Panama: Mahantra Saingy Tsy Adino Noho Ny Lahatsary Aty Anaty Aterineto

Iray tamin'ireo tobim-pamaharan'ny Sambo mpisitrika Amerikana tany amin'ny faritry ny Lakandranon'i Panama i Coco Solo, akaikin'i Colón, Panama. Amin'izao fotoana, Coco Solo no tanindrazan'ny sasany amin'ireo mahantra indrindra, ny ankamaroan'ireo Panameana natao an-jorom-bala.

Tamin'ny 2008, Reuters dia namoaka tantara iray mikasika ny “fahantrana sy ny fikororosiana” ao Coco Solo, toerana nahaterahan'i John McCain ( Repoblikana mpirotsaka ho filoham-pirenena tamin'izany fotoana) :

McCain dia teraka tamin'ny 1936 tao amin'ny zaratanin'ny  tobim-pamaharan'ny Sambo mpisitrika teo ambany fitantanan'ny Amerikana ao Panama toerana izay niasan'ny rainy tamin'ny naha-manamboninahitry ny Navy azy .

Ankehitriny, milalao manakaiky ireo fantsona fanariana ny maloto ao an-tanàna ny ankizy, izay natao nanodidina ilay tobim-pamaharana ary ireo tranobe nonenan'ny fianakavian'ireo manamboninahitra Amerikana tamin'izany fotoana dia mihahaka ho haolo sy feno korontan-javatra

Lehilahy mitafy tapaka no mikarenjy eny, mampidera tombokavatsa mampiavaka ny andiany misy azy sy ny isan'ny olona efa novonoin-dry zareo. Rakotry ny bozaka aman'ahitra ireo faritra izay fanaovana ‘softball’ fahiny.

Mitohy ny tatitra :

Niverina niandalana tamin'i Panama ny fifehezana an'ilay toby sy ny ambin'iny faritry ny Lakandrano iny taorian'ny fifanarahana iray nifanaovana tamin'i Etazonia ny 1977, ary dia navadika ho toeranairay midadasika fiantsonan'ireo ‘conteneurs’ fantatra amin'ny hoe Manzanillo i Coco Solo. Natolotr'i Washington ny Panameana ny tobim-pamaharany farany tamin'ny 1999.

Saingy ivelan'io tantara avy amin'ny  Reuters io dia bitika no mba taterina momba an'i Coco Solo. Ireo lahatsary anaty aterineto no mba  antontan-kevitra vitsy mampiseho ny fiainana ao anatin'ity vondrom-piarahamonina ity.

Iray amin'ireo fikambanana mampakatra lahatsary tsy tapaka momba an'i Coco Solo ny Cambio Creativo (“Fanovàna Mamorona”),

seha-panabeazana iray izay manandratra ny fisainana mahay mitsikera, ny fitozoana ary ny fanehoana ny hevitry ny tena amin'ny alàlan'ireo dingana fifanakalozan-kevitra sy fahaiza-manao. MAnamora ny fisian'ny habaka iray ifanakalozana eo aminà vondrona iray mpiahy sy ireo mpianatra ao Coco Solo (Colon, Panama) izahay. Isam-bolana dia misy atrikasa mahasahana lafiny maro tarihan'ireo mpiahy avy ao Colon, Tananan'i Panama sy avy any ivelany. MAnantena izahay fa amin'ny alàlan'ireo fahalallàna manitikitika, ny famoronana, ary ny traikefa miabo, dia hahita ny safidy azony raisina ho amin'ny fandrosoany manokana ara-tsosilay sy ara-toekarena ireo mpandray anjara.

Sary avy amin'ny tranonkala Cambio Creativo, fampiasàna nahazoana alàlana.

Roa taona lasa izao, ilay mpiara-nanorina ny Cambio Creativo, Rose Cromwell, dia nampakatra lahatsary fohy fanadihadiana momba an'i Coco Solo novokarin'i Eric Soussanin mpamokatra sarimihetsika. Marisa Treviño avy amin'ny tranonkala Latina Lista dia mizara tsonga iray avy ao amin'ilay fanadihadiana sady manoratra hoe:

Ny lehilahy, ny vehivavy, ny ankizy izay monina ao Coco Solo dia sokajiana ao anatin'ny fiarahamonina Panameana ho ireo nandà ny fiainana satria mahatsiaro tena ho adino izy ireo. Kanefa, fanadihadiana fohy iray mikasika ny fitarainan'ireo olona ao Coco Solo no manaporofo fa tsy adino mihitsy izy ireo raha ny marina, fa mahalala ny momba azy ireo izao tontolo izao.

Cambio Creativo dia miasa miaraka amin'ireo tanora avy amin'ity vondrom-piarahamonina ity anatinà atrikasa samihafa. Mibilaogy i [es] mikasika ny atrikasa iray momba ny saripika izay natao tamin'ny Janoary 2012 i Cromwell. Mizara lahatsary iray avy amin'ny fikaonan-doha izy:

Ny sary nalain'ireo mpianatra dia naranty sy namidy tamin'ny alalan'ny  habaka anaty aterineto [es] nampiantranoin'ny tranonkalan'ny Cambio Creativo. Ny vola azo tamin'ny famarotana ireny sary ireny dia mandeha mivantana any amin'ireo tanora mpanao asa kanto.

Afaka mahita bebe kokoa ireo lahatsary avy amin'ireo mpitantana ny Cambio Creativosy sy ireo mpirotsaka an-tsitrapo miasa miaraka amin'ireo tanora avy ao Coco Solo ianao ao amin'ny pejy Vimeo an'i Rose Cromwell, ahitàna ihany koa an'ity kilasy fianarana ny ”percussions corporelles” manaraka ity:

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.