Podcast Global Voices: Ny Lafy Tsara Sy Ny Lafy Ratsin'ny Fanentanana Antserasera

Global Voices Podcast HomepageSubscribe in iTunes

Miarahaba ny rehetra !

Tongasoa eto amin'ny podcast vaovao an'ny Global Voices. Amin'ity andiany ity, miaraka amintsika eto ny mpiara-manentana amiko Yazan Badran, mpanoratra ao amin'ny Global Voices Syrie monina ao Japana. Ny lohahevitra amin'ity volana ity : Ny lafy tsara sy ny lafy ratsin'ny fanentanana ankapobe amin'ny valantserasera [Amin'ny teny anglisy ny rohy sy ny feo].

Ny fahitana ny Kony 2012 tao Afrika

Tamin'ny volana lasa, hitanay fa niadian-kevitra be indrindra tao amin'ny Twitter, Facebook ary ny tambazotra sosialy  ny iray tamin'ireo fanentanana tamin'ny valantserasera . Nanjary nifandray tamin'ny lahatsary misy ny asa ratsy nataon'ilay mpamono olona ogandey Kony Joseph ny fanentanana “Kony 2012, izay hitan'ny olona an-tapitrasany. Fomba tsara nanasongadinana ny olana ve izany? Nandrakitra ireto fanehoan-kevitra maromaro ireto izahay.

Azo tsikeraina aminà teboka betsaka izany tetikasa izany, indrindra raha araka ny fijerin'ireo Ogandey.

Mpanao gazety ogandey i Rosebell Kagumire, no sady mpamahana bolongana ary mpanoratra ao amin'ny Global Voices online, monina ao Kampala izy. Tonian-dahatsoratra ao amin'ny Channel16 (Fantsona 16) izy, vohikalam-baovaon'ny mpamahana bolongana hitantarana momba ny ady sy ny vaovao mikasika ny maha-olona.

Raha nahita ny lahatsary Kony 2012  i Rosebell, dia nandrakitra lahatsary somary mahavariana tanteraka tao amin'ny YouTube izay nahitana mpitsidika maherin'ny 500 000 [mpitsidika maherin'ny 590 000 tamin'ny 10 aprily]. Mizara ny heviny amintsika momba ny fihetseha-pony voalohany izy.

Tsy nankato ny fanentanana momba ny Kony ireo olo-pirenena tao amin'ny firenena maro ao Afrika.

Femi Adesina dia Britanika teratany Nizerianina, mana-pahaizana momba ny tranonkala sy ny teknolojia, izay mamaritra azy ho toy ny “Afrikanina any ampielezana”. Manaiky izy fa ahitana olana ny fanentanana momba ny Kony 2012, saingy nihevitra kosa izy fa tsy dia tsara loatra ny mitsikera raha manana fikasana tsara ny olona  nikarakara ny fanentanana.

Mbola mahasoa foana ve ny fanentanana atao amin'ny valantserasera ?

Tsy zava-baovao ny fikarakarana fanentanana antserasera. Mety ho fomba tsara hahazoana hevitra avy amina loharano maroloha izany, sy hisarihana ireo mpilatsaka an-tsitrapo ary hanangonam-bola ihany koa. Nanamafy i Yazan fa nahitam-pahombiazana tanteraka ny hetsi-panoherana (antserasera) ny volavolan-dalàna SOPA tao Etazonia. Nanome vaovao izany hetsi-panoherana izany ary nampahafantatra ny olo-pirenena ny amin'ny loza momba ny sivana atao amin'ny aterineto.

 

Nametraka fanontaniana tamin'ny mpikambana ao amin'ny Global Voices izahay mba handraisana ny hevitr'izy ireo momba ny fanentanana antserasera. Misaotra an'i Asteris Masouras ao Gresy, Lova Rakotomalala ao Madagasikara, Mohamed Ragab ao Ejypta, Rana Khattab avy any Palestina (monina ao Arabia saodita) ary i Mohammed Adel avy ao Yémen tamin'ny nanehoany ny fijeriny.

Fanentanana te-hisarika ny sain'ny olona momba ny fihetsiketsehana sy ny herisetra miseho ao amin'ny firenena ny Unite for Syria (Miray ho an'i Syrie)  ka hanentanana ireo mpiserasera manerana izao tontolo izao mba handrakitra ny sarin'izy ireo ho fanehoana ny fanohanana ny Syriana. Tarek Amr,  injeniera sy mpanoratra ao amin'ny Global Voices ao Kairo, Éjipta, nilaza betsaka momba izany nandritra ity fanentanana ity izay tafiditra ihany koa tao anatin'ny vaovao malaza manerantany.

Serasera mivelatra ho an'ny fikambanana mpanao asa soa sy ny ONG

Mifanandrify amin'ny fanentanana iraisana, miara-miasa akaiky amin'ny fanentanana antserasera miaraka amin'ny fikambanana tsy mitady tombombarotra sy ny fikambanan'ny mpikatroka ny orinasa sasany eo amin'ny sehatry ny serasera mivelatra . Boyd Neil no tale sy tompon'andraikitra nasionaly amin'ny fampiharana, talen'ny valantserasera sy ny serasera nomerika ao amin'ny orinasa Hill & Knowlton Stratégies ao Kanada. Nilaza izy fa zavakanto tsy mora ny mifehy ny tontolon'ny aterineto.

Toa hita fa tsy dia mitovy hevitra firy ny vahinintsika tamin'ity andiany podcast ity mikasika ny fijeriny ny zava-bita tamin'ny fanentanana ny Kony 2012, saingy amin'ny ankapobeny kosa, manaiky izy ireo fa manampy amin'ny fanamafisana ny hafatra amin'ny fomba tsara ny valantserasera.

Eny, miankina amin'ny fomba fandrefesanao ny fahombiazana ny rehetra. Tsy voatery hahazo ny vokatra iriana ny fanamafisana ny hafatra ivelan'ny sehatra virtoaly.

Misaotra anao nihaino !

Antenainay fa nankafizinao ity andiana podcast ity. Fisaorana lehibe ho an'i Yazan noho ny fiara-miasa matotra sy mahafinaritra niarahana taminy, fisaorana ihany koa no atolotra ireo vahiny, liam-baovao tsara sy mamirapiratra hatrany.

Podcast  an'ny Global Voices : “maneho hevitra izao tontolo izao” no teny filamatra, antenainay fa nihaino ianao!

Teo amin'ny lafiny Mozika

Nandritra ny podcast, afaka mihaino mozika maro mahafinaritra ianao izay nahazoan-dalana tamin'ny alalan'ny Creative Commons. Misaotra an'i Mark Cotton tamin'ny famoronana nataony ary misaotra ihany koa ireo feo mahafinaritra sy ireo olona nanampy tamin'ny fanatontosana miaraka ity andiana podcast ity. Ny podcast Global Voices : maneho hevitra izao tontolo izao, mino izahay fa mihaino ianao !

Global Voices Podcast HomepageSubscribe in iTunesGlobal Voices Podcast HomepageSubscribe in iTunes

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.