran desafío de pasar de la protesta a la propuesta.

Manana fanamby goavana manoloana azy ireo ilay hetsiky ny tanora amin'ny fanovàna ny hetsi-panoherana fahiny hanjary ho tolo-kevitra.

Namoaka ity lahatsoratra ity ny mpitoraka bilaogy  Sendero de Fecal izay ahitana ny tanjona sasantsasan'ilay hetsika :

El movimiento se plantea evitar que un candidato presidencial pueda ser impuesto por la oligarquía del país y los poderes fácticos presentes en los tres poderes del gobierno de la república, así como organizarnos para responder a un probable fraude electoral diseñado con antelación.

Este no debe ser un movimiento solo de coyuntura electoral, sino es un movimiento que busca cambiar el país, encausar las demandas de justicia de la población y se plantea resolver los graves problemas que padece el país en todos los sectores que atañen a la sociedad mexicana.

Ny dikan'ity hetsika ity dia ho fanakanana ny tery vay mantan’ ny fahefan'olom-bitsy eto amin'ny firenena sy ireo mitàna ny fahefana anatin'ireo sampana telon'ny governenmanta ankehitriny amin'ny fametrahana izay ho olona atolotra hofidiana ho filoham-pirenena, natao ihany koa izy ity mba hanetsehana antsika mialoha mba hahafahana mamaly sahady ny mety ho halatra amin'ny fifidianana.

Tsy tokony ho hetsika natao ho an'ny fotoam-pifidianana ihany izy ity, fa tokony ho hetsika izay mitady ny fanovana eo amin'ny firenena ihany koa, mantanteraka ireo fangatahana ny rariny avy amin'ny vahoaka ary mihetsika mba hamaha ireo olana goavana izay mamely mafy ny firenena amin'ny sehatra mahakasika ny fiarahamonina Meksikana.

Fanampin'izany, nofaritan'ny bilaogy Kaniwa ity hetsiky ny tanora ity ho toy ny:

Movilizados en torno a demandas -en realidad, desde hace mucho, exigencias irreductibles- muy específicas (democratizar los medios, alentar la competencia real en las telecomunicaciones, rechazo a la imposición de uno de los candidatos por parte del duopolio televisivo conformado en México por Televisa y TV Azteca, garantizar el derecho al acceso a Internet para toda la población, eliminando con ello la brecha digital que mantiene a más de la mitad de la población sin acceso a estos medios), decenas de miles de jóvenes universitarios de todo el país, encabezados por una “masa crítica” que lo detonó todo, de entre los estudiantes de la Universidad Iberoamericana, están retando al país a despertar, a rechazar el control manipulador de los grandes medios masivos de comunicación, usando los instrumentos de su generación: Facebook, Twitter y Youtube.

Netsehina manodidina ny fitakiana tena hafa mihitsy – raha ny marina, efa hatry ny elabe, fitakiana tsy azo ialàna (aparitaho ny haino aman-jery, amporisiho ny tena fifaninanana marina eo amin'ny fifandraisan-davitra, lavo ny fametrahana an-katerena ny iray amin'ireo mpirotsaka ataon'ireo fahitalavitra roa matanjaka, ny Televisa sy ny TV Azteca any Meksika, iantohy ny zo idiran'ny olon-drehetra amin'ny aterineto, fanesorana ny fizarazarana niomerika izay mahatonga ny antsasa-manila maherin'ny vahoaka tsy hahita irika amin'ireo haino aman-jery ireo), analiny maro ny mpianatry ny anjerimanontolo manerana ny firenena, notarihan'ny “kiana faobe” no nananganana azy ity, ireo mpianatra avy amin'ny Anjerimanontolo Ibero-Amerikana no nametraka fanamby tamin'ny firenena ny mba hifohazany, ny hitsipahany ny fifehezana sy fanodinkodinana atao an'ireo haino aman-jery goavana, amin'ny fampiasana ireo fitaovana amin'ny vaninandrony: Facebook, Twitter ary YouTube.

