Hong Kong: Ampangain'ny Evanjelisitra Ho Mamery Ny Tanora i Lady Gaga

Mitety an'i Azia mitondra ny antontan-kira ‘Born this Way Ball’ amin'izao fotoana izao ilay mpanoratra hira sy mpihira Amerikana Lady Gaga. Efa voapetraka ho amin'ny 2 mey sy 7 mey 2012 ny fampisehoana hotontosaina any Hong Kong. Nametraka adihevitra tao amin'ny fiarahamonina tao an-toerana ny vondrona evanjelisitra iray manohitra ny fahatongavany any Hong Kong ny andro mialoha ny fampisehoana voalohany.

Nanao fanentanana hanoherana ny fiteteza-paritr'i Lady Gaga an-tserasera ny vondrona evanjelisitra mpitahiry ny nenti-paharazana iray, Media Evangelism Limited, manasa ny kristiana hanasonia sy “hivavaka ho an'ny tanoran'i Hong Kong hahatohitra ny fakampanahin'i Lady Gaga”. Mametraka ny online poster [zh] fa:

Lady Gaga 演唱會將於 2/5 – 7/5 來港舉行,演唱會帶有色情、同性戀及崇拜撒旦的元素,亦容讓 3 歲以上人士進場。我們籲請信徒支持緊急代禱簽到行動,為青少年的心智守望禱告。

Poster calling for Christians to sign in to pray for youth against the

Hotontosaina ny 2 ka hatramin'ny 7 mey ny fampisehoan'i Lady Gaga eto Hong Kong. Hahitana endrika vetaveta, fitiavan'ny mitovy karazana (lahy sy lahy; vavy sy vavy) ary satanika ny fampisehoana ary azon'ny ankizy mihoatra ny telo taona idirana. Eto izahay miangavy ny kristiana hanasonia sy hivavaka ho an'ny saina sy ny fanahin'ny tanora.

Manazava ny katroka ataon'ny Kristiana ao amin'ny fivavahana ataony ny mpisera Facebook Julie Lam [zh]:

她的新歌 Born This Way “生來如此” — 聲稱上帝創造同性戀者及同性戀不是罪,她積極推動同性婚姻合法, 影響了數個國家的立法。她 的表演志在香港及亞洲打開黑暗的大門讓邪惡進入,目標是要嚴重影響青少年, 導致道德墮落。

Voalaza ao amin'ny hirany vaovao, Born This Way, [Teraka tamin'izao lalana izao] fa namorona ny mpitia mitovy fananahana aminy Andriamanitra ary tsy fahotana izany. Misolo vaovao amin'ny fanaovana ho ara-dalàna ny fanambadian'ny mitovy karazana [fananahana] izy ary firenena maro no efa resiny lahatra tamin'izany. Manoka-baravarana hidiran'ny ratsy ny zava-bitany. Hitarika handresy lahatra ny tanora no tanjony ary hitondra ny fahasimbàn'ny fomba fitondra-tena.

Tsy ampy zato no nanasonia ny takelaka ary ny ankamaroany aza manohitra ny fampielezan-kevitry ny vondrona evanjelisitra. Ireto ambany ireto ny nofantenina tamin'ireo vavaka ao amin'ny takelaka fanasoniavana [zh].

Miteny i Johnny Cheung [zh]:

求主使青年人有清昕頭腦, 分辨壞思想, 壞行為, 分辨到造假的諾亞方舟或者lady gaga 教壞人熟輕熟重的問題。 請所有被洗腦影音洗腦的人清醒, 回到你身邊, 呀門.

Mivavaha ho an'andriamanitra hanazava ny sain'ny tanorantsika. Ampahafantaro ahy ny manavaka ny eritreritra sy ny fihetsika ratsy. Ampahafantaro azy ny varotra sandoky ny zaridainan'ny sambofiaran'i Noah. Tsy izany ve no olana kokoa noho ny an'i Lady Gaga amin'ny fanolikolena ny fisainan'ny olona? Mivavaka ho an'ireo voasasa atidohan'ny median'ny evanjelisitra aho mba hiverina ny fahaiza-misaina ary hiverina ho amin'Andriamanitra.

