Espana : Ireo “Tezitra” Mpandàla ny 15M

Ity lahatsoratra ity dia ampahany amin'ny lahatsoratray manokana mikasika ny Krizy ao Eoropa.

Natao ny Asabotsy faha 12M ( 12 May) tamin'ny  6 ora hariva  tao Catalunya Plaza ny fotoana nifanomezana mba hankalazàna ny fitsingerenan'ny taona voalohan'ny  15M ( 15 May), hetsi-panoherena voalohany nataon'ireo mponina tao  Barcelona . I Mari Ángeles izay iraika ambin'ny enim-polo taona dia nandao ny toerana misy azy tao El Prat, tanàna mifanolo-bodirindrina amin'ny seranam-piaramanidina ao anatin'ny faritry ny tanàna . Niaraka taminà andianà mpiray tanàna , noraisiny ny takelaka efa nomanin'izy ireo ary nandray ny fiara mpitatitra mankany amin'ny Spain Plaza. Tany indray izy ireo no nifankahita taminà fikambanana hafa avy ao amin'ny  ” andry tatsimo” izay efa ho ora roa teo ho eo no niainga tany Cornellà tany akaikin'ny mitatao vovonana tany.

Nanatevin-daharana ilay hetsi-panoherana i Miguel Ángel, 44 taona raha iny nandalo tao Esplugues iny. I Josep Maria, izay sivy ambiny enim-polo koa dia mba nanao toy izany  fony nandalo tao  Les Corts ilay diabe. I Karlos koa,  44 taona, dia nandray anjara tamin'ny fitondrana kitapo ahitàna ny zavatra rehetra ilaina mba hilasy tao amin'ny  plaza hatramin'ny 15M.

Miguel Ángel. Sary nalain'i Lali Sandiumenge.

Ny olon-drehetra ankoatran'i Karlos,  izay niaina tao  Mexico taona vitsy ary nanohana ny hetsiky ny  Zapatista,  dia tsy mbola nandray anjara taminà hetsika ara-tsosialy na ara-politika  izany raha tsy tamin'io 15M io . Ary tsy nijanona intsony nanomboka ny 15 May 2011.  I Mari Ángeles , mpikambana ao amin'ny  vondrona El Prat manohitra ny fanapahan-jiro  [ca] izay mitory ny fanapahan-kevitra hentitra noraisin'ny governemanta Catalan hanafoana ny fiahiana ara-tsosialy avy amin'ny fanjakana;  I Miguel Ángel dia ao anatin'ny Aturem Eurovegas [ca] (Ajanony Eurovegas) hanao izay hanakanana an'ilay mpanefoefo Amerikana Sheldon Adelson hanova ilay renirano Llobregat delta ho toeram-pilokana lehibe sady raitra  ary  ahitana toerana fialamboly samihafa.  Vao tsy ela akory izao i  Josep Maria no nanao sonia ilay Iaioflautas,  fikambanan'ireo mpiasa mpisotro ronono mahery manohitra ny Franco, Elatra havia, tolona sendikaly.

Karlos dia nahita làlana ahafahana miala amin'izany. “Miaina io fifohazana  io aminà fanantenana lehibe aho,” hoy izy. “Izahay, mponina tsy mitandro hasasarana , no tao anaty toe-draharaha nahakivy  ary noho ny 15M dia afaka nifankahita izahay.”

Josep Maria. Sary nalain'i Lali Sandiumenge.

Maro be ny antony nandraisan'ireo olona anjara tamin'izany, fa ny iraisana  – ary eken'ny rehetra – dia ny hoe mila ovaina ny raharaha. “Mivatravatra be ilay fomba fisaina, mihoatra lavitra niaraka tamin'ny fanapahan-jiro matetika tao Catalunya, ho hitantsika eo ny fiafarany,” hoy i Miguel Ángel. “Misy mpiray tanàna amiko tena mijaly. Raha mbola manohy izao làlana izao isika , dia mety hisy revolisiona sivily hitranga.”

Tsy ilaina ny manontany an'i  Josep Maria izay ao an-tsainy  : mazava be ny sora-baventy eo amin'ny vatany. “Ny toherinay dia ny  hoe tsy raharahain'ny olona ny tsy fitoviana ary izay ny 1% sy ny  99% dia tsy mikasika izay tena fisiana marina (entelechy) akory,  nitondra fanamarihana izy hamintinana izany tamin'ny fanambaràna ny  fanadihadiana sy ny fananontaniana momba ny fidiram-bolan'ny mponina ao  Espana – izay tsy nahitàny fahombiazana – mba hanamboarany ny Lorenz “curve” azy manokana . Tena ngeza be ilay fahafaham-baraka hoy izy nanampy , ka tsy vitany ny tsy hilasy sy ny  tsy handany ny alina  ao an-kianja na dia tsy tanora intsony aza izy ka tsy tokony  hiari-tory hanao tafo lanitra na ho amin'inona na inona.

Misy koa antony manokana . Efatra taona lasa izay i Miguel Ángel, izay mpamorona, dia very asa  tao amin'ny orinasa mpanamboatra fiarakodia Espaniola Seat  ary tsy mbola nahita hafa izy hatramin'izao.  Ny volany tamin'ny nanaovany grevy dia efa lany ary miady mafy tokoa izy mba ho afa-miaina amin'izay sisa tavela tamin'izay tamby azony.

Mari Ángeles. Sary nalain'i Sandiumenge.

