Ejypta : Eo An-dalam-panaovana Ny Fifidianana Filoham-pirenena Malalaka Voalohany

Ity lahatsoratra ity dia ampahany amin'ny lahatsoratray manokana mikasika ny Fifidianana ao Ejypta  2011/2012.

Hiditra amin'ny fifidianana filoham-pirenena malalaka voalohany eo amin'ny fireneny ry zareo Ejiptiana. Ilay fifidianana dia natao ny 23 sy 24 May , ary ny  fihodinana faharoa  dia  16 sy 17 Jona raha ilaina.

Olona dimam-polo tapitrisa  no ekena fa afaka ny  hifidy.  Raha toa ka filaharam-be no hita teny amin'ny toeram-pifidianana teny , toa  vitsy nohon'ny tamin'ny fifidianana Parlemantera  ny volana  Novambra 2011 kosa ny fandrasaa anjara.  Mety mampiseho ny  fahadisoam-panantenana  tsapan'ny  maro amin'ireo kandidà ireo izany.

Mitondra fanehoan-kevitra momba ny havitsian'ny fandrasana anjara i Tarek Shalaby :

@tarekshalaby :  Ny faha 19  Martsa  [ny fitsapan-kevi-bahoaka momba ny lalampanorenana ], Tao anatin'ny filaharana nanodidina io sekoly io aho. Amin'izao fotoana izao  tsy misy olona intsony eo . Angamba  atsy ho atsy …

Tsy misy filaharana. Sary nakarin'i @tarekshalaby

Ilay mpanao gazety Erin Cunningham dia naneho ny heviny  mikasika ny fandraisana anjara tao  Ismailia any avaratra atsinanan'i Ejypta :

@erinmcunningham :  Ny fanaova-mofo  tao  afovoan'ny Ismailia no filaharana lava sy navitrika kokoa noho izay toeram-pifidianana rehetra hitako hatramin'izay. #Egyelex‬ ‪#breadpolitics

Nadine Sabry dia nanazava ny antony nahatonga ny fandraisana anjara ho vitsy :

@nsabry :  Ny tena iraisana aloha dia ny toetr'andro .  Tamin'ny farany teo dia tamin'ny  2 ora tolakandro teo aho no nandeha nihodinkodina tany saingy tsy handeha ho any kosa androany raha tsy amin'ny 6:30-7  rehefa amin'ilay tsy misy olona & mangatsiaka kokoa iny

Emirati Sultan Al Qassemi dia mitsidika an'i Cairo, ary naka ito sary ito :

Filaharana be ho an'ny lehilahy teny amin'ny toeram-pifidianana tao amin'ny sekoly Orman tao Dokki. Sary nakarin'i @SultanAlQassemi.

Kareem Hosemao  Cairo nilaza hoe :

@akaHoezy : Manonofy aho hoe any andro iray ny lehilahy& vehivavy afaka ny hiara-hijoro anaty laharana iray hifidy tsy amin'ahiahy.  Ho tantara fahiny sisa ny resaka fanavakavahana. ‪#EgyElex

Ilay mpanao gazety Adam Makary tao  Suez dia nitondra antsika amin'ny fombafombam-pifidianana :

@adamakary  : Voalohany , asehonao ny Karapanondronao mba hampitoviana ny laharanao amin'ireo voarakitra hifidy. Avy eo, manao sonia ianao ‪#Suez‬ ‪#EgyElex

Sary nakarin'i@adamakary.

@adamakary : Dingana faharoa, raiso ny vatom-pifidiananao . ‪#Suez‬ ‪#EgyElex

Sary avy amin'i @adamakary.

@adamakary : Dia miandry ianao… miaraka amin'ny vatonao sy ny peninao eny an-tanànao. ‪#Suez‬ ‪#EgyElex‬

Sary nakarin'i @adamakary.

@adamakary : Aorian'ny fisafidiananao ny kandidà tianao, dia arotsakao ao amin'ny vata mihidy ilay izy. ‪#Suez‬ ‪#EgyElex

Sary nakarin'i @adamakary.

@adamakary : Farany,  raisinao ny Karapanondronao, ataovy anaty  ranomainty volomparasy ny rantsan-tananao, ranomainty sarotra esorina ary avy eo mandeha ianao. ‪#Suez‬ ‪#EgyElex

Sary nakarin'i @adamakary.

nifidy i Lilz , ary naneho hevitra hoe :

@Booky_Lillz :  Misy olona hafa naneho tsy fahazakàn'ny hodiny an'ilay ranomainty ve? Tahaka ny efa miha-mangidihidy aho! ‪#EgyElex‬ ‪#EgyPresElection

Nadeen Hafez tao Cairo dia nifidy tamim-pifaliana :

@NadeenHafez :  Nandany ora 3 sy sasany aho nifidy. Tena mendrika sy nilaina mihitsy izany. Izany rehetra izany ho anao, ry Ejypta! ‪#EgyElex‬ ‪#PresidentialElections

Omar Elimam dia tsy mino ny fiovana ao  Ejypta :

@elimam_o :  Apetrako fotsin, mbola tsy azoko mihitsy hoe andeha hifidyny ho filohan'i ‪#Egypt‬ aho. ‪#egyelex

Ilay mpanoratra ao amin'ny BBC faritra Afovoany Atsinanana,  Jeremy Bowen, dia niresaka tamin'ireo mpifidy :

@jfjbowen : Nanontany vehivavy iray teo an-daharna aho hoe hafiriana no efa niandrasany izao. 30 taona hoy izy sady nihomehy mafy izy  ‪#EgyPresElection

Raha mila mahafantatra bebe kokoa mikasika ny fifidianana filoha, jereo ity Storify  an ‘i  Asteris Masouras ity.

Ity lahatsoratra ity dia ampahany amin'ny lahatsoratray manokana mikasika ny  Fifidianana ao Ejypta 2011/2012.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.