Sarimiainan'ny Departemantam-Panjakana US Miresaka Ny “Lambam-baravarana Nomerika” Ao Iran

Tamin'ny hafatra nalefa ho an'ny Iraniana noho ny fankalazana ny Nowruz, taombaovao Iraniana tamin'ny 20 Martsa 2012, niampanga an'i Iran ho mamorona “Lambam-baravarana nomerika” manakana izay vaovao sy hevitra rehetra avy any ivelany tsy hiditra ao amin'ilay firenena ny filoha Barack Obama. Ankehitriny, namoaka sarimiaina milazalaza momba ny lambam-baravarana elektronika tao amin'ny Youtube ny Departemantam-Panjakana US misahana ny fandaharan'asa momba ny Fampahalalam-baovao Iraisampirenena ary manaika ny aterineto mba hampita ny hafatra. Nandrisika tamin'ny alalan'ny fampiasana ny tenifototra #ConnectIran izy ireo.

Misy amin'ny teny Espanola sy Frantsay, Sinoa, ary Rosiana ny lahatsary.

Nanambara ny Departemantam-Panjakana US Misahana ny Tahirim-Bola fa alefahana ny sazy amin'ireo tolotra aterineto sasany tamin'ny 20 Marsa. Tsidiho ny resadresaka niarahana tamin'ny Iraniana [amin'ny teny malagasy] : Hitondra Fiovàna Ve Ny Fanalefahana Ny Sazy Amin'ny Aterineto?

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.