Armenia: Fandresen'ny Mpikatroka Miaro Ny Tontolo Iainana

Taorian'ny telo volana nisian'ny fihetsiketsehana sy sit-ins tsy ankiato nokarakarain'ireo mpikatroka ho amin'ny tolona hanavotana ny zaridainan'i Mashtots, nanome baiko ny hanesorana hatramin'ny fakany ny foto-drafitrasa efa tafaorina noho ny faharatsian'endriny ny filoha Armeniana, Serzh Sargsyan, antony iray tsy tafiditra tao anatin'ny fandaharam-potoanan'ireo mpitolona manohitra ny fananganana tsy ara-dalàna atao amin'ny iray amin'ireo sehatra maitso sisa tavela ao Yerevan izany.

Ankoatra ny fitakian'ny mpanao fihetsiketsehana ho fiarovana ny zaridaina hitandroana ny fahasalamana sy fiarovana ny tontolo iainana, kianin'ny mpanao fihetsiketsehana ihany koa ny fametrahana trano heva satria tsy nisy ny fanontaniana ny olona momba azy ireny ary tsy nisy ihany koa ny fanadihadiana natao  ny amin'izay mety ho fiantraikany eo amin'ny manodidina ao amin'ny faritra, takian'ny lalàna anefa ireo zava-droa loha ireo. Naneho ny ahiahiny “Feom-borona” noho ny fanitsakitsahan'ny fitondrana ny lalàna

Պարզվեց, որ նախագահն օրենքի մասին պատրաստ է մոռանալ, երբ խնդրի օբյեկտն է դառնում… էսթետիկան: Նախագահը տեղում հայտարարեց, որ շինարարության առումով ամեն ինչ ճիշտ է, քաղաքապետն ամեն ինչ լավ է արել, բայց կրպակներն աչք չեն շոյում, ու լավ չի լինի, եթե երկու-երեք տարի աչք մազոլեն:

Hita mazava tsara tokoa fa adinon'ny governemanta ny lalàna raha noresahina ny amin'ny tokony hanomezana endrika tsara ny fananganana. Nanambara ny filoha fa ara-dalàna soa aman-tsara ny fananganana trano heva, ary nanao ny asany araka ny tokony izy ny ben'ny tanàna, kanefa hita fa tsy dia tsara endrika rehefa topaza-maso ireo kioska ka tsy dia tsara ny hamelana azy ireo hijoro taona maro fa manimba maso.

Mpanao fihetsiketsehana, tao amin'ny Zaridaina Mashtots, ao Yerevan, Armenia © Hetq Online

Noraisina izao fanapaha-kevitra izao andro vitsy taorian'ny fampiasan-kery nataon'ny polisy tamin'ny mpanao fihetsiketsehana, izay naharatràna olona vitsy sy nisamboarana ny olona sasany. Arovy ny zaridaina Mashtots, natsangana ny valan-tserasera “tumblr”  ho fanohanana ny hetsika, hanomezana ny anaran'ireo nogadraina,  raha naka ny sary nahitana korontana ny faribolana mpihevitra sy tranonkalam-baovao sy fanadihadiana Civilnet, ao Yerevan.

Navotsotra ireo mpikatroka notazonina ka feno hafatra fiarahabana ny Facebook-n'ny ONG misahana ny fampianarana ny fahaiza-miaina Մե՛նք ենք այս քաղաքի տերը (Antsika ity Tanàna ity), izay nandray anjara tamin'ny fanombohana ny hetsika, sy nanasongadina ny fahasosorana vokatry ny fomba nitantan'ny filoha Armeniana ny toe-draharaha. Nanoratra toy izao i Lena Nazaryans mpikambana ao amin'ny vondrona:

Սերժ Սարգսյանը ոչ մի կերպ չի անդրադարձելՀՀ քաղաքացիների իրավունքներին և ժողովրդի գերակա շահերի պաշտպանությանը, որոնք ըստ ՀՀ Սահմանադրության Հայաստանի Հանրապետության ինքնիշխանության հիմքն են և պետական պաշտոնյաների (նախագահ, քաղաքապետ և այլն) լեգիտիմության աղբյուրը:

Tsy tsapan'i Serge Sargysan ny iray amin'ny zon'ny mponina ato amin'ny Repoblikan'i Armenia sy ny lahara-pahamehan'ny vahoaka andriamanjakan'ny Lalampanorenan'ny Repoblikan'i Armenia sy loharano maha ara-dalàna ny manampahefana (Filoha, Ben'ny tanàna, sns.)

