Fifidianana Tany Myanmar Tantaraina Tafahoatra?

Nifaly izao tontolo izao nahare ny valim-pifidianana (ampahany) ofisialy farany teo tany Myanmar nahitana ny fandresen'ilay olo-malazan'ny demokrasia Aung San Suu Kyi sy ny antokony National League for Democracy. Mbola mitoetra ho vitsy an'isa ny NLD ao amin'ny Antenimiera fa niteraka fanantenana teo amin'ny maro izany ho amin'ny tetezamita mankany amin'ny demokrasia.

Saingy raha henoina ny filazan'ny mpiserasera sy ny mpanara-maso politika sasany, tokony tonena ihany ny tsinjatsinjaka tamin'ny fandresen'ny NLD satria mbola ny antoko manohana ny fitondrana miaramila ihany no antoko matanjaka ao an-toerana. Nampiako izany hevitra izany i Fifty Viss

Tsy nanova ny endrika na ny diam-panitsiana ny fifidianana. Ny fampidirana manokana ny NLD sy Suu Kyi angamba no vokatra lehibe indrindra [tsy] ahafahany manohitra ny fifidianana (nahitsy ny lalàna ahafahany mandray anjara). Nieritreritra ny halakin'ny voka-pifidianana navoakan'ny Vaomieram-Pifidianana Iraisana ihany koa aho. Tafavoaka tao anatin'ny indray andro ny vokatry ny ankamaroan'ny fari-pifidianana.

Tsy gaga ny mpanoratra raha navela handresy teny amin'ny biraom-pifidianana ny NLD

Rano indray mitete anaty rano fotsiny ireny isa ireny. Nilamina tsara ny fifidianana ampahany manokana iny fa toy ny mitsangatsangana fotsiny, indrindra raha entina hanesorana ny fanasazian'ny tandrefana no sandany. Ho be ny nihiaka ary ho nandrivorivo ny tsikera raha kely kokoa ny fandresen'ny NLD. Mivandravandra noho izany fa ho tombontsoan'ny fitondrana indrindra ny miantoka ny fandresen'ny NLD.

Misy aza ny mieritreritra fa entin'ny fitondrana miaramila hanamarinana ny fitantanany i Suu Kyi

Tsapan'ny maro amin'ireo vondro-piarahamonina Birmana ampitan-dranomasina fa ataon'ny fitondrana ankehitriny vatom-panorona hanamafisany fahefana fotsiny i Suu Kyi, mangarahara sy tsotra.

Milaza ny heviny manoloana ny teti-panoron'ny fitondrana miaramila i Wagaung

Misy ny sasantsasany amintsika efa nahita ny teti-panorony hatramin'ny voalohany. Ny sasany tsy manaiky mihitsy, fandresena kely tambony vilia talesaka hanamafisany ny tsy fijereny afa-tsy zavatra miabo. Misy indray ny hafa tsy manaiky hijery ny lafy tsaran'ny fanasaziana. Ny mpandraharaha iraisampirenenan'ny banky sy ny orinasa indray mahita loharanonkarena voajanahary midadasika tsy mbola voajary sy mpikarama mora vidy. Tsy manadino ny tombontsoany amin'ny fampiasana ny karaoty sy ny kibay mihitsy ny Tandrefana.

Manazava ny antony iantsoan'ny sasany ilay fifidianana farany teo ho ‘sell-elections’ na ‘fividianana’ na ‘lavantim-pifidianana’ i Shan Herald

The by-elections, which was dubbed by some as “sell elections,” meaning they were held for the purpose of selling to the international community the idea that Burma has turned over to a new leaf (better still, that the tiger has all of a sudden become vegetarian), have prompted several comments from Burma observers, both at home and abroad.

Apart from the apt choice of All Fools’ Day to hold them, which have naturally given rise to the inevitable question, “Who is Myanmar out to fool this time?,” there are some facts that I think are of major significance:

The said elections were not so much about whose policies the people support and which candidates they like. It was rather a fight between the three sacred institutions: that of the Old Guard, One Dominant Personality and Ethnicity.

Niteraka resabe teo amin'ny mpanara-baovaon'i Myanmar, na izany avy any ivelany na avy eto an-toerana, ny fifidianana ampahany antsoin'ny sasany ho “lavantim-pifidianana”, fa notanterahina izy iny hamidy amin'ny fiarahamonina iraisampirenena fa efa tonga amin'ny takelaka vaovao i Myanmar (tsara kokoa aza satria lasa tsy nihinankena intsony ilay tigra).
Ankoatra ny fanatanterahana azy tamin'ny fetin'ny lainga, izay nampanotany tena avy hatrany, « Fa iza indray no hofitahan'i Myanmar amin'ity indray mitoraka ity ? », misy ihany ny singa vitsivitsy heveriko fa manan-danja.
Toa tsy misy idiran'ny hoe politika inona sy kandidà iza no tian'ny olona ilay fifidianana nolazaina. Hita kokoa ho fifampitolomana eo amin'ny rafi-panjakana masina telo izy ity dia ny : Vondrona menavazana, Olona iray manana ny mahaizy azy ary ny Foko.