Fivoriambe voalohany nataon'ny #YoSoy132. Sary: J. Tadeo

Maro no mahita fa tsy azo ialana ny fiaikena ireo singa sasantsasany tamin'ny lahatenin'ny iray amin'ireo kandida nilatsaka ho Filoham-pirenena ato amin'ireto famaritana ny hetsika ireto; nitarika adihevitra teo  amin'ireo mpampiasa Twitter ny tranga iray ahitana fa misy mpikambana ao amin'ny #YoSoy132 manondro kandida iray manokana na koa manohana ny hafa.

Carlos García (@imaurum), izay manasongadina ny #YoSoy132 ny sary famantarana azy, dia nanamarika ny fandavana amin'ny ankapobeny izay araka ny fijeriny azy dia natao ho an'ny iray amin'ireo kandida, no tsy namela handalo fotsiny ilay fotoana fanararaotra mba hanaratsiana azy  taminà famaritana iray :

En redes sociales, en la calle, en las universidades, en el super, en tofos lados desaprueban al PRI y a su títere Peña Nieto [sic]

Eo amin'ny tambajotra sosialy, eny an-dalana, eny amin'ny anjerimanontolo, eny amin'ny fivarotan-dehibe, eny rehetra eny dia voaheloka daholo ny PRI sy ny Peña Nieto saribakoliny .

Noho ny fahitàna ny fihizingizinan'ny teny sahala amin'ireny, dia nametraka fanotaniana ny mpampiasa Twitter toy ilay mpisolovava Gerardo Laveaga (@GLaveaga) raha toa ka manohana na mitsipaka kandida tokoa ny #YoSoy132 :

Sólo para entenderlo mejor: ¿ ‪#YoSoy132 es un movimiento para apoyar a ‪#AMLO o para combatir a @EPN ?

Mba hahatakarana azy tsara; hetsika manohana ny  ‪#AMLO sa mitsipaka ny @EPN ny ‪#YoSoy132 ?

Mitoraka bilaogy momba ity lahateny “tsy fiandaniana ara-politika” ity i Kazbam ary koa ireo lohahevitra hafa izay nahatonga azy hihataka amin'ilay hetsika:

Ahora bien, los 132 dicen que son apartidistas. Pero también dicen que son anti-PRI y anti-Peña Nieto. Me gustaría que me explicaran cómo poder rechazar a un candidato y a un partido sin apoyar a los otros contendientes. Ser apartidista no es no apoyar a un partido, es eso y no rechazar a uno en particular.

Amin'izao fotoana izao, milaza ny mpanaraka ny 132 fa tsy mianday ara-politika izy ireo. Nefa milaza ihany koa izy fa manohitra ny PRI sy ny Peña Nieto. Tiko izy ireo mba manazava amiko hoe ahoana no handavany ny kandida iray sy ny antoko politika iray nefa izy ireo tsy manohana ny hafa. Ny tsy miandany ara-politika dia tsy hoe tsy fanohanana antoko iray, tsy ny hanohitra an'iza loatra.

Hoy izy namarana nanao hoe:

Ah, y ya nada más quiero aclarar, para que no haya confusiones, que no por considerarme fuera del movimiento de los 132 estoy a favor del candidato del PRI. No voy a votar por “el copetes”, no se confundan.

Ah, ary tiako hazavaina fotsiny, mba tsy hisy fifangaroana, ny antony iheverako ny tenako hoe ivelan'ny 132 akory tsy midika fa manohana ny kandidà PRI aho. Tsy handeha hifidy an'i “Mr. Quaffed” aho, aza diso hevitra.

Tonga amin'ny teboka iray hilazany ny ompa voarainy avy aminà mpanohana mafana fo ny antoko politika iray i Abel Alejandro Heras (@aheras) noho izy naneho ny heviny mikasika ilay hetsika:

Cuando opiné de la ‪#MarchaYoSoy132, lo menos que obtuve fueron mentadas [insultos], con marcado tinte Perredista [del PRD], no mejor paso.

Raha nanome ny hevitro mikasika ny  ‪#MarchaYoSoy132 aho, ny kely indrindra azoko dia ny ompa, namofompofona Perredista [avy amin'ny Antokon'ny Revolisiona Demokratika  [en]]. Tsia, misaotra, tsy izy intsony aho.

