Andro Iray Eto An-Tany: Nivoaka Ny Rakikira Niaraha-Mientana Manerantany

Nisy rakikira an-dahatsary iray nivoaka ho fanomanana ny fiaraha-mijery manerantany [mg]  ny sarimihetsika nifarimbonana manerantany One Day on Earth [Andro Iray Eto An-Tany], izay hotontosaina any amin'ny toerana maro samihafa manerana ny planeta mandritra ny Andron'ny Tany (22 Avrily 2012).  Asongadin'ny lahatsary ny mpihira, poety, mpandihy noraketina an-tsarimihetsika nandritra ny fotoana mitovy 24 oran'ny 10 Oktobra 2010, izay niangalian'i Cut Chemist ny fanapatapahana sy ny fanambatambarana azy.

 

The collaborative film One Day on Earth was filmed all on the same day, October 10, 2010, with more than 3,000 hours of footage sent in from all corners of the world, showcasing the amazing diversity, conflict, tragedy, and triumph that occurs in one day. The Global Screening will take place on Earth Day (April 22, 2012) in every country of the world, with the assistance of World Heritage Sites and the United Nations.

 

Notontosaina tamin'ny andro mitovy, ny 10 oktobra 2010, tamin'ny alalan'ny rakitsary mihoatra ny 3000 ora nalefan'ny lafy valon'ny tany, mampiseho ny fahasamihafana mahatalanjona, ady, voina ary fandresena nitranga tao anatin'ny andro iray ny sarimihetsika nifarimbonana One Day on Earth [Andro Iray Eto An-Tany]. Hotontosaina mandritra ny Andron'ny Tany (22 avrily 2012), miaraka amin'ny fanatrehan'ny Toerana Lovan'Izao Tontolo Izao sy ny Firenena Mikambana, any amin'ny isam-pirenena any kosa ny Fiaraha-mijery Manerantany

 

Ny hira ao amin'ny lahatsary dia noraketina avy tany India, Papoazia New Guinea, Benin, Burkina Faso, Etazonia, Shina, Korea Avaratra, Mongolia, Kenya, Afghanistan, Jamaika, Espaina, Taiwan ary toerana maro samihafa.

Azonao atao ny mamaky bebe kokoa ny momba ny fiaraha-mijery ho avy ao amin'ny lahatsoratra efa navoakanay taloha amin'ny teny malagasy (ihany koa) mitondra ny lohateny hoe Indray Andro Eto An-tany: Fiaraha-mijery Ireo Horonan-tsary Niarahan'Izao Tontolo Izao Naka [mg] ary azonao isoratana anarana hijerena azy ao an-tanànanao na ao amin'ny vohikalan'ny One Day on Earth.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.