Best of the Blogs 2012: Nambara Ireo Mpandresy

Saripika tranonkala BOBs

Tapaka ary fantatra ny mpandresy mahazo loka Best of the Blogs – the BOBs [Bilaogy Tsara Indrindra] rehefa nandalo fifidianana iray volana sy fifandresen-dahatra teo amin'ny samy mpitsara. Kendren'ity lanonana fanao isan-taona tontosain'ny Vondrona Fampitam-baovao Deutsche Welle ity ny hanomezana loka ireo bilaogera mandray anjara any amin'ny vondro-piarahamonina misy azy sy mampiroborobo ny fahalalaham-pitenenana.

Ankoatra ny Lokan'ny Mpisera (safidin'ny olona), sokajian'ny mpitsaran'ny bilaogera, ireo manampahaizana momba ny fampitam-baovao sy ny mpikatroka, ho sokajin-teny iraisampirenena enina ny bilaogy, fanentanana ary tetikasan'ny fampitam-baovao isan-karazany.

Best Blog

Ny mpanao gazety Iraniana Arash Sigarchi (lokan'ny mpitsara sy lokan'ny mpiseraThe BOBs ) sy ny mpanoratra Libaney ao amin'ny Mowaten Jou3an (lokan'ny mpisera) no mpandresy tamin'ny “Best Blog”. Sigarchi, monina any Washington amin'izao fotoana izao, no nanoratra ny Varavarakelin'ny Fanahiana [ar], iresahany momba ny toe-draharaha politika sy sosialy any an-tanindrazany. Voasambotra imbetsaka noho ny zava-nosoratany tao amin'ny bolongana izy ary efa nohelohina higadra 14 taona fony tany Iran. Miresaka lohahevitra maro any amin'ny firenena maro ahitana an'i Ejipta, Palestina, Syria ary Libanona ilay mpanoratra ao amin'ny Mowaten Jou3an [ar] tsy tononina anarana.

Nankany amin'ireo manaraka ireto ny lokan'ny mpitsara tamin'ity taona ity:

Hetsika sy Katroka ara-tSosialy: Bilaogeran'ny Free Syrian & Mpikatroka Razan Ghazzawi

Nahetsika ity fanentanana ity rehefa nosamborina tamin'ny Desambra [mg] raha teny an-dalana hamonjy atrikasa momba fahalalahan'ny fanaovan-gazety any Jordania ny mpikatroka Syriana sady efa nandray anjara tato amin'ny Global Voices i Razan Ghazzawi. Taorian'ny namoahana azy dia notazonina vonjimaika, navoaka fa mbola notazonina vonjimaika indray volana maromaro taty aoriana. Miantso ny fanafahana azy sy ny mpiara-miasa aminy ao amin'ny Ivotoerana Syriana momba ny Media sy ny Fahalalaham-Pitenenana, izay notazonina hatramin'ny Febroary 2012.

Lohahevitra Manokana Momba ny Kolontsaina sy ny Fanabeazana: Fasokan

Boukary Konaté no mpanoratra ny Fasokan, izay hampiroboroboany ny fiteny sy ny kolontsaina ao an-toerana voasoratra amin'ny teny Frantsay sy Bambara (ny fiteny be mpiresaka indrindra avy ao Mali). Mpandika teny antsoratra ho amin'ny Global Voices Teny Frantsay i Konaté ary vatsian'ny Rising Voices ihany koa ka misolo tena ny Ségou Villages Connection.

HarassmapFampiasana Teknolojia Hanatsarana ny Fiaraha-monina Tsara Indrindra: Harassmap

Tetikasa Ejipsiana, mampiasa ny sarintanin'ny Ushahidi, ahafahan'ireo tratran'ny fanorisorenana ara-pananahana mitatitra sy mametraka ao amin'ny sarintany izay nitranga ary voasokajy araka ny karazany sy ny toerana. Azo atao amin'ny alalan'ny tranonkala, hafatra an-tsoratra ary amin'ny alalan'ny tenifototra Twitter ny tatitra.

Fantsona Lahatsary Tsara Indrindra: Kuang Kuang Kuang

Andian-tsarimiaina Shinoa, izay mitondra ny anarana Kuang Kuang no hita be indrindra ao amin'ny sehatra, ary iray amin'ny sarimiaina mampihomehy maneso iantsorohan'i Pi San izay mampahatsiahy toa fiantsiana ny aretina ara-tsosialin'i Shina.

Loka Reporters Sans Frontieres [Mpanangom-Baovao tsy voasaka-tsisintany]: Bilaogin'i Abu Sufian

Mampiasa ny bilaoginy hitaterany ny famonoan'olona tsy lazain'ny gazety mahazatra, tahaka ny namonoana ny mpanao gazety Sagar sy Runi ny mpitatitra avy ao Bangladesh Abu Sufian. Nanandratra ny feony ihany koa izy hanoherana ny famonoana tsy misy fitsarana mpitranga any Bangladesh, ka efa nahafaty olona an'arivony.

Lokan'ny Mpisera amin'ny sokaly sy fiteny rehetra

Ankoatra ny lokan'ny Mpitsara, afa-mifidy ny bilaogy mifaninana amin'ity taona ity ankafiziny amin'ny sokajy rehetra sy ny fiteny rehetra ihany koa ny mpisera. Azonao jerena ato ny lisitr'izany.

Fasokan Miarahaba ireo nahazo ny loka rehetra noho ny asany faka tahaka ny vondrom-piarahamonina Global Voices. Mandefa ny firariantsoa manokana ho an'i Boukary Konaté izahay noho ny asany miavaka. Novalian'i Boukary toy izao izahay raha nanontany azy izay dikan'izao loka izao aminy:

Nahare izao vaovao izao aho raha mbola ao mandalo krizy ara-politika sy ara-miaramila ny fireneko. Heveriko ho loka ho amin'ny firaisana sy fandriamphaleman'i mali ity loka kolontsaina sy fanabeazana ity.

Araka ny lazain'ny mpikambana ao amin'ny fitsarana sady mpanoratra Global Voices, Tarek Amr avy ao Ejipta izay nanampy tamin'ny fanaraha-maso ny voafantina amin'ny fiteny Arabo fa:

Manana ny lanjany tokoa ny hetsika FreeRazan raha amin'izao fotsiny, saingy hitako ihany koa io ho famantarana hita mason'ny fanekena ny tolon'ny vahoaka Syriana sy firaisankina amin'ny gadra politika manerana ny tontolo Arabo, tahaka an'i Abdulhadi Alkhawaja any Bahrain, ny voatsindry hazolenan'ny fitsarana miaramila any Ejipta, ary ny ohatra maro samihafa. Sehatra tsara ihany koa ny Harassmap ho fanairana momba ny fanorisorenana ara-pananahana any Ejipta, asy hanampiana ny niharany hiantsoantso, indrindra moa fa matetika izay niharany indray no faizin'ny fiarahamonina alohan'ny mpanorisory.”

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.