Mankalaza Ny Andron'ny Bisikileta Manerantany i Mexico

Ao an-tanànan'i Mexico, ny fivoizana bisikileta no fomba haingana, mora ary vetivety ihodidinana ireo faritra be olona sy fitohanana. Efa mahazatra ny mahita ambaratongan-taona mivoy ny bisikiletany, indrindra ny alahady maraina rehefa manakatona ny lalambe ny Lapan'ny Tanàna ka manome ny lalana ho an'ny mpivoy bisikileta.

Tsy azo noeritreretina mihitsy ny tranga tahaka izao taona vitsivitsy lasa izay noho ny tsy fisian'ny “kolontsai-pivoizana”, rehefa heverina ho karazana famonoan-tena ny nijerena ireo olona vitsy nanao ity fitaovana ity ho fitaova-pitaterana mahazatra. “Fiara aloha no mandeha vao ny olona,” hoy ny fomba fisainana mahazatra ny olona.

Mampitaha [es] ny kolontsai-pivoizana ao amin'ny tanànan'i Mexico amin'izay misy any Holandy sy Danemarka ny bilaogera David Saenz ny andron'ny 19 avrily:

El 19 de abril se celebra el Día Mundial de la Bicicleta. ¿Es necesario recordar los beneficios que produce este medio de transporte para el propio usuario y para la sociedad en general? Quizá en países como Holanda o Dinamarca no haga falta recordarlo. Pero sí en España, México, Francia, Italia, Reino Unido… donde, especialmente en las grandes ciudades, los coches son los amos de la ciudad.

19 Avrily no ankalazantsika ny andro manerantanin'ny bisikileta. Ilaina indray ve ny mampahatsiahy ny tombontsoa azo avy amin'ity fomba fitaterana ity eo amin'ny tsirairay sy ny fiaraha-monina ankapobeny? Tsy ilaina angamba ny mampahatsiahy izany ho an'ny firenena tahaka an'i Holandy sy Danemarka. Fa raha ny ao Espaina, Meksika, Frantsa, Italia, Fanjakana Mitambatra (Angletera)…indrindra fa ny tanàndehibe, ny fira no tompon'ny tanàna.

Ecobici, Tanànan'i Mexico. Saripika mpisera Flickr Alex Marduk (CC BY 2.0)

Naorina tao an-tanànan'i Mexico tamin'ny taona 2010 ny rafi-pitaterana an-tanàndehibe ho an'ny tsirairay antsoina hoe “Ecobici”. Manampy ny fitateram-bahoaka izy io amin'ny fametrahana tobim-bisikileta 85 eny amin'ny toerana be olona manerana ny tanàna.

Mamahavaha [es] ny fomba ankalazana ny andron'ny Bisikileta Manerantany amin'ny hanamontsanana ny isan'ny mampiasa be indrindra ao anatin'ny andro iray ataon'ny fandaharan'asa Ecobici ny bilaogy Animal Político:

Para festejar este día, Ecobici llama a sus 31 mil usuarios registrados (sólo 28 mil 100 activos) a usar hoy más que nunca una de las mil 200 bicis del sistema a fin de romper el récord de 10 mil viajes en un día.

Para el domingo, Ecobici también invita a un Rally por la Tierra , claro en bici.

Como dato curioso, destaca que es el miércoles el día de mayor uso del sistema Ecobici, seguido de lunes, martes, jueves, viernes y sábado, mientras que el domingo es el que menos se utiliza.

Miantso ny mpampiasa bisikileta 31.000 (ny 28.100 no mavitrika) misoratra anarana ao aminy hampiasa ny iray amin'ny bisikileta 200.000 ananan'ny fandaharan'asa amin'ity andro ity indrindra ny Ecobici hanamontsanana ny dia 10.000 tao anatin'ny indray andro.

Mazava loatra fa manasa ny olo-pirenena ho amin'ny lanonan'ny Tany amin'ny alahady ihany koa ny Ecobici.

Somary mahavariana ny mahita fa ny alarobia no be mpampiasa indrindra ny Ecobici, arahin'ny alatsinainy, talata, alakamisy, zoma ary ny asabotsy, raha ny alahady no tsy dia misy mampiasa indrindra ny fitaovana.

