Lahatsary: Fandripaham-behivavy Sy Kilongavavy Any Shina Sy India

Eo amin'i India sy i Shina, 200.000.000 ny isan'ny zazavavy “manjavona” noho ny fanalan-jazarano vavy na noho ny fandaozana sy famonoana kilongavavy. Maro ny lahatsarim-panadihadiana na vaovao mitatitra ity tranga ity, miezaka ny hanazava ny anton'ny fanavakavahana ara-pananahana ity ary mitady ny zavatra azo atao momba azy ity.

Screenshot from the Trailer of It's a Girl

pikatsarin efijerin ny It's a Girl

Amin'ny “Voambolana telo mahafaty indrindra eto an-tany”, ny lahatsarim-panadihadiana “It's a Girl” (Vavy io) no iray amin'ireo maro manazava amin'ny alalalan'ny tafatafa sy olona indramina ny antony “mampanjavona” ny zazavavy 200.000.000 any India sy Shina, ka mahatonga ny tsy fisian'ny katroka hiatrehana ity olana ity.

Born to Die (Teraka ho faty) indray dia lahatsary mamotopototra ny fitomboan'ny famonoana zazarano (vavy) sy zazavavy kely ao amin'i India maoderina.

Poh Si Teng ao amin'ny Global Post ihany koa dia manana lahatsary ahitana ny fifandraisana eo amin'ny milina ekôgrafia, fijerena ny fananahan'ny zaza ary ny fandripahana zazarano vavy, ary manontany raha mahasakana ny fanalanjaza voafantina fisiana lalàna mandrara ny milina ekôgrafia finday any India:

Nisy fanadihadiana nivoaka tao amin'ny BBC tamin'ny 2007  miresaka ny momba ny zazavavy manjavona sy momba ireo olona miezaka ny hamotika ny kolontsaina lalimpaka mahazo ny sarangam-piarahamonina sy ara-toekarena rehetra any India: ny fanindrahindrana ny lahikely sy ny fieritreretana fa tsy ilaina ny manabe ny vavikel. Ny fanadihadiana izay nozaraina telo dia azo jerena an-tserasera (1, 2, 3) Fikambanana iray miezaka ny hanova zavatra ny Aarti Home in Kadapa (Trano Aarti ao Kadapa) , izay mandray ireo zaza nariana, izay vavikely ny ankamaroany satria vavy ireo sady miresaka sy mampahery ireo vehivavy bevohoka hiteraka vavy atsy ho atsy tsy hanaisotra azy an-tenatenandalana no hitia ny zaza ihany koa.

Manantena ny Trano Aarti ho trano ho an'ny zazavavy nariana noho ny maha-vavy azy sady manao izay ananany toera-ponenana azo antoka.  Ao amin'ny voalohany indrindra amin’ity lahatsary manaraka ity, zatovovavy iray miresaka momba ny fatiantoka sy ny fahasarotana mianjady aminy satria vehivavy izy :

Mpanoratra tantara foronina Shinoa-Amerikana malaza manerantany Anchee Min, izay mametraka ny toetram-behivavy ao amin'ny tantarany ho manana ny fiavahany sy ny maha-izy azy dia nanaiky ato amin'ity lahatsary manaraka ity ny tsy mba naniriany hanana zanaka vavy, ary nandritra ny nitondrany vohoka dia nanantena miafina fa ho lahy ny zaza na dia eo aza ny nambaran'ny ekôgrafia sy ny fitsapana isankarazany satria “Iza no te-haka ny toeran'ny vehivavy ao Shina?”

Ny haino aman-jery ao Taiwan koa manadihady ny fiantraikan'ny tsy fifandanjan'isan'ny lahy sy ny vavy ao Shina vokatry ny politikan'ny zaza tokana sy ny fanomezan-danja kokoa ny lahy mihoatra ny vavy amin'ny alalan'ity rakikira  No Girls Born (In china Anymore) ity

So there are no girls born, in China anymore
I feel so forlorn, with nobody to keep me warm
Confucian culture scorns daughters in favor of sons
So there are no girls born and I'm doomed to be just one

My parents chose me in utero to carry on the family name
But if I can't find a bride I'll be carrying nothing but shame
You gotta be tall, educated, and own your own house
miss one out of three, you won't find a spouse

Ka tsy misy intsony ny zazavavy teraka ao Shina
Mahatsiaro manirery, tsy misy olona hanafana
Ny kolontsain'i Confucius manambany ny zanaka vavy misafidy ny zanaka lahy
Ka tsy misy intsony ny zazavavy teraka dia voaozona hanirery ahoNisafidy ahy talohan'ny nahaterahako ny raiamandreniko hitondra ny anaram-pianakaviana
Saingy tsy mahita fofombady aho ka tsy hitondra afa-tsy henatra
Tsy maintsy olona goavana, manampahaizana ary manana ny tranony manokana
Fa raha tsy manana ireo telo ireo tsy hahita vady

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.