Miaro an'i Lady Gaga i Chan Kwan Yeung [zh]:

慈悲天父嘅主呀,求你為被”影音使團”所說的話而被蒙蔽的人,清洗他們的眼睛哦!
LadyGaga是一個歌手,她所行的一切都是引導現今青少年於正道。宣揚,愛與自由,任何種族,性別,性取向的人皆是平等。她本人並沒有崇拜撤旦,只是在節目上回應主持人的玩笑。她的心是永遠追遠追隨父神你的。神呀,請你為那些被影音使團對LadyGaga的誤解,而寬恕。請你引導這班被該團體而誤入歧途的信徒,帶回正道!阿門~

Rainay ô! ampahirato indray ireto jambain'ny haino aman-jerin'evanjelisitra ireto!
Mpihira i Lady Gaga. Misafidy ny tanora hifidy ny lalana marina izy. Asandrany ny fitiavana, ny fahafahana, ny fitoviana eo amin'ny samihafa volonkoditra, karazana, ary safidy ara-pitiavana. Tsy mpivavaka amin'i Satana izy, mananihany amin'ny fandaharam-potoanan'ny mpandray ny lanonana izy. Manaraka ny Ray any an-danitra ny fony. Andriamanitra o, avelao ny helok'ireo mitsaratsara foana an'i Lady Gaga noho ny propagandin'ny evanjelisitra. Tariho lalana re ny mpino tarihin'ireo vondrona evanjelisitra ireo ho any amin'ny lalana marina. Amena.

Mitsikera ny vondrona evanjelisitra ho mampiely ny ‘fahotana gay’ i Chu Ka Yu [zh]:

將社會分化, 將同自己價值觀唔同既野打壓, 向年青人洗腦, 向佢地灌輸Gay Sin呢個message, 將自己所知所信既視為世界上唯一正確既真理, 唔去用批判思考去想上帝既道理, 用”人”既腦去解讀上帝既意旨, 呢d就係”教會”

我信主, 我信神, 我讀聖經, 所以, 我反對任何教會既存在…

你話我係魔鬼又好, 話我係咩都好…

Mizarazara ny fiaraha-monina, manaporitra izay tsy mitovy soatoavina, manasa atidoha ny tanora amin'ny hafatry ny Fahotana Gay, manandratra ny finoany ho hany marina eto amin'izao tontolo izao, mandà ny mieritreritra momba ny hafatr'Andriamanitra, mandidy ny sitrapon'Andriamanitra amin'ny alalan'ny fahaizan'olona iray voafetra, izany no ataon'ny ‘fiangonana’.
Mino an'Andriamanitra sy Jesoa Kristy aho. Mamaky ny Baiboly aho. Izany no hanoherako ny Fiangonana.
Tsy raharahako raha hilaza ahy ho devoly na zavatra hafa ianao….

Avoitran'i Siu Heng fa hain'ny tanora ny maka ny safidiny manokana [zh]:

我唔係lady gaga fans, 亦冇打算去睇佢show;我亦好尊重人地既宗教信仰。但頂唔蒲有人以為青少年係白痴,睇個show就會變壞;以為自己係道德塔里班,人地同你唔同就話係歪風。

Tsy mpitia an'i Lady Gaga aho ary tsy mieritreritra ny hijery ny fampisehoany. Manaja ny finoan'ny hafa aho. Saingy tsy zakako kosa ny fiheverana ny tanora ho adala hivadika ho ratsy noho ny fampisehoana iray. Manao fomba fisainana Talibans tsotra izao ianareo miampanga ny hafa ho diso fomba fisainana satria hafa ry zareo.

Mitsikera ny mpandala ny nentin-drazana ho mampiely ny fankahalana i Vita Lam [zh]:

基督徒表達對信仰的立場 令到小數族群飽受歧視 公平嗎.
假設所有人針對基督來打壓 你們會怎樣想
與其說神愛世人 不如說是宗教挑起仇恨比較貼切

Mety ho an'ny Kristiana ve ny mandidy isian'ny fanavakavahana ireo vitsy an'isa ao amin'ny fiaraha-monina ho fanehoana ny finoany?
Raha mamely ny finoana kristiana ny hafa rehetra, ahoana ny ho fihetsikareo?
Tia ny rehetra eto amin'izao tontolo izao Andriamanitra, saingy ny marina, marina kokoa ny filazana fa mampisongadina fankahalàna ny fivavahana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.