Pakistana: Fihetseham-pon'ny Olona Manoloana Ny Didim-pitsarana Manafintohina Azon'ny Praiminisitra

Nifarana ihany ny toe-draharaham-pitsarana nahavoarohirohy an'ny Praiminisitra Pakistaney Yousuf Raza Gilani. Didim-pitsarana sarintsariny 37 segondra fotsiny no sazy navoakan'ny fitsarana ho an'ny Praiministra, ho famaranana ny raharaham-pitsarana naharitra tao anatin'ny telo volana. Nilaza ny mpandinika fa tsy hamaha ny olana momba lalampanorenana efa misafotofoto  ny didy navoaka, fa vao maika hampitombo olana indray.

Fanampin'izany, niteraka fisaritahana teo amin'ny vahoaka izany  izay nampizarazara azy ireo na ny mpanohana ny Praiminisitra na ny mpanohitra azy. Etsy andaniny, nidina an-dalambe ny vahoaka hitaky ny fampiharana ny demokrasia ao amin'ny firenena. Etsy ankilany, nilaza ny olona sasany fa manan-jo hanazava tsara ny voalazan'ny lalampanorenana ny Fitsarana tampony.

Supporters of ruling Pakistan People Party shout in the protest. Image by Rajput Yasir. Copyright Demotix.

Mpanohana ny antoko'ny fitondrana Pakistana nandritra ny hetsika. Sary avy amin'i Rajput Yasir. Copyright Demotix.

Maro ireo olona nilaza fa tsy ara-demokratika no nitsaran'ny fitsarana tampony ny raharaha.

Nazar M. Chohan naneho hevitra hoe:

Ankafizin'ny Fitsarana tampony sy ny mpitsara ambony ao ny mampisara-kevitra ny fiaraha-monina…fantaro izany!!!

Nampatsiahy ireo seho niverimberina i Imran. Nanitsakitsaka foana ny demokrasia ny Fitsarana Tampony ary nanohana foana ny didy jadona.Nilaza izy hoe:

Tsy mahagaga…. mihazona ny voninahiny fotsiny ny Fitsarana tampony.
1. Nekena ny lalàna miaramila avy amin'i Ayub
2. Nekena ny lalàna miaramila avy amin'i Zia
3. Notapahin-doha ny praiminisitra
4. Nandroaka indroa ny governemantan'i Benazir
5. Nankato ny lalàna miaramila avy amin”i Musharraf
6. Namela an'i Musharraf hanova ny lalampanorenana
7. Namela an'i Musharraf hirotsaka hofidiana filoham-pirenena nefa mbola tao anatin'ny tafika izy [Musharraf]

Yesmeen Ali nisioka hoe:

@yasmeen_9: Fantatrao  ny lalàna. Tsy nahavoasazy ny Praiminisitra fahatezeram-bahoaka.

Ahsan Riaz Chaudhary nisioka hoe:

@chahsanriaz: Andriamanitra ô, Najoro ny #CJ [fitsarana] hametraka “manokana” ny Praiminisitra #Gilani hody any an-trano! #SupremeCourt #Pakistan

Nilaza ny olona sasany fa fandresena ho amin'ny fahamarinana ny didy nivoaka. Nanambara kosa hafa fa tokony hametra-pialana tsy ho Praiminisitra intsony i Gilani ary hanatontosa ny didy navoakan'ny fitsarana ambony.

@hamza101: Tsy fahafaham-baraka ho an'ny fitsarana fotsiny i Gilani, fa namadika tanteraka ny #Pakistan..!#PPPFail

@alihzinsaf: Fantatra fa meloka i #Gilani. Tsy tokony ho meloka izany hoe #PM izany. Fa tokony manana fahamendrehana ny #PM ary manana fitondratena ambony sy tokony ho olom-pirenena modely eo amin'ny fanjakana.

@malikakissxkhan: #Gilani Aotra ny fahamendrehanao sy ny fanajanao ny tenananao. Aotra ny fahitsim-ponao eo amin'ny Pakistan. Vazivazy ny fangatahanao fitsarana ambony. Tsy misangisangy aho. Mialà

Hita mazava tsara ny fironana na manohana ny Praiminisitra na ny manohitra azy. Ny antokon'ny mpanohitra, PML-N (Ligin'ny Miozolomana Pakistana – Nawaz) sy ny PTI (Pakistan THahreek Insaf) niangavy  ny Praiminisitra hiala araka izay haingana indrindra.

“Hiala ve ny PM “, izany no fanontaniana an-tapitrisany dolara mipetraka. Mbola vao haingana loatra no nivoaka ny didim-pitsarana, ka te-hamarana ny fe-potoam-piasany voalazan'ny lalampanorenana ny antoko ao amin'ny fitondrana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.