Tonizia: Entona Mandatsa-dranomaso Sy Kobay Hanaparitahana Ireo Mpanao Fihetsiketsehana Tsy An'Asa

Nikarakara hetsi-panoherana any amin'ny vohitr'i Tunis ny Fiombonan'ireo Manana Diplôma Tsy an'asa ny 7 Aprily 2012. Nampiasa entona mandatsa-dranomaso sy kobay ny mpitandro filaminana hanaparitahana ireo mpanohitra rehefa nikasa ny handika ny fandraràna hanao fihetsiketsehana tao amin'ny Lalambe Habib Bourguiba, Lalamben'ny renivohitra, izy ireo. Nisy naratra maro  voatatitra.

Nilaza ny Minisitry ny Atitany, tanatina fanambarana navoaka ny 7 Aprily, fa nitora-bato ireo mpitandro filaminana ireo mpanohitra, ary niezaka hakany amin'ny Lalambe “an-katerena”.

Mpanohitra naratra. Sarin'ny ‏Albadil.org

Mampisongadina ny firotsahana an-tsehatry ny mpitandro filaminana ity lahatsarin'i TunisiaTalks ao YouTube manaraka ity. Mampiseho ireo mpandalo sempotry ny entona mandatsa-dranomaso, sy mpanohitra sasany maratra ity lahatsary ity.

Efa Hita?

Mpitandro filaminana mampiasa kobay hanaparitahana ireo mpanohitra. Sarin'i Ali Garboussi.

Nampahatsiahy an'i Sameh ny vanim-potoanan'i Zine El Abidine Ben Ali ny herisetra nataon'ny mpitandro filaminana. Nitoraka bitsika izy:

@sameh_b: #Tunisie dictature en marche… Av. Habib Bourguiba!!! Des milices avec des bâtons qui tabassent les manifestants!! Un air de déjà-vu!!!

Mandeha ny didy jadona ao Tonizia…Lalambe Habib Bourguiba!!! Midaroka ireo mpanohitra ny mpitandro filaminana mitana kobay!! Rivotra efa fahita!!

Tsy izy irery no nahatsapa izany. Nitoraka bitsika i Zarzouki:

@ja3far2012: Raisons bidon “pr proteger les commercants et ne pas gener la circulation” le meme language que ZABA #tunisie

Antony tsy misy dikany “hiarovana ireo mpivarotra, sy hialàna amin'ny fitohanan'ny fifamoivoizana” – mitovy fiteny amin'i ZABA [solon'anaran'ny Filoham-pirenena Zine El Abidine Ben Ali]

Vahaolan'ny tsy fisian'ny asa ve ny Famoretana?

Mpanohitra iray naratra. Sarin'i Ali Garboussi.

“Tsy fisian'ny asa, fahafahana, sy voninahi-pirenena”, teny filamatra nampiasaina nandritra ny fikomiana nisy tao Tonizia tamin'ny 2011. Dimy ambin'ny folo taona taorian'ny niafaran'ny 23 taona nitondran'i Zine El Abidine Ben Ali, mbola maro amin'ny vahoaka no mangataka asa. Na eo aza ireo toky nomen'ny governemanta mpisolo toerana tarihan'ny antoko Islamista Ennahdha ny amin'ny hamoronana asa 400 000, tsy midina ny isan'ireo tsy an'asa. 18,9 % ny salan'isan'ny tsy an-asa araka ny fanadihadiana farany navoaka ny faran'ny Febroary 2012.

Namoaka lahatsoratra antsoina hoe the Tunisian way to face unemployment (Ny fomba Toniziana miatrika ny tsy fananan'asa) ny mpitoraka bilaogy Bassem Bouguerra, ary nanamarika ny fampiasan'ny governemanta hery famoretana mba hamahana ny olan'ny tsy fananan'asa:

Noho ny fahatezerana sy ny fahaverezam-panahy, nidina an-dalambe ireo manana diplôma nefa tsy an'asa 400 ny 7 Aprily mba hampisehoan'izy ireo ny tsy fahafaliam-pony amin'ny fanehoan'ny governemanta ny famahana ny olan'ny tsy fisiana asa. Nanapa-kevitra ny hanomboka ny hetsi-panoherana any amin'ny foiben'ny Fiombonamben'ny Mpiasa Toniziana(UGTT) izy ireo ary hizotra hatrany amin'ny Lalambe Habib Bourguiba […] Tsy afaka mifanatrika amin'ireo mpanohitra hanome toky vaovao ny governemanta tsy afa-nihetsika noho ny sedran'ny tsy fisian'asa. Leo an'izany ny Toniziana. Tsy afaka mandamina azy ireo ihany koa izy satria tsy manana vahaolana. Mampiasa ny vahaolana mora izy noho izany: ny famoretana. Rehefa namindra mankany amin'ny lalambe Habib Bourguiba ireo mpanohitra, nampiasa ireo paikady sahala tamin'ny vanim-potoanan'i Ben Ali, mba hamoretana sy hanaparitahana ny vahoakabe ny mpitandro filaminana.

Fandratrana ny voninahitr'ireo tsy an'asa

Nilaza i Salah Ben Omrane anatina lahatsoratrana bilaogy [Fr] navoaka ny 8 Aprily fa fandratrana ihany koa ny voninahiny ny fandratrana olona tsy an'asa :

taper sur quelqu’un qui ne demande qu’un emploi, c’est s’attaquer à sa dignité! Aucune raison ministérielle ne peut le justifier et aucune morale ne l’approuve .

midika ho manohintohina ny hajany ny fidarohana olona mba mitady asa! Tsy misy antony avy any amin'ny minisitera afaka hanamarina izany, ary tsy misy fisainana afaka hanaiky izany

Ny tsy fananana asa: Mampidi-doza tanteraka?

Talohan'ilay teny filamatra malaza “Ndana andeha any i Ben Ali”, nikiaka hoe “Zo ny fananan'asa, ry ilay jiolahy ireto [ny antokon'i Ben Ali]”, sy “Fananana asa, fahafahana, ary voninahi-pirenena” ireo mpanohitra. Fototr'ilay fikomiana tany Tonizia tamin'ny 2011 ny tsy fisian'ny asa,  nokarakarain'ireo tanora tsy an'asa, izay voalohany nidina an-dalambe sy niatrika ny herisetran'ny mpitandro filaminana. Mbola mampitahotra ihany ve ireo tsy an'asa? Mampidi-doza ho an'ny governemanta mpisolo toerana amin'izao fotoana, izay voatendry efa-bolana lasa izay ve izy ireo?

Araka ny nolazain'i Zarzouki:

@ja3far2012: Simple: Ils ne repriment que ceux qu'ils trouvent dangeureux!

Tsotra: ireo eritreretiny ho mampidi-doza ihany no hanehoany ny hery famoretana!


Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.