Lahatsary: Fampahafantarana Ny Atao Hoe Islamo Ho An'ny Fikambanana Mpanao Asa Soa

Miompana amin'ny fifandraisana misy eo amin'ny tsy fahampian'ny fahafantarana ny atao hoe Islamo sy ny fomba fandraisan'ny fikambanana momba ny asa soa sy ny fampandrosoana ny atao hoe fiarahamonina Miozolomana ny adihevitra mandeha ao amin'ny vohikalan-tetikasa Uncultured Project. Shawn Ahmed nizara lahatsary tsotra sy fohy manazava ny atao hoe Isalmo, izay miezaka mampahafantatra amin'ny olona marobe mety ho voakasiky ny fandaharan'asam-pampandrosoana.

Nanasongadina ny voalaza tao amin'ny lahatsoratra hafa nosoratanà Miozolomana mikasika ny atao hoe Islamo i Shawn Ahmed tao amin'ny lahatsoratra navoakany tao amin'ny Aid Work, Cynicism, and Islam tamin'ny 7 Aprily 2012, ka manameloka ny tsy fisian-kenatra ary mangataka ny fanajana kokoa ny hafa.

Iriako ny mpiasan'ny fanaovana asasoa marobe (indrindra ireo miasa eny anivon'ny firenena Miozolomana no maro an'isa) hahafantatra bebe kokoa ny aminy sy hanaja azy. Satria, ny resaka antserasera mikasika ny asa soa sy ny fampandrosoana indrindra, no toa mitady hivoana mankany amin'ny tsy fisian-kenatra.

Nanambara ny lahatsoratra tao amin'ny Islam and Online Aid and Development Discourse tamin'ny volana Novambara 2011, fa atao tsinotsinona ny fiarahamonina vitsy an'isa nandritra ny adihevitra miompana amin'ny asa soa, ireo vitsy an'isa ireo indrindra anefa no tena kendrena amin'ity fisantarana andraikitra momba ny asa soa izay iadian-kevitra ity. Ary mihevitra i Ahmed fa antony iray mahatonga izany fanavakavahana izany ny ‘tsy fanajana ny fenitra ara-kolontsaina amin'ny resadresaka atao mikasika ny asa soa ka mahatonga ny endrika ratsy eo amin'ny fikambanana mpanao asa soa, indrindra amin'ny tranga misy eo amin'ny firenena ahitana Miozolomana maro an'isa tahaka an'i Bangladesh:

Mety hitranga izany fanavakavahana izany noho ny vazivazy, esoeso, ary fanebahana manokana izay hita mitranga matetika amin'ny ady hevitra amin'ny aterineto… Bangla maromaro no efa nilaza tamiko sahady fa tsy mieritreritra  azy ireo, ny mahaizy azy ireo, sy ny fomba fanaovan-javatra mahazatra azy ireo ny fikambanana mpanao asa soa sy ny ONG . Raha ekena sy tehafan”ireo olona ampiasaina amin'ny fampiana ny mahantra izany…. dia mety ho marina ny azy ireo

Tamin'ny lahatsoratra farany an'ny Uncultured Projec tao amin'ny Islam:101nilaza i Ahmed fa mitondra tontolo mahafinaritra ho an'ny fikambanana mpanao asa soa  ny fahafantarana tsara momba ny kolontsain'ny firahamonina izay kendren'izy ireo omena fanampiana, raha toa ka tsy nomena fanampiana ny vondron'olona sasany noho ny tsy fahafantarana sy ny fanavakavahana, afaka mianatra momba izany kolontsaina izany izy ireo ary mampihatra ny fahaizana norantovina.

Fa inona no atao hoe Islamo? Eny, mba tsy hitanisana ireo finoana marobe. Inoako fa nofintinin'ny namako John Green mazava tsara ato amin'ity lahatsary ity ny valiny. Raha manana 13 minitra ianao, tsara ny mijery izany:

Avy amin'ny andian-tantara mitohy an-tserasera Crash Course ny lahatsary, izay mampiseho lahatsary fohy sy misy fampianarana ao amin'ny Tantaran'Izao Tontolo izao sy ny Haiain'ny biby sy ny zavamaniry

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.