Pakistana: Nandalo Faran'ny Herinandro Fanivànana Ny Twitter

Niaritra fanivanana tanteraka ireo mpampiasa Twitter manerana ireo FAI rehetra tany Pakistana nanomboka ny Alahady 20 Mey tamin'ny 1 ora tolakandro. Teo amin'ny manodidina ny mitatao vovonana teo dia nahazo hafatra avy amin'i Mohammed Ali, Tale Lefitra (Mpanatanteraka) ao amin'ny Sampan-draharahan'ny Fifandraisan'i Pakistana ny sasany tamin'ireo ISP  mba hanakana avy hatrany ny twitter.com sy nibaiko azy ireo hamafa ireo tahirin'ny cache araka izay haingana indrindra.

Twitter Ban Email in Pakistan

Nanomboka niatrika an'ilay fanakanana ireo mpampiasa aterineto tany Pakistana nanomboka ny Alahady tamin'ny 1 ora tolakandro, ary nanafotra ny Vohikalan'ny Herdict tamin'ireo tatitra fanakanana manerana ireo ISP rehetra:

traceroute twitter.com
traceroute: unknown host twitter.com

HerdictWeb : Raw Data Feed

HerdictWeb : Raw Data Feed

Nilaza ny Express Tribune avy amin'ny alalan'ireo loharanony fa fifaninananà sarisary zary tenany manala baraka no anton'ilay fanakanana:

Nitatitra solotenan'ny Express News, Suhail Chaudhry fa voasakana ny fidirana Twitter noho ny “fifaninanana” sarisary zary tenany mampiseho an'ilay Mpaminanilahy Muhammad. Izany no natao dia ho fitsinjovana ny “fihetseham-pon'ny vahoaka” hoy ny tatitr'i Chaudhry.

Naohamafisin’ i Aamir Atta avy ao amin'ny ProPakistani koa izany tamin'ny alalan'ny loharanony:

Nahazo fanamafisana izahay fa noraisina ny fanapahan-kevitra hanakatona ny Twitter omaly noho ny Andro Fanaovana Ny Sarin'i Mohammad, nandritra ny fihaonana notanterahana tao amin'ny Minisiteran'ny Teknolojia Fampahalalam-baovao ary notarihan'i Raja Parvez Ashraf, Minisitra Federalin'ny Fampahalalam-baovao sy ny Teknolojia. Natrehan'ireo mpikambana ao amin'io Minisitera io, ny PTA sy ireo hafa voakasika ao anatin'izany. Nilaza tamin'ny ProPakistani ny loharano iray izay nanana fahalalana mivantana an'io fihaonana io fa tapaka tamin'izany ny hanakanana ny Twitter ny 20 Mey 2012 mba hisorohana ny fidiran'ireo rakitra manala baraka ireo ho azon'ny Pakistaney mpampiasa aterineto.

Raha naneho hevitra aho tao amin'ny bilaogiko manokana fa fanandramana ny tolotra vaovao Fanivanan'ny PTA ny URL fotsiny ihany izany:

Araka ny fiheverako azy dia manandrana fotsiny ihany ny rindrambaiko Fanivanana URL ny PTA , nanana tatitra mikasika ny  andran'izy ireo lohamilin'ny sary ao amin'ny facebook izahay tamin'ny herinandro lasa, ary nanjavona izany ny hariva. Nisafidy ny andro Alahady ny PTA mba hisorohana ny fanenjehana araka ny lalàna, nanararaotra ny fikatonan'ireo lapam-pitsarana.

Nanoratra i Ingrid Luden ao amin'ny TechCrunch hoe “Eny, Manaovà Sarin-javatra. Fa tsy ny an'ilay Mpaminany” :

Olana saro-bahana hatrany ireo sarin'ny Mpampinanilahy Mohammad — tsy voaràra mazava ao anatin'ny Kôrany izy ireo nefa maro ireo Silamo Sonita no mandràra izany, raha tsy dia miraharaha kosa ireo hafa. Anatin'ity vondron'olona voalaza farany ity ireo izay mihevitra fa faneriterena ny fahalalahana miteny ny fandraràna ireo sary ireo.

