Bahrain: Aiza I Abdulhadi Alkhawaja?

Efa andro vitsy lasa izao no tsy nahazoam-baovao ilay Bahraini mafana fo mpiaro ny zon'olombelona  sady mpitarika ny mpanohitra Abdulhadi Alkhawaja, izay nanao fitokonana tsy hihinan-kanina hatramin'ny 8 Febroary. Atahorana fa mety fahanana sakafo an-katerena na anaty tsy fahasalamana lalin i Alkhawaja, izay notsaraina tamin'ny taona lasa higadra mandra-pahafatiny, ary araka ireo tatitra dia iharan'ny fampijaliana ara-batana sy ara-nofo.

Fitokonana tsy hihinan-kanina
Ny 8 Febroary, nanomboka nitokona tsy hihinan-kanina i Alkhawaja ary nataony nazava tsara fa tsy hijanona izy raha tsy avotsotra. Araka ny voalazan'ny fianakaviany, nampandre mialoha azy ireo izy mba hanaiky ny fahafatesany. Hatramin'ny 23 Aprily dia tsy nahazo vaovao mikasika azy ny fianakavian'i Alkhawaja, ary nolavin'ireo manam-pahefana ny fangatahana fitsidihana. Mitombo ny ahiahy, ary aman'arivony ireo mitoraka bitsika amin'ny tenifototra #WhereIsAlKhawaja, mangataka valinteny tsy misy hatak'andro avy amin'ny governemanta. Nirotsaka an-tsehatra amin'ny antso hahazoam-baovao mikasika an'i Alkhawaja ireo fikambanana miaro ny zon'olombelona eran-tany, isan'izany ny Front Line Defenders.

Ireo bitsi-pitiavan'i Khadija

Abdulhadi Alkhawaja sy ny vadiny Khadija Almousawi. Sary famantarana an'i Khadija Almousawi ao amin'ny Twitter (@tublani2010).

Nampiasa ny kaontiny Twitter (@tublani2010) i Khadija Almousawi, vadin'i Alkhawaja, handefasany hafatra ho an'ny vadiny. Anatin'ny iray amin'izy ireo, nanonona ny zananivavy Zainab, izay mitoraka bitsika amin'ny @angryarabiya ary vao haingana no voatàna am-ponja taoriana fihetsiketseham-behivavy tokana ho an-drainy:

@tublani2010: Ry Hadi, tsy nila nanampy ny latabatra fihinanantsika izahay androany. Nihena ny fianakaviana. Any am-ponja i Zainab. Ianao koa tsy hita.

Anatina bitsika hafa dia niteny izy:

@tublani2010: Ry Hadi, reko avy amin'ireo mpiandraikitra fa salama tsara ianao. Nefa tiako heno avy aminao izany. Tsy mandainga mihitsy ianao. Tsy tahaka azy ireo. Maninona ianao no tsy afaka miantso ahy?

@tublani2010: Ry vady malalako: Manohy ny tolona ho an'ny fahalalahana ianao eo ambony fandrianao, na aiza na aiza toerana misy anao. Raha mbola eto ianao.

@tublani2010: Ry Hadi, mijoro ho anao 100% aho ary hanohy hanohana anao 100%, malahelo anao aho. Malahelo ny tsikinao, ny hatsaram-panahinao

Firahalahian'ny Bahraini
Maro ireo Bahraini naneho ny tahotr'izy ireo mikasika an'i Alkhawaja, na dia ireo tahaka ilay mpitoraka bilaogy Suhail Algosaibi izay efa niady hevitra tamin'i Zainab Alkhawaja aza:

@SuhailAlgosaibi: Raha lasa i Abdulhadi dia ho loza ny hitranga aty #bahrain. #WhereIsAlKhawaja

Namorona sariitatra marobe momba an'i Alkhawaja ilay Bahraini mpanao sarisary zary tenany Ali Al Bazzaz, ary ny iray amin'ireo izay aseho eto ambany dia mampiseho an'i Alkhawaja miaraka amin'i Gandhi sy i Mandela, dia naverina nobitsihana im-betska tokoa.

Alkhawaja miaraka amin'i Gandhi sy i Mandela. Sarin'i @bazzaz32

Fahanana an-katerena?
Naneho ny tahony mikasika ny rainy i Maryam Alkhawaja, zanakavavin'i Abdulhadi iray hafa izay monina an-tsesitany,fa mety ratsy be ny fahasalaman'ny rainy na fahanana an-katerena ny tenany. Nilaza izy, “fantatro fa tsy hisotro na hihinana n ainona na inona ny raiko ka raha manome zavatra azy izy ireo dia amin'ny alalan'ny fampiasan-kery izany.”

Nipartaka izany adihevitra mikasika ny toe-pahasalaman'i Alkhawaja izany noho ny fanadihadiana niarahana tamin'ny praiminisitr'i Bahrain farany teo. Niantso an'ireo mpanao hetsi-panoherana any Bahrain ho mpampihorohoro izy, nanambara fa tsy handefitra ny fitsabahan'ny Tandrefana amin'ny raharahan'i Bahrain ny tenany, ary nilaza fa salama i Alkhawaja ary misotro rano.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.