Bahrain: Mihetsiketsika Samirery Ravehivavy!

Hatramin'ny niandohan'ny fitroarana manerana ny tontolo Arabo, efa lasa mahazatra antsika ny mahita sarin'olona an'arivony manao fihetsiketsehana eny an-kianja na eny an'arabe.

Nampidirina tao amin'ny rakibolana ny fehezanteny toy ny  hoe Million Man March ( Diaben'ny Lehilahy An-tapitrasany, ary nanjary mariky  ny “Lohataona Arabo” ny sary tahaka ity ambany ity.

Hetsi-panoherana goavana tao amin'ny kianjan'i Tahrir, ao Kaire, sary avy amin'i Nameer Galal (25/11/2011). Copyright Demotix.

Na izany aza, ilaina  ny herimpo lehibe raha anatinà fihetsiketsehana kely [vitsy olona], izay vitsy ny olona manohana sy fahalalam-baovao mitatitra izay mety ho fifandonana. Ahoana ny amin'ny mpanao fihetsiketsehana tokana midina an-dalambe irery, tahaka ity sary ity?

Zainab Alkhawaja ao ivelan'ny Tsenam-bola Harbor ao Manama, Bahrain (21/4/2012). Sary avy amin'ny mpisera Twitter @Kareemasaeed.

Zainab Alkhawaja ity hita amin'ny sary ambony ity izay nanao fihetsiketsehana irery tao ivelan'ny Tranom-bola Harbor ao Manama, renivohitr'i Bahrain  tamin'ny 21 Aprily lasa teo. Mpikatroka mpiaro ny zon'olombelona fanta-daza ny rainy, Abdulhadi Alkhawaja, izay nosamborina tamin'ny 9 April 2011 ary voasazy higadra an-tranomaizina mandra-pahafaty roa volana taty aoriana, miaraka amin'ny mpitarika mpanohitra  hafa. Nitokona tsy nihinan-kanina izy nanomboka tamin'ny 8 Febroary 2012 mba hanao fanairana noho ny fanagadrana sy ny fampijaliana iaretany, ary vao haingana koa no naneho ny ahiahiny ny mpiserasera manerana izao tontolo izao  mikasika ny faharatsian'ny toe-pahasalamany.

Notazomina nanomboka tamin'ny 20 Aprily teo i Zainab, mpisiokantserasera amin'ny anarana hoe @angryarabiya. Nanambara ny rahavaviny Maryam AlKhawaja  fa nandà tsy handeha ho any fampanoavana izy. Tsara ny manamarika fa  tsy vao voalohany no nosamborina toy izao i Zainab, ary tsy vao voalohany ihany koa no nanao fihetsiketsehana irery tahaka izao izy.

Mbola manontany tena foana aho ny amin'ny herim-po ananany toy izao, kanefa fantatro fa tsy misy mahavaly tsara ny fanontaniako ankoatra ilay nosoratany tao amin'ny  Twitter-ny:

Raha any am-ponja ianao, miaina tsy misy fanajana sy anaty fijaliana,  manompo ny mpanao didy jadona mpamono olona, ny fanadinoina ny tahotra ao anatintsika no dingana voalohany atao & mahafantatra fa zontsika ny.. ho tezitra.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.