Ny antoko manohana ny fitondrana no voalaza ho ‘vondrona menavazana’ eto; ny ‘olona manana ny mahaizy azy’ indray dia i Aung San Suu Kyi; ary ny farany ny antoko Shan no voalaza ho ‘Foko’ eto.

Horakoraka an-dalambe tamin'ny filazana fa nandresy tamin'ny fifidianana ampahany ny mpanohitra. Saripika dawn-1o9

Mizara ny tsikariny nandritra ny androm-pifidianana i dawn_1o9

Yesterday, I went to Mingalar Taung Nyunt with a few of my friends to watch the vote-counting. Mingalar Taung Nyunt is one of the townships in Yangon where the by-election took place.

My township wasn't included in the election process so I came and watched at another township.

There were such a crowd near the poll stations. It was just like there was a festival!

Niaraka tamin'ny namako hijery ny fanisam-bato tao Mingalar Taung Nyunt aho omaly. Iray amin'ny fokontanin'i Rangoon nisiana fifidianana ampahany i Mingalar Taung Nyunt.
Tsy nifidy ny fokontany nisy ahy ka nojereko izay nitranga tany amin'ny fokontany hafa.
Maro dia maro tokoa ny olona teo akaikin'ny biraom-pifidianana. Sahala amin'ny hoe misy fety

Faly tamin'ny valim-pifidianana i ClimbUpTreesToLookForFish

So overwhelmed with hope and love for the people who have waited so long for this day to come. I am holding on hope that we are indeed out of the woods, and onto the fair and just path to democracy.

Heniky ny fanantenana sy ny fitiavana ieo olona efa niandry ela dia ela ity andro ity. Mifikitra amin'izany fanantenana izany aho indrindra fa efa tafavoaka ny ala, ary an-dalana mankany amin'ny demokrasia

Indreto ny tatitra avy amin'ny ekipa mpanara-maso ny fifidianana

A soldier from a battalion, based in Lashio, says his freedom to exercise his right, like others in the unit, was forfeited when his superiors took the responsibility to tick his ballot paper.

One SNDP monitor commented that many Shans don’t have ID cards, because they used to be expensive and also many Shans didn’t think they need to go anywhere outside Lashio. “Now that the IDs are cheaper, about 5,000 kyat, and we need their support, the people must be encouraged to obtain ID cards from now on,” he said. “On the other hand, ethnic Chinese, both native and alien, are buying ID cards at more than 100,000 kyat each. This trend will grow, if it is not kept in check.”

Tsy afa-nampihatra ny zony ny miaramila iray sy ny iray vondro-tafika aminy maro, tao amin'ny toby iray miorina ao Lashio, raha nilaza ny hampihatra ny zony izy saingy ny lehibeny no naka ny taratasim-pifidianana sy nanao vokovoko tamin'ny anarany.

Nanamarika ny mpanaramaso iray avy ao amin'ny SNDP (antoko Shan) fa maro ny Shans tsy manana kara-panondro noho ny halafon'ny fikarakarana azy hatramin'izay ary mieritreritra ihany koa ry zareo fa tsy hivoaka ny faritr'i Lashio ka tsy ilaina loatra ny fananana izany. “Ankehitriny efa mihamora izany, eo ho eo amin'ny 5000 kyat eo, ary mila ny fanohanan'izy ireo izahay; tokony ampirisihana manomboka izao ny mba hananan'ireny olona ireny kara-panondro” hoy ny nolazainy. “Etsy ankilany ny shinoa fiaviana na teraka teto na ireo vao tonga, mahasahy mividy kara-panondro mihoatra ny 100 000 kyat isanisany. Mbola hitombo izany fironana izany raha tsy voafehy”

Manolo-kevitra hisian'ny fanitsiana ny lalam-pifidianana Ny fikambanana aziatika hisian'ny fifidianana malalaka

Large discrepancies in the voters’ list, attempt to misuse official machineries at the village and district levels by some ruling party candidates, lack of voter education all added to the list of apprehensions, which puts a question mark on the efficiency and management of the electoral process.

Moreover, despite the presence of international observers irregularities still occurred. This indicates the importance of a full-fledged and well-prepared “independent” international observation mission in 2015 general elections.

Fahadisoana maro hita ao amin'ny lisi-pifidianana, fikasana hanodina ny fitaovana eny anivon'ny tanàna madinika sy ny distrika avy amin'ny kandidàn'ny antoko mitondra, tsy fahampian'ny fanabeazana ny mpifidy ankoatra ny tahotra isan-karazany, izay mamela dia eo amin'ny fahombiazana sy ny fandrindrana ny fombafombam-pifidianana.
Ankoatra izany, mbola nisy ihany ny fandikan-dalàna isan-karazany na dia eo aza ny mpanaramaso iraisampirenena. Mampivoitra ny filàna iraka mpanara-maso iraisampirenena (maharaka ny birao rehetra) “mahaleo tena” sy tsara omana mandritra ny fifidianana ankapobeny amin'ny 2015 indrindra izany.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.