Peroa : Iquitos Taorian'ny Fandalovan’ ilay Tondradrano

Ilay tondra-drano  izay  vao avy nandrava ny faritra Amazona ao Peroa sy ny tananàn'i  Iquitos, sady nahatratra sy nihoatra ny teboka ambony indrindra  [es] teo amin'ny tantara hatramin'ny taona 1986 (jereo ny sary maneho ilay tondra-drano taterina nalain'ny mpikambana iray ao amin'ny Vokovoko Mena ), dia nanomboka nihena tsikelikely ny  faran'ny volana Aprily [es] ary nanomboka maimaina ny voalohandohan'ny volana  May.

Rodrigo Rodrich, mpampita vaovao mipetraka ao  Iquitos dia nanambara [es] tamin'ny tapak'ity volana ity hoe :

Al día de hoy los ríos llevan un par de semanas en descenso sostenido, pero aun por encima de sus límites de desborde. Son síntomas de esperanza. Sin embargo, hay poblaciones que fueron inundadas durante tres meses y se dice que lo peor es lo que ahora viene, cuando el agua se retire y deje evidente el desastre.

Hatramin'ity androany ity, tao anatin'ny herinandro vitsy dia mitohy mihena miandalana ireo renirano, saingy mbola mihoatra ambonin'ny faritra tokony hisy azy. Mampisy fanantenana izany . Na izany aza, misy ireo tanàna tondraka rano be nandritra ny telo volana ary milaza izy ireo fa mbola ho avy ny ratsiratsy kokoa rehefa midina ny rano ka hampiseho masoandro ny tena fahavoazana marina.
Flooded zone in Belén, Iquitos. As the floods rose, the villagers built paths with wood boards to move around.

Faritra tondra-drano tao Belén, Iquitos. Raha iny niakatra be iny ny rano, dia nanangana lalàna vita amin'ny hazo ny mponina mba ahafahana mivezivezy. Sary an'i Juan Arellano

Ny voka-dratsin'ity loza voajanahary ity, ankoatran'ny isan'ireo niharan-doza, izay novinavinaina ho olona  200,000 teo ho eo [es], dia tokony hanaitra ny saina amin'ny tsy fisian'ny  fiomanana mialoha [es] sy ny tetika mati-paika hiatrehana ny loza voajanahary  [es] avy amin'ny tompon'andraikitra ao amin'ny faritra . Vantany vao misintona ny rano dia miverina any an-tranony any amin'ilay faritra tondra-drano avy ireo niharan-doza ary ho endri-javatra toy izany hatrany amin'izay tondra-drano mbola mety hisy.

Iray amin'ireo  fanapahan-kevitra tena nampalahelo indrindra, noraisina hiatrehana ny loza, dia ny fampiatoana ny fampianarana tany aminà sekoly ambaratonga fototra samihafa tao an-tananàn'i  Iquitos mba hatao  fonenana vonjimaika [es] ho an'ireo niharam-boina. Izany, miampy ny fampiatoana ny fampianarana noho ilay loza , dia nisy fiatraikany teo amin'ny taom-pianarana, ary na dia efa  niverina tsikelikely aza ny fampianarana  [es] tany an-tsekoly, dia voalaza fa mety tsy hisy fialantsasatra ny amin'ity volana Jolay ity ary hotohizana hatramin'ny  28 Desambra ny fampianarana.

Classroom converted into a temporary shelter for victims.

Efitrano fianarana navadika ho fonenana vonjimaika ho an'ireo niharam-boina. Sary an'i Juan Arellano

Ao anatin'ireo zavatra mampitahotra indrindra nandritra ilay tondra-drano, ary mandraka ankehitriny aza dia fiparitahan'ny aretina malaky, nanomboka tamin'ny fanaviana , izay nanaovana fandrarahana fanafody  tamin'izany   [es] ary mbola  mitohy hatramin'izao  [es]. Taoriana kelin'izay dia nisy ny  fipariahan'ny  leptospirosis [es], aretina mifindra avy amin'ny fivalanan-dranon'ny biby mpanimba (Fanamarihana: toy ny voalavo ohatra) . Vao haingana, ny faritra Contamana dia nahitàna fanambarana tranga samihafanà  [es] ” pertussis na kohadavareny“. Mba ho fanampiana dia  nandefa vola [es] ho an'ny governemantam-paritra ny governemanta foibe mba hiadiana amin'ny “ongobe, tazo vony, hepatita ary malaria”.

