Tonizia : Maro Ny Naratra Tamin'ny Fifandonana Nandritra Ny Andron'ny Maritiora

Tena nalahelo tokoa ny 6 Aprily 2012 teo ny mpiserasera ao Tonizia sy ireo vondron'olona mafana fo, noho ny nanakanan'ny polisy ilay hetsi-panoherana nokasaina atao ho fahatsiarovana ireo Maritiora. Nitranga izany andro vitsy monja taorian'ny fidinana an-dalamben'ireo tanora tsy an'asa izay noravan'ireo polisy an-kerisetra.
Niomana ny hanohitra ilay fanakanana tao amin'ny lalamben'i Habib Bourguib ireo mpanao hetsi-panoherana tamin'ny fanombohan'ny hetsik'izy ireo teo amin'ny lalamben'i Mohamed V. Nanao izay anaparitahana ny olona tamin'ny alalan'ny entona mandatsa-dranomaso, kibay, ary kibay misy herinaratra ireo polisy tamin'izany. Voadaroka tao na mpikambana sasany tao amin'ny Antenimieram-pirenena, na mpanao gazety, na bilaogera, na mpahay lalana ary mafana fo maro. Naneho ny fahatezerany, alahelony, sy ny fahatsapana ho efa nahita ny toy izao ny mpiserasera.

Mpanao fihetsiketsehana voahodidin'ireo polisy tao Tunis ny 09 Aprily 2012,sary avy amin'ny mpampiasa Flickr Amine Ghrabi (CC BY-NC-SA 2.0).

Entona mandatsa-dranomaso eny amin'ny rivotra. Sary avy amin'ny mpampiasa Flickr Amine Ghrabi (CC BY-NC-SA 2.0).

Nandefa bitsika toy izao ilay mpanoratra ao amin'ny Global Voices Afef Abrougui :

@AfefTN: عيد شهداء حافل بالغاز المسيل للدموع ‎#9avril‪ #tunisie‪
Andro natokana ho an'ireo maritiora, feno entona mandatsa-dranomaso ‏‪#9avril #tunisie

Ireo mpanao hetsi-panoherana mitsoaka entona mandatsa-dranomaso tao Tunis. Sary avy amin'i Lina Ben Mhenni (CC BY-NC-ND 3.0).

Entona mandatsa-dranomaso manerana ny rivotr'i Tunis. Sary avy amin'i Lina Ben Mhenni (CC BY-NC-ND 3.0).

Nandefa bitsika Ilay mpampiasa Twitter Tunisienne Libre (@Fleursdecactus) fa miely eny an-dalambe hafa koa izany herisetra izany :

@Fleursdecactus: C'est le chaos à Jean Jaures, av. de Paris, rue de Marseille… Poursuites, agressions, lacrymo.

Korontana tanteraka ao Jean Jaures, lalamben'i Paris, lalamben'i Marseille…enjika, vono, entona mandatsa-dranomaso.

Ireo mpanao hetsi-panoherana mifindra avy amin'ny lalambe iray mankany amin'ny iray. Sary avy amin'i Lina Ben Mhenni (CC BY-NC-ND 3.0).

Fifandonan'ireo polisy tamin'ireo mpanao hetsi-panoherana tao amin'ny lalamben'i Mohamed V tao Tunis. Sary avy amin'i Lina Ben Mhenni (CC BY-NC-ND 3.0).

Nanoritsoritra ny zavanitranga i Slim Amamou,  bilaogera lehibe ary mpanorina ilay antoko Piraty ao Tonizia :

@slim404: #9avril Le nombre de bras fracturés est anormal. Il y a qlq chose qui a changé dans l'équipement ou les méthodes de la police

Tsy araka ny tokony ho izy Ny isan'ireo tanana tapaka. Nisy zavatra niova teo amin'ny fitaovan'ireo polisy ireo na ny fomba fiasany

Voadaroky ny polisy ary voatery naiditra hopitaly i Fatma Riahi, fantatra amin'ny anarana hoe Fatma Arabicca, bilaogera lehibe ary mpanorina ilay Fikambanan'ny Bilaogera Ao Tonizia. Ao amin'ito lahatsary ito [Ar]no hanazavany ny zava-nitranga :

nanakiana ny fanamarinantenan'ny Governemanta i Afef Abrougui tamin'ny filazan'izy ireo fa voarara ny manao hetsi-panoherana eny andalamben'ny Habib Bourguiba, noho ny fiarovana ny resaka fandraharahana sy ny fisintonana mpizaha tany :

@AfefTN : mpanao hetsi-panoherana, Mpikambana ao amin'ny Parlemanta, mpanao gazety,mafana fo & mpianatra ho mpitsabo no voadaroka tao anatin'ny 2 andro tao #Tunis | fomba tsara hisintonana ireo mpizaha tany kosa ry Governemantan'ny tsy misy saina #9avril

Namoaka lahatsoratra mitondra ny lohateny hoe “Pandora's Box” ny Bilaogera Keyser Söze :

Le 9 avril 2012 restera un jour triste  dans la mémoire de tout tunisien.  Il portera  à jamais la marque de l’ingratitude des autocrates en poste envers le  peuple qui les a libérés.

Hitoetra ho andro manjombona hatrany ao an-tsain'ny Toniziana tsirairay ny 9 avrily 2012. Ary hitoetra mandrakizay ny tsy fahaizan'ny mpanao didy jadona mitana toerana isan'ambaratonga mankasitraka ny vahoaka nanafaka azy ireo.

Nanampy toy izao izy :

Toute la panoplie de la répression de l’aire dictatoriale  a été employée pour casser du Tunisien.  Ils ont même eu recours à l’aide de milices inconnues comme à la belle époque.

Natao hamotika ilay atao hoe Toniziana ny famoretana rehetra mahazatra ny mpanao jadona teo amin'ny tantara. Tonga hatramin'ny fiantsoana milisy tsy fanta-pihaviana mihitsy aza izany, toy ny tamin'ny andro taloha.

Mampiseho ireo polisy manenjika ireo mpanao hetsi-panoherana sy ny herisetra ataon'izy ireo ity lahatsary manaraka ao amin'ny YouTube ity izay avy amin'i TunisiaTalks.

Nangataka tamin'ny governemanta [fr]hanokatra fanadihadiana mba ahafantarana ny tena tomponandraikitra tamin'izany  Mustapha Ben Jafar, Ilay Filohan'ny Antenimieram-Pirenena. Niala tsiny noho ny fampiasan-kery be loatra natao tamin'ireo mpanao hetsi-panoherana tao amin'ny fahitalavitra, ilay Filoha Moncef Marzouki.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.