Fomba Ahoana No Tokony Hitantanantsika Ny Aterineto? Vovonana Manerantanin'ny INET 2012

[Rohy amin'ny teny Anglisy] Ny vovonana  Global INET 2012 dia vovonana iraisam-pirenena tatain'ny telo andro, ka mandritra izany no hankalazana ny faha-roapolo taonan'ny Internet Society. Ilay sehatra fifanakalozan-dresaka dia hatao ny 22 hatramin'ny 24 Aprily 2012 ao Genève, any  Suisse. Ny fandaharam-potoanan'ilay vovonana dia ahitàna resaka an-databatra boribory sy fidirana an-tsehatr'ireo manampahaizana amin'ny Aterineto (teknika, politika) ary mpikaroka hafa momba ny resaka fototra mahakasika ny fahasalamana sy ny fahaveloman'ny Aterineto.

Ankoatra izany, atrikasa telo no hatolotra hifanindran-dàlana amin'ireo, mitodika manokana amin'ny lohahevitra fototra toy ny fiainana manokana, ny tsy fiandanian'ny Net, ny IPv6, ny fiarovana, ny amin'ireo votoaty niomerika sy ny zava-baovao, ny zon'olombelona sy ny fahalalahana maneho hevitra, ankoatra ireo olana maro hafa hanana ny fiantraikany eo amin'ny fahamarinan-toerana sy ny firoboroboana ary ny fivelaran'ny Aterineto manerana izao tontolo izao.

Indreto ny fahana telo avy amin'ireo fihaonana. Ity ambany ity, ny fahan'ny fantsona  Chaine 1, sy ny rohy avy amin'ny  Chaine 2 ary ny an'ny  Chaine 3. Ny fandraketana an-dahatsary dia ho azo aorian'ny fikatonan'ny fifanakalozan-dresaka ao amin'ireo fantsona telo ireo.

Jereo ny fampitana mivantana an-tsary avy amin'ny  inet1 ao amin'ny livestream.com

Ireo olona manaraka ny tranonkalanay Advocacy ary liana amin'ireo resaka ireo dia afaka manaraka ireo tenifototra manaraka ireto. #INETgov #INETeco sy #INETlaw.

Global INET Title 851 X 315

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.