Nandritra ny fitsidihany tao amin'ny zaridaina Mashtots, niaraka tamin'i Ben'ny tanànan'ny Yerevan, Taron Margaryan, izay tsy nihaona tamin'ireo mpanao fihetsiketsehana na dia teo aza ny antso imbetsaka natao azy i Sargysan. Nisy, ny sasany, tahaka an'i Anahit Markosian, niantso ny fialany hita ao amin'ny pejy Facebook-n'ny vondrona Armeniana miaro ny tontolo iainana:

I think the latest events at Mashtots park call for mayor Margarian's resignation. Not only has he shown his unwillingness and inability to solve the problem, but he also created a situation where the citizens and police are constantly being pitched against each other, thus putting both sides in the harms way. Such irresponsible and destructive behavior on behalf of the Mayor should not be tolerated. .

Mieritreritra aho fa ny fametram-pialàn'ny ben'ny tanàna no notakiana tamin'ny hetsika farany niseho tao amin'ny zaridaina Mashtots. Tsy ny tsy fahazotoany sy ny tsy fahaizany mamaha ny olana misy ihany no nasehony, fa izy koa no mahatongany olom-pirenena sy ny polisy hifamaly hatrany, ka nampidi-doza ny roa tonta. Tsy azo leferina ny fitondratena tsy mahay mandray andraikitra sy mamotika ataon'ny ben'ny tanàna toy izany

Na dia nandeha aza ny baiko hesorana ireo kiôska noho ny antony maro tsy notenenin'ny mpikatroka akory, ny faharetan'ny hetsika no nahitana fa  nifoha tamin'ny torimasony ny fiarahamonim-pirenena Armeniana, izay hita somary narefo ihany hatramin'izay naharavan'ny firaisamben'ny Sovietika efa ho 20 taona lasa izay.

Bilaogy Armeniana “Observer blog” naneho hevitra hoe:

[…]the activists forced the country’s top official to carry out their demand and this is a remarkable achievement of civil activism in Armenia. These guys showed they’re real fighters, who stood there under snow and rain, fought back police and provocateurs and won their cause!

Nanery ny mpiasam-panjakana ambony ireo mpikatroka mba hanaiky ny fitakian'izy ireo ary izany no zava-bita lehibe indrindra  notontosain'ny olo-tsotra mpikatroka ao Armenia. Nampiseho izy ireo fa tena mpitolona marina, izay niaritra tao anatin'ny oram-panala sy ny orana, nanohitra ny polisy sy ny mpihantsy ady ka nahazo fandresena!

Kirk Wallace, Talen'ny Fandaharam-potoana momba ny tontolo iainana ao Armenia, nanoratra tao amin'ny bilaogin'ny fikambanany raha vao nanomboka ny hetsika tamin'ny volana Febroary, fa nahita fiovana ihany koa izy.

Mashtots Park is already a victory for justice and the rule of law.  Young people have sparked a renewed interest in social consciousness and have provided the first real glimmers of hope in decades.

Efa Fandresena ho amin'ny rariny sy ny fampanajàna ny ara-dalàna ny [raharaha] zaridaina Mashtots. Nahatonga ny olona ho liana amin'ny raharaha sosialy sy nanome tsirim-panantenana ao anatin'ny taompolo vitsivitsy indray ny tanora

Na dia nahafaly  aza ny fivoara-draharaha, nomarihan'ny sasany tahaka an'i Unzipped ny fotoam-panesorana ho andro vitsy mialoha ny fifidianana solombavahoaka ao Armenia “Ha! Tatitra: Nitsidika ny toerana ny Filohan'i #Armenia, nanodina ny #OccupyMashtotsPark & nanome baiko amin'ny fanongotana ny kiôska. Mahafinaritra kosa ny #armelection [fiadiam-pifidianana] #PR,” hoy ny mpamahana bolongana naneho hevitra tao amin'ny Twitter.

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.