Mitsikera i Farieha Aziz ao amin'ny BoloBhi:

Rehefa niresaka tao amin'ny Fahitalavitr'i Dunya ny Minisitry ny Fampahalalam-baovao sy ny Teknolojia, Raja Pervaiz Ashraf dia nilaza fa niforitra tamin'ny fangatahan'ny governemanta hamafa ireo sary manala baraka ny Facebook, fa nandà izany kosa ny Twitter. Araka ny voalazan'i Yaseen, nanome baiko an'ireo FAI fotsiny ny PTA ary tsy nahalala ny halavan'ny fotoana mety hahavoasakana an'ilay vohikala.

Niresaka mikasika an'i Raja Pervaiz Ashraf izay nibaiko ny fanakanana ny Twitter noho ireo sary manala baraka ireo ihany koa i BytesforAll:

Efa alim-be ny omaly, nitafa tamin'ny media ilay Minisitry ny Teknolojia Fampahalalam-baovao vao notendrena vao haingana, Raja Parvez Ashraf ary naneho ny ahiahiny momba ireo resaka manala baraka any amin'ireo vohikala samihafa ary nandrahona fa horaràna ny Twitter raha tsy miforitra manaiky ireo baikon'ny governemanta. Tanatin'ny antsasankadiny taorian'io fanambarana io, taorian'ny misasak'alina, nisy filazana ara-panjakana navoaka tamin'ireo Mpanome Tolotra Aterineto rehetra tao amin'ny firenena ary nanomboka tsy hita tao amin'ny Tontolon'ny Aterineto Pakistaney ny Twitter tamin'ny 10 ora androany.

Ny Dawn.com dia manonona ny talen'ny PTA, Mohammed Yaseen  izay milaza fa niezaka hifanaraka tamin'ny twitter hanala ireo sary ireo izy ireo:

Nifampiraharaha tamin'izy ireo izahay hatramin'ny omaly alina, nefa niziriziry tsy hamafa ireo sary ireo ry zareo, ka voatery izahay nibahana ary

Teo amin'ny manodidina ny 10 ora alina, teo amin'ny ora sivy taorian'ny nanombohan'ny fandraràna dia toa niala tampotampoka izany sakana izany izay niafara tamin'ny bitsiky ny Minisitry ny Atitany, Rehman Malik milaza ny maha-tomponandraikitra azy amin'ny fanalàna ny sakana natao tamin'ny Twitter:

@SenRehmanMalik: Ry Vahoaka, eny, niresaka tamin'ny PM ny tenako ary nampahafantatra ny fihetseham-pon'ny vahoaka manoloana izany. Nibaiko ny hanokafana indray ny Twitter ny PM . Niresaka ny momba izany tamin'i Raja pervez ihany koa aho

Mitantara ny ProPakistani, mitatitra ny fisokafan'ny fanakanana ny aterineto:

Na eo aza izany, araka ireo loharanonay, naisorina talohan'ny fotoana voalaza hanaovana izany ilay sakana noho ny laza ratsiny azony tany Pakistana, indrindra tany amin'ny media vahiny.

Raha nametraka ny andraikitra tany amin'ny Praiminisitra ihany koa ny zanakavavin'ny Praiminisitra Yousuf Raza Gilani, Fiza Batool Gilani ho namerina ny fahafahana miditra ao amin'ny twitter.

@FizaBatoolGilan: Nomen'ny Praiminisitra baiko ny Minisitry ny IT hamerina ny tolotry ny Twitter any Pakistana

@FizaBatoolGilan: @abidbeli- Niaraka taminy aho tamin'ny fotoana nanomezany ny baiko & mitoraka bitsika avy aty Pakistana aho.  Inoako fa ampy izany porofo izany 🙂

Matahotra ireo mpampiasa aterineto fa tafita ny fanandraman'ny PTA ny tolotr'izy ireo ho fanivanana rohy tamin'ity tranga ity, izay mety handrahona  ny fahalalahana miteny any aoriana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.