Na dia heno ho tahaka ny tsara aza ny fandaharana, tsy ny mpivoy bisikiletan'i Mexico no mankasitraka ny azy. Ao amin'ny bilaogy Prosa Poderosa (“teny manankery”) no  manazava [es] manazava ny anoherany ny teti-panoron'ny “Ecobici” ny bilaogera iray tsy nanonona ny anarany:

Para decirlo bien claro, aplaudo la iniciativa de la Ecobici, pero me declaro en contra de los paseos ciclistas.
Me declaro en contra porque no me parece que un paseo dominical sea un aporte para educar a las futuras generaciones de ciclistas, que tendrán que usar la bicicleta como un medio de transporte, tal vez de manera obligatoria. El error de la estrategia (si se le puede llamar así a algo de lo que no se pensaron las consecuencias) de organizar paseos ciclistas consiste en que la gente asociará inevitablemente la bicicleta con actividades recreativas, de ocio o de ejercicio, no de transporte serio.

Aleo apetraka mazava fa tehafako ny fandaharan'ny Ecobici saingy toheriko ny fiaraha-mivoy.

Toheriko ry zareo satria heveriko ho tsy hanatsara ny olona ho lasa taranaka mpivoy rahampitso, izay hanao ny bisikileta ho fomba fitaterana, angamba ho tsy maintsy atao, ny fiarahana mivoy bisikileta amin'ny alahady. Ny fahadisoana amin'ny paikady amin'izao fotoana izao (raha lazainao ho paikady ilay izy ka tsy heverinao ny mety ho fiantraikany) amin'ny fiarahana mitondra bisikileta anie ka horaisin'ny olona ho miaraka amin'ny fiaraha-mitsangatsangana, fialamboly sy fanatanjahantena ilay izy fa tsy heveriny ho fomba fitaterana matotra.

Notohizany:

Para reforzar el estigma “recreativo” de la bicicleta, éste se implanta en la memoria de los usuarios desde que van a comprarse una bicicleta, ya que estas suelen encontrarse junto a un kayac o una caminadora, en la sección de deportes de los almacenes comerciales.

Si ya era difícil desligar a la bicicleta de su ambiguo estatus de estorbo de las calles o de paria del tránsito, los paseos ciclistas no mejorarán esa imagen, ni harán que sus usuarios tomen plena consciencia de que las bicicleta es un vehículo sujetos a las mismas reglas de los automóviles. Y los ciclistas tampoco conseguirán el respeto que exigen de los conductores de otros vehículos.

Efa atao ao an-tsain'ny olona mety hampiasa azy hatrany amin'ny fotoana nividianana ny bisikileta ny fampieritreretana azy ho sokajin'ny fitaovana ‘fialamboly’ rehefa mipetraka matetika akaikin'ny kayak na karipetram-pihazakazahana, any amin'ny sokajy fanatanjahantena eny amin'ny tsenam-barotra.

Efa sarotra ny manavaka ny bisiliketa amin'ny satany manahirana heverina ho mpanakantsakan-dalana na ahilikiliky ny fifamoivoizana, tsy hanatsara izany endrika ahafantarana azy izany itony fiarahana mivoin'ny daholobe itony, ary tsy mahatonga ny zatra azy hahalala bebe kokoa fa eo mihatra aminy ihany koa ny lalàna ampiharina amin'ny fiarakodia. Sady tsy hahatonga ny fanajana tadiavin'ny mpivoy bisikileta amin'ny mpitondra karazam-piarakodia hafa.

Maneho ny ahiahiny amin'ny Andron'ny Bisikileta Manerantany ihany koa ny mpivoy bisikileta Meksikana ao amin'ny Twitter. Manoratra ny zavatra tsapany isaky ny mitondra bisikileta i Cesar Toledo (@CessarAndroid) [es]:

#YoAndoenBici y arriesgo la vida porque no nos respetan los conductores

# YoAndoenBici (“mivoy bisikileta aho”) ary mitaninon-doza ny fiainako satria tsy manaja anay ny mpamily

Nampiasa ny Twitter ny Fiadidiana ny tanànan'i Mexico (@GobiernoDF) [es] hilaza amin'ny olona ny fandroson'ny lalana ho an'ny bisikileta “20 de Noviembre”:

Presenta un avance del 80% construcción de la #Ciclovia20DeNoviembre. Fomentará el uso cotidiano, masivo y seguro de la #Bicicleta

Efa mandroso hatramin'ny 80%ny famitana ny lalana azo ivoizana “20 de Noviembre” . Handrisika ny fampiasan'ny daholobe isan'andro sy voaaro ny fampiasana #bisikileta izany

Farany, nalaza teo amin'ny mpisera nandritra ny andro ny fampiasana ny tenifototra #HistoriasDeBicicleta (“Tantaran'ny bisikileta”) rehefa mitantara ao anatin'ny tarehintsoratra 140 ny niainany rehefa eny ampivoizana ny mpisera.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.