Tonizia: Fifandonan'ny Mpitandro Filaminana Tamin'Ireo Mpanao Fihetsiketsehana Tsy An'asa Tao Radès

Ampahany amin'ny fandrakofanay manokana ny Fanovàna tao Tonizia 2011 ity lahatsoratra ity.

Ny 13 Aprily, nifandona ny mpitandro filaminana sy ny  vondronà tanora mpanao fihetsiketsehana avy any amin'ny Cité El Mallaha tany amin'ny seranan-tsambon'i Radès, atsimon'ny renivohitr'i Tunis ary raisina ho toy ny ambanivohitrany. Nanomboka tamin'io alina io ny fifandonana, Zoma ny andro, ary nitohy nandritra ny herinandro manaraka. Nanatanteraka fitorevahana ireo mpanao fihetsiketsehana ireo, nitaky ny hizaràna ny asa sasany izay vao noforonina tao amin'ny seranan-tsambon'i Radès, akaiky ny Cité El Mallaha.

Nitifitra entona mandatsa-dranomaso an'ireo mpanao fihetsiketsehana ny mpitandro filaminana, hanaparitahana azy ireo. Avy eo dia nisambotra azy ireo, eny fa na hatrany ambony tafon-trano aza. Voatàna ireo mpanao fihetsiketsehana sasany, izay nitarika hetsi-panoherana sy fifandonana ho lasa lavidavitra kokoa.

Nitranga andro vitsy monja taorian'ny nipoahana fifandonana mikasika ny asa [ar] tany amin'ny tanànan'i Moularès any atsimo sy ny herisetra nataon'ny mpitandro filaminana tamin'ireo tsy an'asa nanao fihetsiketsehana tany Tunis izany fifandonana izany.

Mpanao fihetsiketsehana tany amin'ny Cité El Mallaha any Radès. Sary avy ao amin'ny machhad.com (CC BY-NC-ND 3.0).

Nitoraka bitsika ny mpitoraka bilaogy Tounsiahourra:

@tounsiahourra: ليلة دامية في حي الملاحة رادس -ضواحي تونس- تم فك اعتصام الشباب بالقوة وباستعمال الغاز مما تسبب في حالات اختناق المتساكنين داخل بيوتهم ‎‪#Rades‬‏
Alina maimbo rà tany amin'ny Cité El Mallaha any Radès, ambanivohitr'i Tunis. Noravan'ny mpitanro filaminana ilay fitorevahana ary nampiasàn'izy ireo entona mandatsa-dranomaso izay nanempotra ireo mponina tany an-tranony ‎‪#Rades

Nanampy izy:

@tounsiahourra: سهام بن سدرين تطالب بتحقيق في قمع المعتصمين في حي الملاحة واقتحام بيوت المواطنين في الحي من قبل عناصر الأمن واستعمالهم العنف ضدهم ‎

‬‏

Mangataka famotorana mikasika ny famoretana an'ireo mpanao fihetsiketsehana tany amin'ny Cité El Mallaha i Sihem Ben Sidrine [mafana fo amin'ny zon'olombelona], sy ny fomba nidiran'ny mpitandro filaminana tany an-tranon'olona teny amin'ny  manodidina, ary ny fampiasàn-kery natao azy ireo.

Mampiseho ny mpitandro filaminana manafika ireo araben'ny Cité El Mallaha any Radès ity lahatsarin’ i TunisByNightt manaraka ity:

Nihetsika tamin'ny alalan'ny fitoraham-bato sy coktails Molotov an'ireo mpitandro filaminana ireo mpanao fihetsiketsehana. Ary nitoraka bitsika ny mpitoraka bilaogy Haykel:

@Haykel7: markez ecchorta fel Maléha #Rades totalement brûlé hier #tunisie #tngov

May tanteraka ilay tobin'ny mpitandro filaminana any El Mallaha, #Rades omaly #tunisie #tngov

Naneho ny tahony momba ny fitombon'ny fifandonana eo amin'ny mpitandro filaminana sy ireo mpanao fihetsiketsehana i Narjess, mpampiasa Twitter:

@NJESSREB: La question qui se pose:vont-il prolonger l'état d urgence qui prend fin le 30 avril? #OmLaarayes #Rades #1Mai #Tourisme #Tunisie

Ny fanontaniana mipetraka: hanitatra ny fepetra amin'ny tany misahotaka izay mifarana ny 30 Aprily ve izy ireo [ny governemanta]?

Fahanginan'ny Media
Nibitsika ny mpitoraka bilaogy Wessim:

@Wessimsara: تعتيم على التلفزة التونسية حول أحداث حي الملاحة برادس
Fahanginan'ny Median'ny fahitalavi-panjakana Toniziana mikasika ireo zava-nitranga tany amin'ny Cité El Mallaha, Radès

Nitsikera ny fahanginan'ny media i Tounsiahourra:

@tounsiahourra: وفيما الغاز المسيل يغطي حي الملاحة برادس , تختار النشرة الاخبارية الجهوية لقناة تونس أن تبدأ بخبر عن موسم الحج واتصال مع وزير الشؤون الدينية
Raha mandrakotra ny Cité El Mallaha any Radès ny tentona mandatsa-dranomaso, nisafidy ny hanomboka ny vaovaom-paritra miaraka amin'ilay fizarana vaovaon'ny Hajj sy ny resadresaka miaraka amin'ny minisitry ny Raharaham-pinoana ny Fahitalavitr'i Tonizia

Nitoraka bitsika i Med Salah M'Barek:

@MidoxTheGeek:#Radès est à 10~15 km du siège de #TTN et aucune équipe n'a été envoyée pour couvrir les évènements !!!

10-15 km miala ny foiben'ny #TTN [Fahitalavi-panjakana Toniziana] i #Rades ary tsy nisy ekipa nalefa handrakotra ireo hetsika niseho ireo!!!

Fisokafan'ny mediam-panjakana
Mety ho tsy niraharaha ireo hetsika ireo ny fantson'ny fahitalavitr'i Tonizia, raha tsy toy izany kosa ny governemanta. Nanome rohy mankany amin'ireo sary navoakan'ny Minisitry ny Atitany tao amin'ny Facebook ny Talen'ny Global Voices Advocacy Sami Ben Gharbia ao amin'ny Twitter.

Ampahany amin'ny fandrakofanay manokana ny Fanovàna tao Tonizia 2011 ity lahatsoratra ity.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.