Amin'izay lalan-jotra izay ihany, naka ohatra tamin'ireo ompa ny mpitoraka bilaogy avy amin'ny Cachitos de mi Vida ary nanontany:

¿Queremos un país más tolerante y democrático? ¿Entonces por qué denostar a aquellos que van a votar por X, Y o Z? Una cosa es criticar la trayectoria política y la plataforma de un candidato y otra muy diferente es insultar a quienes eligen determinada opción política.

Firenena mandefitra kokoa sy demokratika ve no tiantsika? Raha izany, maninona no ambaniana ireo izay andeha hifidy an'i X, Y na Z? Zavatra iray hafa ny hoe manakiana ny zotra ara-politika sy ny seha-pifaneraseran'ny kandida iray, ary zavatra iray hafa ny hoe manompa ireo izay nifidy fironana ara-politika iray manokana.

Niantso fitokonana ny #YoSoy132 amin'ny 2 Jolay. Sary: J. Tadeo

Jaime Benítez (sahala amin'ny maro) ihany koa  (@El_Mesie) dia nanamarika ny hetsika niaraka tamin'ny tenifototra #YoNoSoy132, sady niampanga ny National Regeneration Movement (“MORENA”) izay manindrahindra ireo kandida ho filoham-pirenena, ho “naka ankeriny ” an'ilay hetsika :

Desvirtuada la ‪#MarchaYoSoy132 x ahora ser d ‪#MORENA dejo de ser apartidista,Rucos como @epigmenioIbarra la secuestraron ‪#YoNoSoy132 ‪#mexico

Tsy misy dikany ny tenifototra ‪#MarchaYoSoy132 satria izy amin'izao lasa manohana ny ‪#MORENA ary niala ny tsy fiandaniana ara-politika, nojirihan'ireo olona taloha toa an'i @epigmenioIbarra ny #YoNoSoy132 ‪#mexico

Raha ho azy indray, nanoratra mikasika ilay “fijirihana” ny hetsika nataonà vondrona manana fironana sosialista i Gerardo Arellano (@ARELFC), ary dia nizara ity sary ity hanaporofoana izany:

Terrible. La ‪#MarchaYoSoy132 es secuestrada ya por gente que se asume como socialista. pic.twitter.com/WPXbO6Pv

Tena ratsy. Nojirihan'ireo olona izay mihevitra ny tenany ho sosialista ny  ‪#MarchaYoSoy132. pic.twitter.com/WPXbO6Pv

Maneho firehan-kevitra hafa, nametra-panontaniana i Rafael Medina (@rafilla_rm) inona no antony tsy hangatahan'ny hetsiky ny “mpianatra” ny tokony hiverenan'ny mpampianatra (izay nanao hetsi-panoherana manerana ny firenena nitsipaka ny hanaovana fitsaran'asa) indray any am-pianarana:

@CarlosLoret Por que no han salido los ‪#yoSoy132 a exigir que Los maestros regresen a clases y acepten la evaluacion?

@CarlosLoret Maninona ireo mpikambana ao amin'ny ‪#yoSoy132 no tsy mangataka ny hiverenan'ireo mpampianany any an-dakilasy ka manaiky ho tsaraina amin'ny asany?

Raha jerena ireo hetsika rehetra nandritra izy andro vitsy lasa izay niparitaka tamin'ny Twitter sy tambajotra hafa, dia nampahatsiahy i Osvaldo Suarez (@paul_suco) hoe :

Tenemos que ser conscientes de que un voto razonado no se construye desde las redes sociales.

Mila tonga saina isika fa ny safidy tena tsara tsy ho avy amin'ny tambanjotra sosialy akory no hatsangana.

31 andro sisa tavela dia tsy maintsy hifidy ny filoham-pireneny manaraka indray ireo vahoaka ao Meksika. Tena nametraka ny lanjany vetivety sy tamin'ny fotoana nilàna azy teo amin'ireo hevi-bahoaka ny hetsika #YoSoy132; na izany aza niteraka fifanakalozana teo amin'ireo manana fomba fihevitra tsy mitovy ny nataony, ny tanjony, ary ny fanehoan-keviny. Manantena izahay fa mazava tsara fa ny vato (anaty vata fandatsaham-bato) no andresena ny fifidianana fa tsy ny bitsika (tweets).

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.