Ireo Bilaogera Kenyana, Maniry Ny Handray Anjara Maimaim-poana Amin'ilay Vovonamben'ny Filazam-baovaon'olon-tsotra Global Voices?

sana njeri

Global Voices,  ilay tambazotran'ny filazam-baovaon'olon-tsotra iraisam-pirenena anaty aterineto , dia hanantanteraka ny  Vovonamben'ny filazam-baovaon'olon-tsotra  Global Voices  2012 ao Nairobi ny 2-3 Jolay 2012. Bilaogera, mpahay teknolojia ary mafana fo maro avy amin'ny firenena maherin'ny  60 no handray anjara amin'izany, izay hatao ao PrideInn Raphta Road ao Westlands.

Global Voices dia manome fahafahana hanatrika izany maimaim-poana ho anà bilaogera enina avy ao Kenya. Mba hahafahanao mandray anjara amin'izany fifaninanana izany, ary ho isan'ny iray amin'ireo enina ireo, dia manorata lahatsoratra anaty bilaogy ahitàna voambolana 500 na latsaka kely mikasika ity lohahevitra ity  “Ahoana no ahafahan'ny filazam-baovaon'olon-tsotra manampy mba hiantohana fifidianana milamina ao  Kenya ny taona  2012-13″, ary alefaso mailaka any amin'ito rohy ito   georgiap@globalvoicesonline .org, ary “Fifaninanana Miblaogy Fivoriambe GV  2012″ no atao eo amin'ny antony .

Ny faran'ny fandraisana anjara dia ny 11 jona, 2012. Izany dia ho tsarain'ireo avy ao amin'ny Global Voices.

Tsy andrinay izay hamakiana ny lahatsoratrareo!

Raha mila fanazavana fanampiny mikasika ny Vovonamben'ny filazam-baovaon'olon-tsotra Global Voices 2012 dia tsidiho ny  https://summit2012.globalvoicesonline.org/.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.