Brezila: Mpanao Gazety Sady Bilaogera Novonoina Tao São Luís, Maranhão

[Teny Portiogey avokoa ny rohy ankoatra izay lazaina manokana]

Tifitra roa teo amin'ny lohany raha kely indrindra no namonoana ilay Brezilianina mpanao gazety sady bilaogera Décio Sá tamin'ny alin'ny alatsinainy 23 Avrily tao amin'ny trano fisotroana iray be olona indrindra ao an-tanànan'i São Luis, any avaratra atsinanan'ny fanjakana Maranhão. Manazava ny bilaogera Candido Cunha:

Segundo testemunhas, ele estava sentado quando um homem caminhando apontou uma arma e atirou duas vezes contra a cabeça do jornalista, que morreu na hora. Depois, o matador saiu caminhando e fugiu.

Milaza ny vavolombelona fa nipetraka izy raha nisy olona nanondro ilay mpanao gazety tamin'ny basy sady nitifitra azy indroa teo amin'ny lohany, ka nahafaty azy teo noho eo. Lasa ilay mpamono olona nandeha ary nandositra.
Print of Décio's personal blog, with his last post

Print of Décio's personal blog, with his last post

Ary nampiany hoe:

Décio Sá era repórter do jornal O Estado do Maranhão. No seu blog pessoal, colecionava milhares de acessos e algumas polêmicas pelo estilo crítico dos seus textos e dos assuntos que explorava. Ele dedicava o trabalho a cobrir a política do Maranhão e seu blog era o mais acessado no estado.

Mpanangom-baovao tao amin'ny gazety O Estado do Maranhão i Décio Sá. Nanangona ny lahatsoratra be mpamaky sy ny adihevitra sasantsasany navoaka lahatsoratra amin'ny endrika tsikera ary ny lohahevitra nohadihadiana lalina ao amin'ny bolongana azy manokana izy. Nanokana ny asany hiompana amin'ny politikan'ny Maranhão izy ary be mpamaky indrindra ao amin'ny fanjakana.

Samihafa ny lazain'ny loharanom-baovao, misy miteny fa voatifitra in-droa izy, ny hafa miteny fa voatifitra in-telo izy ary misy hatramin'ny tifitra enina, efatra teo amin'ny lohany ary roa eo amin'ny lamosiny.

Tao amin'ny Avenida Litorânea (Lalambe Amorontsiraka), iray amin'ny lalana manana ny lanjany sy be mpivezivezy indrindra ao an-tanànan'i São Luis, izy araka izay velabelarin'ny mpamahana bolongana sady mpanao gazety Rogério Tomaz Jr, azy ao amin'ny Twitter:

@rogeriotomazjr: Litorânea é um dos principais espaços de lazer de São Luís. (em tese) Há viaturas da polícia circulando o tempo todo! Execução lá é surreal!

@rogeriotomazjr: Ny Lalambe Litorânea no toerana ahitana fialam-boly be indrindra ao São Luís. (ara-petrakevitra) Misy fiaran'ny polisy mivezivezy hatrany io! Tsy voahevitra mihitsy ny isian'ny famonoana ao!

Efa manahirana ihany ilay famonoana, misy ambadika politika miharihary, natao tany amin'ny toerana be olona  hoy ny manamboninahitra polisy Caetano Pacheco. Na izany aza, hita mirona amin'ny fifandraisan'i Décio Sá amin'ny fianakaviana Sarney, izay nitondra ampolony taona, ny adihevitra an-tserasera. José Sarney [en], loham-pianakaviana no filohan'ny Antenimieran-doholona, ao Brasília, ary ny zanany vavy, Roseana Sarney [en], no governoran'i Maranhão.

Mampahatsiahy ny mpisera Twitter Arthur Santos avy ao São Luis:

@arthurxside: nesse ponto é importante lembrar que Décio Sá era profundamente ligado à família Sarney.

@arthurxside: Tena ilaina ny manamarika fa manana fifandraisana lalina amin'ny fianakaviana Sarney i Décio Sá.

Na dia sarotra aza ny mino fa mety ho nisy fifandraisana tamin'ny fahafatesan'i Décio Sá ny fianakaviana , namelatra petrakevitra mahasolo nalefany Twitter.

Niasa tao amin'ny gazety Décio worked for O Estado avy ao amin'ny Vondrona Mirante – orinasam-pampitambaovao ahitana radio sy fahitalavitra anatin'ny vondrona Globo [en] izay ny fianakaviana Sarney no tompony i Décio. Mamahana ao amin'ny Blog do Décio izy ary mamely hatrany ny mpanao politika manana ny tanjany ao amin'ny fanjakana misy azy.

Nanampy i Rogério Tomaz Jr:

@rogeriotomazjr: Crime organizado do Maranhão, que deve a Sarney sua perpetuação há décadas, faz mais uma vítima. Desta vez, um jornalista.

@rogeriotomazjr: Nahavoa olona iray indray ny andian-jiolahy voaomana ao Maranhao, izay nisy am-polony taona hampaharitra an'i Sarney. Mpanao gazety no voany tamin'ity indray mitoraka ity.

Niteny ny mpahay tantara avy ao Maranhão, Wagner Cabral (@wagner_cabral), fa “efa mahazatra ao Maranhão ny herisetra sy ny famonoana ny mpiasa tambanivohitra… sy ny fanitsakitsahana ny zon'olombelona” ary nampiany:

@wagner_cabral: Agora a violência alcança novo patamar quando blogueiro ligado à oligarquia é assassinado na capital… a sensibilidade da sociedade explode

@wagner_cabral: Ankehitriny, tafakatra dingana vaovao ny herisetra rehefa bilaogera manana fifandraisana amin'ny olombitsy mitantana no misy mamono eto an-drenivohitra … mipoaka ny faharangitan'ny fiaraha-monina

Namoaka nysarin'ny vata-mangatsiakan'i Decio tao amin'ny Twitter sy tao amin'ny bolongana vantany vao nisy ny famonoana ny mpanao gazety Ricardo Noblat, ary nanao izany ihany koa tamin'io sary io ihany ny vondrona Mirante, izay namoaka ny sary ahitana ny vata mangatsiakany eo amin'ny takelaka fandraisana [renim-pejy]. Niteraka tsikera azo lazaina ho mavesatra ao amin'ny aterineto ny nametrahana ny sarina vata-mangatsiakan'ny mpanao gazety eo amin'ny renim-pejin'ny vohikala na bolongana.

Nihantsy  an'i Noblat ny mpanao gazety Rogério Tomaz Jr “hanome antony TOKANA maharesy lahatra ny fametrahana sarin'ny maty novonoina amin'ny bolongana” ary niangavy ny fianakavian'i Décio hitory azy.

Araka ny ny kaonty Twitter an'i Noblat, 40 ny calibre ny basy nampiasaina tamin'ny famonoana izay ny polisy irery ihany no manana azy.

Apetraky ny ONG Iraisampirenena Reporters Sans Frontieres eo amin'ny laharana faha-99 i Brezila eo amin'ny fahalalahana manao gazety

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.