Tsy vitsy ny fanohanana ho an'ireo niharam-boina. Ny sasany avy amin'ny sehatra tsy miankina , toy ny  PetroPerú [es], ny sasany avy amin'ny seha-pampianarana  toy ny tarihan'ireo  [es] mpampianatra sy mpianatra avy amin'ny Anjerimanontolom-panjakana ao Amazona  Peroviana na ny UNAP (Universidad Nacional de la Amazonía Peruana), izay ahitana ny  kaonty Fickr-ny  milaza hoe  [es]  :

El jueves y viernes los alumnos, docentes y trabajadores administrativos de la UNAP tuvieron largas faenas de trabajo. El jueves recorrieron calles y avenidas tocando puertas para solicitar alimentos, ropa y medicinas, con gran acogida. El viernes el trabajo tuvo lugar en la plaza Serafín Filomeno y allí se recibieron los donativos, mientras los estudiantes demostraron su talento artístico.

Nanana asa lehibe tsy maintsy notanterahina ireo mpianatra sy mpampianatra ary tompon ‘andraikitra ao amin'ny UNAP   ny Alakamisy sy Zoma. Nitanjozotra eraky ny arabe sy  lalam-be, nandondom-baravarana nangataka sakafo, akanjo ary fanafody ry zareo ny alakamisy ry zareo, ary voaray tsara tokoa izy ireo. Tao amin'ny kianja  Serafin Filomino no natao  ny hetsika ny Zoma ka tao ry zareo no nandray ireo fanomezana, nandritra izany kosa  dia nampiseho ny talentany  ireo mpianatra.
Shelter for victims at the Parque Zonal, Iquitos.

Toby fialofan'ireo niharam-boina ao amin'ny faritr'i Parque , Iquitos. Sary an'i Juan Arellano

Kanefa ireo olona avy amin'ny UNAP dia tsy nangataka fanampiana fotsiny, (jereo ato  ny lahatsary mampiseho ireo  asa ), nitarika  tetikasa momba ny tolotra , famelabelaran-kevitra amin'ny fitandremana sy ny tokony atao , ary nanangona  tarika  [es] haitsimpona ireo potipoti-javatra sisa eny rehetra eny :

Desde tempranas horas, los estudiantes levantaron carpas y se instalaron por grupos para dar atenciones a los damnificados. Las Facultades vinculadas a las ciencias de la salud dieron tratamiento a los dientes, desparasitaron, sensibilizaron, fluorizaron y atendieron en medicina general; también realizaron triaje […] lo que permitió detectar a varios niños con serios problemas de salud que fueron llevados con prontitud a un hospital por los males que presentaban.

Hatramin'ny vao mangiran-dratsy, nanangana tranolay no sady niasa isan-tokony ireo mpianatra ho fanampiana ireo niharam-boina. Nanolotra fikarakarana ny ati-vava, fanalana katsentsitra, nanentana, nanome fluor ny avy amin'ny sampam-pampianarana mifandraika amin'ny siansa sy ny fahasalamana sady nanome fikarakarana ankapobeny ; namorona sivana ihany koa ry zareo  […] hahafahana mamantatra ireo aretina mahery mpahazo ny zaza izay alefa avy hatrany any amin'ny tobim-pitsaboana nohon'ny soritr'aretiny
Flooded houses in the south zone of the Boulevard de Iquitos. Hauma, an aquatic plant,  can be seen growing on the water.

Trano tondraky ny rano tao amin'ny faritra atsimon'i Boulevard de Iquitos. Hauma, zava-maniry anaty rano, hita maniry eny ambony rano eny . Sary an'i Juan Arellano

Ao Lima, Unicef Perú [es] dia nikarakara hetsika fanampiana sy ho fanamaivànana ny filàn'ireoy niharam-boina, indrindra ireo ankizy, amin'ny fizaràna fitaovam-pidiovana fototra, fanampin-tsakafo sy fitaovam-pianarana. Nahavita namoaka lahatsary roa izy ireo hatreto, ny iray [es] ahitana ilay mpilalao sarimihetsika  Monica Sanchez, ary  ilay faharoa [es] dia iarahana amin'ilay mpihira malaza  Gianmarco.

Mba ahafahanao maka sary an-tsaina ny halehiben'ny fahavoazana nentin'iny tondra-drano iny, indreto misy lahatsary nalaina ny faran'ny volana Aprily, fony nanomboka nisintona ny rano. Ity no faritry ny tsena eo am-pidirana ao Plazuela de Belén.

