Norvezy: Ireo Resaka Momba An'i Amerika Latina Ao Amin'ny Oslo Freedom Forum

Ny herinandro lasa teo no notontosain'ny Human Right Foundation tao an-drenivohitra norveziana ny Oslo Freedom Forum. Ny teny filamatra “Avy amin'ny aizina mankamin'ny mazava,” avondron'ny  forum ny endrika fanta-daza manerantany hiresaka ny krizy mahaolona sy hifanakalo hevitra momba ny fiantraikany. Iray amin'ny nandray anjara fitenenana mandritra ny fotoana mitondra ny lohahevitra manao hoe “Feo ao amin'ny Maizina” i Rebecca MacKinnon, mpiara-manorina ny Global Voices Online.

Anisan'ny lohahevitra tena nahaliana nandritra ny forum ny krizy ankehitriny ao Syria sy ny fangejana ara-politika ataon'ny governemanta vaovaon'i Vladimir Putin ao Rosia, nahaliana tahaka izany ihany koa ny taona voalohan'ny “Lohataona Arabo.”  Na izany aza, misy ihany koa ny andiana lohahevitra mahatafiditra faritra hafa eto amin'ny gilaoby, ka anatin'izany i Amerika Latina.

Humberto Prado, avy any Venezoelà, no Amerikana Latina niteny teo anoloan'ny forum voalohany niresaka momba ny zavamisy any amin'ny fonjan'ny fireneny. Nampiasa sary mampihoron-koditra ny gadra manao tifi-danitra, izay mifangarika amin'ny vondrona voafonja mitendry ao amin'ny andiana mpitsoka mozika i Prado ary namoaka ny antontanisa mampangovitra:  5066 no voafonja maty hatramin'ny 1999, raha 14.460 no naratra. Miangavy ny Vondrona Eoropeana ihany koa izy hijery ny fonja Venezoelana.

Nicolás Perez, Talen'ny gazety Ekoateriana mivoaka isan'andro El Universo, nanmpiseho ny fitondrana henjana ataon'ny governemanta Rafael Correa, izay nampandoa onitra iray tapitrisa dolara ny gazety noho ny famoahana taratasin'ny mpamaky ho an'ny tonia itsikerana ny nataon'i Correa nanome baiko ny tafika hitifitra hopitaly nandritra ny gidragidran'ny samy polisy, ka nahatonga fanamelohana iraisampirenena noho ny tsy fahampian'ny fahalalaham-pitenenana ao amin'ny firenena.

Mandritra izany fotoana izany, Mauricio Rodas, izay avy any Ekoatera ihany koa ary mpanorina ny Ethos Foundation, nanambara ny fepetra vaovao fandrefesana ny tahan'ny fahantrana any Amerika Latina izay niteraka tsikera avy amin'ny fitondrana Correa ihany koa.

Faraparany, Ethan Nadelmann, mpanorina ny firaisankinan'ny polisy misahana ny zava-mahadomelina, nampivoitra ny olan'ny fandrarana fanjifana zavamahadomelina, izay tsy misy fiavahany amin'ny fanagadrana ny minorite any Etazonia — ka lohalaharana amin'izany ny mponina Hispanika.

Afa-nanararaotra niara-nipetraka tamin'ny teratany Venezoelana, Marcel Granier, tale jeneralin'ny Radio Caracas Television  izahay In Oslo, izay tsy mahazo mampiely feo sy sary malalaka any any amin'ny fireneny hatramin'ny 2007. Granier, izay nandray anjara ihany koa tamin'ny Said forum niresahana momba ny fanenjehana ny gazety Venezoelana, efa nanasongadina ny fitondrana ny resaka zon'olombelona any Amerika Latina any amin'ny lanonana Eoropeana noho ny “fifandraisana misy eo amin'ny firenena Amerikana Latina sy ny Eoropeana tahaka an'i Espaina sy Portiogaly.” Raha jerena indray ny forum, nambaran'i Granier fa “mihalehibe isan'andro ny fahatsiarovantena” momba ny zavamisy any Venezoela amin'izao fotoana, izay “mampiakatra [tsy nahy] ny haavom-pahatsiarovantena eo amin'ny ambaratonga ankapobeny,” ary manaitra ihany koa fa tena foto-pahavelomana indrindra ny fanajana ny zon'olombelona any amin'ny fireneny hiantohana ny fahasalaman'ny Venezoelana rehetra, ankoatra ny fiantohana ny fiverenan'ny ampielezana an-tanindrazana.

