Sri Lanka: Miatrika Fitobahan'ambim-bava Avy Amin'ny Fambolena

Miatrika karazana fanamby vaovao ny governemanta ao  Sri-Lanka, miatrika ny fitobahan'ny ambim-bava amin'ny vary. Ny Minisitry ny Fampandrosoana ara-toekarena ao Sri Lanka, Basil Rajapaksa, dia  nanolo-kevitra ny hanondrànana ireo ambim-bava amin'ny vary sy legioma ao aminy. Nisy ihany koa ireo soso-kevitra hoe atakalo solika ny vary.

Saingy inona anefa no tena zava-misy eny an-kianja? Faly amin'ny fivangongoan'ny ambim-bava ve ny tantsaha? Kely dia kely ny vaovao mikasika ny fijalian'ireo tantsaha mba hita anaty gazety. Rajaratarala, bilaogera sady tantsaha, mamaritra ilay fanondranana ny vary ho fanompàna ireo tantsaha mpamoka-bary ao Sri Lanka. Hoy ilay bilaogera manao fanamarihana:

Fotoana vitsy lasa izay dia voalaza, androany 18 Aprily 2012, fa ny Sekreteran'ny Ministeran'ny Fambolena, KA Sakalasooriya, dia nanambara ny fananganana faritra efatra mitodika amin'ny fanondrànana. [..] Mbola lasa lavidavitra kokoa aza ny fanambarana fa hoe amin'ny taom-pamokarana manaraka, Yala, ny akotry dia mety hosandaina  Rs40/kg.

Nahoana moa io fanambaràna io no manafintohina? Tsy azony an-tsaina na kely akory aza ny mikasika izay fambolena vary, ny mikasika vokatra azo sy ny fitombon'izany amin'ny karazan-tany fambolena samihafa any, sy ireo karazana vary akotry samihafa.

Namboly karazana akotry 6 aho, ary ny tenako manokana dia nitety varavarana rehefa nivarotra, karazam-bary 14 no azo tamin'io. [..] Rs 40/kg izany tsy ho ampy velively hanentsenana ireo zara raha nahita vokatra [..]

Toa tena tsapako marina fa raha mamokatra akotry ho  aminà kalitao ilaina amin'ny fanondrànana amin'io sanda io ireo tantsaha, dia mbola ry Miller (mpanangom-bokatra)    ihany no hahazo tombony, satria izy no mamatsy ny tsena, ary ny ataon'ny governemanta amin'ny fanatanterahana ity fampanantenana ity dia fanaovana ny tolobidy ho an'ireo Millers (mpitoto koba) izay nanome kely ho an'ny Governemanta mba hividianana io akotry io amin'izay sanda izay

Tanimbary ao Sri Lanka. Sary tao amin'ny Flickr an'i Nishan.sl. Nampiasàna ny Creative commons license BY-NC-ND

Ao anaty lahatsoratra iray hafamitondra fanazavana ilay bilaogera momba ny fijalian'ireo mpamoka-bary ao Sri Lanka, izay tsy mahazo ny sanda sahaza ny vokatr'izy ireo:

Tsy misy tombony mihitsy ny famokarana vary akotry aminà tany latsaky ny 5 hektara izay manome ny 70 % amin'ny tany voavoly ankehitriny. Noho izany TADIDIO fa ny vary izay hanintsika dia vokarin'ireo olona feno fandavan-tena!!! Tsy iandrasana na inona na inona, tsy ampy akory aza mba handoavana karama isan'andro mitentina Rs200. Ka inona noho izany no ho entin'ny hoavy?

Miezaka ny mamnoritsoritra ny fomba ifehezan'ireo mpitoto koba ny tsena sy fakàny tombontsoa amin'ilay fandraharahana i Rajaratarala ao anaty lahatsoratra iray hafa. Manolotra hevitra ilay biloagera:

Mba handaniana ireo fatra mihoatra amin'ny vokatra akotry ao Sri Lanka araka izany, ny Governemanta dia tsy maintsy mividy sy mitahiry vatsy ampy mandritra ny 6 volana raha kely indrindra  anaty sompitra manerana ny firenena, ary koa manana tetikady hananganana fitotoam-bary goavana mba hahazoana vary fanondrana tsara kalitao, izay ilàna rafitra manokana fanaraha-maso ny kalitao hifaninana amin'ny fenitra iraisam-pirenena, izay ananan'io fitotoam-bary io ihany koa. Hahazo vola misimisy kokoa amin'ny fivarotana eo amin'ny tsena anatiny ny tompon'io fitotoam-bary io, ary metimety kokoa ho azy raha ny marina ny tsenan'ny fanondrànana!

Farany ilay bilaogera dia manazava ny fomba hiatrehana io ambim-bava ara-toekarena io ary miteny fa  tsy mandà ny fanondrànana izy akory :

Tsy maintsy manana politika hitantanana, hanentanana sy hanampiana ny sehatra tsirairay  ny governemanta. [..] Ny fanisahana ny mpamaritra vidin-javatra avy amin-dry Mpitoto koba, ny mpamongady sy ny mpanelanelana amin'ireo mpamboly, izany izao no adisanina tsy ahitam-baliny mbola itoloman'ireo mpahay toer-karena eran-tany, mahatonga ny asa fambolena ho vadin-tsena sy ilàna hery manetsika izay ho tombony ho an'ireo tantsaha fotsiny ihany rehefa misy tsy fahampiana manangasanga eny am-paratazana.

Pourquoi cette annonce est insultant? Il n'a aucune idée de la culture du riz, sur les rendements sur des sols différents et des conditions de croissance, et sur différentes variétés de riz paddy.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.