Azonao atao ny mahita ny tohin'ity lahatsary ity ato . Ny lahatsary manaraka dia fandehanana an-tsambo avy any  Plazuela de Belén nankany amin'ny renirano  Itaya. Raha ny tena izy dia ny vavarano faran'ilay renirano izay efa mifandray amin'ilay renirano  ihany no tondraka.

Ity lahatsary manaraka ity , izay nalaina tamin'ny fiatombohan'ity volana ity,  dia tany amin'ny faritr'i  Nanay, ivelan'i Iquitos. Ity toerana ity dia  làlana fivezivezen'ireo fiara mpitatitra sy ireo karazam-pitaterana hafa.

Mety ho avy miaraka amin'ny faharitan'ireo ranobe ireo ny fanombohan'ny haintany [es] ao amin'ny faritr'i Amazon . Zavatra mbola hisy fiantraikany lehibe indray ho an'ny ao  Iquitos sy ny firindran'ny tontolo. Raha toa ny tondra-drano ka nitondra fahafatesana ho an'ny zavaboahary , namela ny tany hanan-karena kasinga kiritika avy any amin'ny  Andes, ny haintany kosa dia hitondra fahafatesana sy fahavoazana ho an'ireo zava-maniry sy biby, na izany an-tanety, na mivelona anaty rano.

Na izany aza, tsy dia ny zavatra rehetra no ratsy tamin'io tondra-drano io, tahaka izay  itantaran’ ilay [es] mpahay biolojia  José Álvarez ny zavatra niainany tao amin'ny vondom-piarahamonina iray tao amoron”i Napo :

La gente de Yarina Isla nos recibió cálidamente, y en los días que estuvimos ahí no escuchamos ni una queja, ni un reclamo, ni un pedido de ayuda más allá de apoyarlos con sus proyectos educativos y de ecoturismo. […] Pregunté si no faltaba comida. Me dijeron que no: “Hay pescado, y todavía tenemos algo de plátano, algunos se han salvado. Además, todas las familias han guardado masa de yuca, algunos en panero, otros la han enterrado. Así dura varios meses, hasta que salga la yuca nueva”. […] Me sorprendió escuchar que por acuerdo de asamblea se había respetado a los animales refugiados en las restingas [*] de la comunidad. “Nuestros niños, hasta los más pequeñitos, conocen a los animales y los respetan, nosotros queremos que también nuestros nietos los conozcan. Anda vete a ver a otras comunidades, todititos los han terminado en las restingas, luego no van a tener animales ni para que conozcan.”

Nafana ny fandraisan'ireo olona tao amin'ny nosy Yarina anay, ary nandritra ny andro nijanonanay tao, tsy mbola nisy fitarainana na fanakianana renay mihitsy, na koa fangatahana fanampiana ankoatry ny fangatahana fanohanana ara-pianarana sy momba ny zaha-voary. […] Nanontany aho raha tsy mila sakafo ry zareo. Tsia hoy izy ireo : “manana trondro izahay, ary mbola misy ny akondro, mba tsy naninony ny sasany. Indrindra koa, ny fianakaviana tsirairay dia nitahiry lafarinina  yuca . Amin'izay, maharitra roa volana izy io , mandra-pîsy yuca hafa indray.” […] Gaga aho nandre fa araka ny tapaka tao amin'ny fivorian'ny mpiray tanàna, dia hajaina ireo biby sisa velona ao amin'ny  restinga [toerana avo izay tsy tokony ho tratry ny rano amin'ny vanim-potoana avy orana] tao amin'ny fiarahamonina. “Ny zanakay, eny fa na dia ny kely indrindra aza, mahalala ny biby ary manaja izany ; tianay ho fantatry ny zafikelinay koa izy ireny. Mandehana jereo ny vondrom-piarahamonina hafa, ny biby rehetra tao amin'ny restringa dia maty avokoa , ary tsy manana biby ho fantarina intsony izy ireo .

Alohan'ny hanamboarana  sy haminavinana  tetika hiatrehana ny loza voajanahary  izay tena tsy misy ifandraisany amin'ny zava-misy mihitsy, dia ilaina ny maka ny fahaizan'ny zokiolona taloha sy ny fahalalana nentin-drazan-dry zareo momba ny tontolo iainany.

Ny lahatsoratra fototra nakàna ity  [es] dia navoaka tao amin'ny bilaogy manokan'i Juan Arellano.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.