Ao amin'ny Twitter, misy ny mpandray anjara ao amin'ny Oslo Freedom Forum, tahaka ny Oslo Scholars Program (@OsloScholars), nanatsonga sombin-teny sasany avy amin'ny kabary Amerikana latina:

“There is no dignity in prison: what exists is social cleansing” – Humberto Prado. Such a powerful speech on prison conditions in Venezuela.”

“Tsy misy fahamendrehana any am-ponja: fanadiovan-tsaranga no misy” – Humberto Prado. Mahery izany kabary momba ny fiainana any am-ponjan'i Venezoelà izany.

Tahaka izany koa i Runrunes (@RunRunesWeb) [es] nanondro fa tena mahery izany kabarin'i Humberto Prado izany:

#Runrunes ALTO:De alto impacto ponencia de Humberto Prado (Observatorio Vzlano de Prisiones) en el Oslo Freedom Forum- http://ow.ly/aOfcW

#Runrunes STOP:  kabary manana ny fiantraikany nataon'i Humberto Prado (Mpanaramaso ny fonja Venezoelana) nandritra ny Oslo Freedom Forum – http://ow.ly/aOfcW

Navoitran'ny mpanao gazety Venezoelana Nelson Bocaranda (@Desconvocara) [es] ny halehiben'ny fanambaran'i Mauricio Rodas nandritra ny hetsika:

Mauricio Rodas,miembro de la Fundacion Ethos que hizo radiografía de pobreza latinoamericana anuncio en Oslo q buscara Presidencia Ecuador

Mauricios Rodas, mpikambana ao amin'ny Ethos Foundation, izay nijery tamin'ny radiô (taratra X) ny fahantrana any Amerika Latina, nanambara tao Oslo fa hirotsaka ho filoha Ekoateriana izy

Ny sary manaraka etoana dia avy amin'ny famelabelarana Amerikana latina nandritra ny Oslo Freedom Forum, izay natolotra avy amin'ny fahatsaram-pon'i MarieBW mpanoratra ity lahatsoratra ity.

Banners del Oslo Freedom Forum desplegados alrededor de Oslo, Noruega. Derechos Reservados, Flickr/MarieBW

Sainalava Oslo Freedom Forum mihantona manerana an i Oslo, Norvezy. All Rights Reserved, Flickr/MarieBW

Ethan Nadelmann, director del Drug Policy Alliance. Derechos reservados, Flickr/MarieBW

Ethan Nadelmann, Tale firaisankinan ny polisy misahana ny zava-mahadomelina. All Rights Reserved, Flickr/MarieBW

Nicolás Pérez de El Universo de Ecuador. Derechos reservados Flickr/MarieBW

Nicolás Pérez ao amin ny El Universo any Ekoatera. All Rights Reserved, Flickr/MarieBW

Nicolás Pérez (segundo de derecha a izquierda) en rueda de prensa. Derechos reservados, Flickr/MarieBW

Nicolás Pérez (faharoa avy any ankavanana) nandritra ny valan-dresaka. All Rights Reserved, Flickr/MarieBW

Humberto Prado, citando a Nelson Mandela durante su presentación. Derechos reservados, Flickr/MarieBW

Humberto Prado, nanatsonga an i Nelson Mandela nandritra ny famelabelarany. All Rights Reserved, Flickr/MarieBW

Humberto Prado comparte "el infierno" que viven los presos en Venezuela. Derechos reservados, Flickr/MarieBW

Humberto Prado mizara ny afoben "ny fonja iainan" ny voafonja manerana an i Venezoela. All Rights Reserved, Flickr/MarieBW

Humberto Prado expone la cruda realidad penitenciaria en Venezuela. Derechos reservados, Flickr/MarieBW

Humberto Prado miranty ny zava-misy mampalahelo any am-ponjan i Venezoelà. All Rights Reserved, Flickr/MarieBW

Presentación de Mauricio Rodas, fundador del Ethos Foundation. Derechos reservados, Flickr/MarieBW

Kabary Mauricio Rodas, mpanorina ny Ethos Foundation. All Rights Reserved, Flickr/MarieBW

Recepción en el ayuntamiento de Oslo

Reception tao amin'ny Lapan ny tanàna Oslo.

Los participantes comparten ideas en el intermedio de las ponencias.

Mpandray anjara nifanakalo hevitra nandritra ny elanelan-kabary.

El foro cerró con la entrega del Premio Vaclav Havel a la Disidencia Creativa

Nofaranana tamin ny loka Vaclav Havel Prize noho ny Creative Dissidence ny forum.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.