Syria: Voasambotra tany Damasy i Safana Baqleh, ilay “Harpan'ny Fahafahana”

Rehefa voasambotra i Rima Dali ny 9 Aprily noho ny fihazonany sora-baventy mirakitra ny teny “Aoka izay ny famonoana. Te-hanangana firenena iray ho an'ny Siriana rehetra izahay”, dia i Safana Baqleh no olona voalohany indrindra nihazakazaka hiaro azy sy niezaka hanakana ny mpitandro filaminana haka azy hiaraka amin'izy ireo. Voasambotra ihany koa izy noho izany fikasana izany, niampy ireo mafana fo hafa nanao hetsi-panoherana tamim-pilaminana manoloana ny Parlemanta Siriana. Navotsotra i Rima Dali ny 10 Aprily, fa i Safana kosa dia mbola voatàna, toy izany koa ireo mafana fo Hussam Dahna, Ali Zain ary Assem Hamsho.

Mpitendry zava-maneno i Safana Baqleh, 30 taona. Mitendry vavandrafitra (harpe) izy ary fantatr'ireo namany amin'ny anarana hoe “”Vavandrafitry ny Fahafahana”. Tokony niakatra an-tsehatra tany amin'ny Trano Fanaovana Opera any Damasy izy ny 11 Aprily. Mpianatra nisongadina nivoaka tao amin'ny Ambaratonga Ambonin'ny Mozika any Damasy izy ary manana mari-pahaizana amin'ny teny Anglisy sy ny literatiora. Mpino tanteraka ny hetsi-panoherana tsy misy herisetra i Safana ary mpikambana ao anatin'ny Nuwab Shabab (Tanora Mpikambana ao amin'ny Parlemanta),  fikambanana iray manandratra ny fisian'ny tanora ao anatin'ny parlemanta. Mpirotsaka an-tsitra-po ao amin'ny Tsinambolana Mena Arabo Syriana (mitovy amin'ny vokovoko mena) ihany koa ny tenany hatramin'ny 2001.

Safana Baqleh, ilay "Vavandrafitry ny Fahafahana". Sarin'ny Activist News Association (Fikambanan'ny Gazetin'ny Mafana fo) on Facebook

Tsy mahalala ny toerana misy an'i Safana na ny zavatra iampangàna azy ireo mafana fo, nefa tsy manakana azy ireo hiahiahy ny mikasika azy izany. Nanokatra pejy Facebook ireo namany mba hizarana vaovao mikasika ny fitanana azy sy ny fitakiana ny famoahana azy. Azonao arahana ny vaovao farany momba ny fitazonana azy amin'ny tenifototra #freesafana ao amin'ny Twitter.

Nirotsaka an-tsehatra ireo fihetsiketsehana sy ireo fitokonana tamim-pirahalahiana amin'ny Safana, Hussam Dahna, Ali Zain, Assem Hamsho sy ireo Siriana rehetra voatàna hatramin'ny niandohan'ny famoretana nifono herisetra nataon'ny ny fitondrana manoloana ireo endri-panoherana rehetra. Mampiseho ireo mafana fo mitazona sorabaventy mirakitra ny teny hoe  “Aoka izay ny famonoana. Te-hanangana firenena iray ho an'ny Siriana rehetra izahay”  ity lahatsary manaraka ity, tanatina toeram-pivarotana any Damasy ny 11 Aprily.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.