Voatery nandeha nisotro ronono talohan'ny fotoana i Mari Ángeles , herintaona lasa izay, tao aminà orinasa tsy miankina iray misahana fahasalamana. Tsy nahatratra ny  500 Euros akory ny fisotroan-drononony ialàn'ny tataon-ketra ary tsy ampy hamelomany ny zanany lahy mihitsy izany , zazalahy marani-tsaina, koa dia miara-mipetraka any amin'ny tranon-drazazalahy izy ireo ankehitriny. “Mitokona ny zanako. Nilofo tsy nisy toy izany izy nianatra ny Fiteny Anglisy mba hahafahany mahazo asa any ivelany, any Angletera na Kanada  any,” hoy izy nanazava, na dia izany aza niato matetika izy tamin'ny fanazavany ary nandray anjara kely tamin'ny hiaka nataon'ireo namany  tamin'ireo fiara izay tsy mahandry ilay hetsi-panoherana : “Aza mijery fotsiny, avia hiaraka aminay !” Josep Maria, mifanohitra amin'izany , dia mandray karama tsara . “Raha ara-drariny ny fitsinjaràna ny harena, mety mba tsy ho very ihany no niafarako,” araky ny nambarany  nandritra ny fizorany nilamina no sady tsy niato ho any Catalunya Plaza.

Desi (ankavia) ary Raquel teo am-panangonana sonia ho an'ny ILP. Sary nalain'i Lali Sandiumenge.

Rehefa tonga tao Catalunya Plaza, teo amin'ny faran'ny lalàmben'i Grace ilay diabe,  dia nafanojo taminà andiany hafa avy any amin'ireo faritra hafa ao an-tanàna sy ny manodidina. Teo amin'io toerana io ry Desi sy Raquel, 33 sy 31 taona, no nametraka latabatra azo afindrafindra mba hanangonana sonia  hanohanana ny  Popular Legislation Initiative (ILP) avy amin'ny Plataform of Mortgage Victims (PAH) [es] izay miady amin'ny fampanekena ny lalàna  mifehy ny fandoavam-bola mitodika amin'ny tany aloha.

Samy mitafy ny akanjo bà maitso misy ny iray amin'ireo fanentanana fototra azy ireo mampiavaka ity vondrona ity izy mirahalahy : Atsaharo ny Fandroahana. Raquel koa dia nilatsaka an-tsitrapo nandray anjara tamin'ilay PAH nanomboka tamin'ny fotoana nitondrany  ny hetsika ho amin'ny fiarovana fianakaviana iray ao amin'ny tanàna niaviany mba tsy ho voaraoka . Desi no iray isan'ireo niharan'izany :  enim-bolana izay no lasa hatramin'ny tsy nahafahany nandoa ny vola nindraminy ary tsy misy azo atao hanaovana fifampiraharahana amin'ny banky ny amin'ny trano izay tsy maintsy atao antoky ny trosa izay efa mahatratra 250.000 Euros.

Yo no encuentro trabajo y mi marido, tras estar en el paro, cobra ahora 1.200 euros al mes, y tenemos que pagar casi mil de la hipoteca. Tenemos dos hijas y tenemos que tirar adelante. Gracias a la PAH vamos haciendo, la unión hace la fuerza.

Tsy mety mahita asa mihitsy, na izaho na ny vadiko,  izay taorian'ny grevy dia nandray 1.200 Euros isam-bolana kanefa tsy maintsy nandoa trosa an'arivony eo ho eo. Manan-janaka vavy roa izahay ary mila milofo ho azy ireo. Nohon'ny PAH dia hahomby izahay, ary hilofo miaraka .

Eo alohanay  eo, misy vehivavy iray manao seho ho  hetsi-panoherana.  Nataony  dika mitovy ilay taratarasy natao ho an'ny hetsika (“Raha mandoa ny trosanao ianao,  avelao izy ireo handoa ny antoka nataonao”) ary napetrany teo anoloanà tamboho niaro trano be iray an-dalam-panorenana, milaza hoe “Maneno ny ampongan'ny fanoherana.”  Maria, izay no anarany,  56 taona ary efa teo nandritra ny ora roa nijoro tsy nihetsika mihitsy, nangina ary voarakotr'ilay  taratarasy ny tarehiny.  Nandalo teo ireo mpanao hetsi-panoherana ary dia variana nijery azy , nitehaka, ary namela azy irery teo.  Nijanona koa ireo mpaka sary sy mpizahatany maro, naka sary ary dia lasa nandeha. Tsy nitsoaka izy. Miasa aminà birao eo akaiky eo izy ka afaka nandray anjara tamin'ilay hetsika taorian'ny ora fiasany. “Nanaovako dika mitovy ilay taratasy ary miaraka amin'izy ireo aho ankehitriny, sobika iray no misy antsika rehetra “, hoy ny fanazavany.

Voy a casi todas las protestas, no por mí, sino por mis hijos. Hemos luchado mucho por lo que tenemos y ahora se lo están cargando. Ya no reconozco a esta España.

Nandray anjara saika tamin'ny hetsi-panoherana rehetra aho, tsy ho ahy, fa ho an'ny taranako. Niady ho an'ny fanananay izahay ary ankehitriny  dia ho alaina eo aminay indray izany. Tsy fantatro intsony ity Espana ity.

Sary nalain'i Lali Sandiumenge.

Ity lahatsoratra ity dia ampahany manokana amin'ny lahatsoratray mikasika ny Krizy ao Eoropa.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.