Ejypta: Ny Karapanondronao, Ny Zonao Ry Vehivavy

2 Million IDs

Karapanondro 2 tapitrisa ho an'ny vehivavy 2 tapitrisa

Araka ny tarehimarika avy any amin'ny Ministeran'ny Atitany Ejypsianina, mahatratra 4 tapitrisa ireo vehivavy eto amin'ny firenena no tsy manana  kara-panondro. Ny vehivavy tsy manana kara-panondro dia tsy manan-jo hanan-tany, tsy afaka mividy na mivarotra tapakilan-drenivola ary tsy afaka mandova raha misy ny fahafatesana eo amin'ny fianakaviana. Mandrara ny vehivavy tsy hiditra amina karazana raharaham-panjakana ihany koa ny tsy fananana karapanondro, anisan'izany ny fampianarana, ny fahasalamana, ny zo hifidy sy ireo zo fototra ara-tsosialy hafa. Ary noho izany indrindra no nanombohana ny fanentanana izay mikendry ny hampanana karampanondrom-pirenena ho an'ny vehivavy rehetra.

Antsoina hoe “Ny karapanondronao, Ny Zonao” “Your ID, Your Rights” ny fanentanana ary ny tanjona dia ny hanatontosana karapanandro 2 tapitrisa maimaimpoana ho an'ny vehivavy Ejyptiana. Hatomboka amin'ny tetikasa fitaratra mandritra ny telo volana izany.

Araka ny fanentanana ao amim'ny pejy Facebook:

 

المرحلة التجريبية سوف تشمل الـ 3 شهور القادمة (ابتداءا من مارس) و سوف تبدأ في محافظة القليوبية و هي تضم 14 مركز و تهدف أكثر من 40 ألف سيدة لا تملك بطاقة رقم قومي. تم أختيار المراكز التالية فى محافظة القليوبية للمرحلة التجريبية: مركز بنها، مركز قليوب، مركز شبين القناطر ومركز القناطر الخيرية

Mandritra ny telo volana ny tetikasa fitaratra, ka manomboka amin'ny volana Martsa, ary ao amin'ny governorà Qaliobeya no hanatanterahana izany, izay manana distrika 14, ny tanjon'ny tetikasa fitaratra voalohany dia ny hanomezana karapanondro ho an'ny vehivavy 40.000. Nofidiana tao Qaliobeya ireo distrika manaraka ireto mandritra ny tetikasa fitaratra voalohany: Benha, Qalioub, Shebin El Kanater ary ny distrikan'i El-Kanater El-Khayreya.
Female Illiteracy in Egypt
Sary avy amin'i Ilene Perlman.

Araka ny filazan'ny tatitra avy amin'ny Firenena Mikambana tamin'ny taona 2006, tsy mahay mamaky teny sy manoratra ny 41% ny vehivavy efa lehibe ao Ejypta.

Tsy ity no fanentanana voalohany hiezahana hanatrarana ny tanjona mitovy amin'izao fotoana, na dia izany aza, ity indray mitoraka ity dia nahazo fanohanana avy amina ONG isan-karazany, anisan'izany ny  UN Women (United Nations Entity for Gender Equality sy ny Empowerment of Women) (Sampan'ny Firenena Mikambana Misahana ny Miralenta sy ny Fahaleovantenan'ny Vavy), UNDP (United Nations Development Program(Fandaharan'asan'ny Firenena Mikambana misahana ny Fampandrosoana), MSAD (Ministry of State for Administrative Development(Ministeram-panjakana ho amin'ny Fampandrosoana ny Fitantanana), SFD (Social Fund for Development(Fanampiana ara-tsosialy ho amin'ny Fampandrosoana), MoFA (Ministry of Foreign Affairs(Ministeran'ny Raharaham-bahiny), sy ny sisa hafa. Nampiasa ny fifampitam-baovao sosialy ihany koa ny mpikarakara ny fanentanana mba hampahafantarana bebe kokoa momba ny tetikasa. Nanangana kaonty tao amin'ny Twitter sy Facebook izy ireo ho fanentanana momba ny olana misahana ny miralenta.

Toy izao no nalefan'izy ireo tao amin'ny Twitter:

@Million_ID: تم تصنيف مصررقم 120 من بين 128 دولة علي قياس الفجوة بين الجنسين
@Million_ID: Eo amin'ny laharana faha-120 amin'ny firenena 128 no misy an'i Ejypta mikasika ny tsy fitovian'ny lehilahy sy ny vehivavy.
Your ID, Your Rights

Zonao ny manana karapanondro

Farany, mangataka ny fiaraha-miasan'ny mpiserasera izy ireo amin'ny fanentanana amin'ny alalan'ny fampitana siokantsera na “rettweet” ao amin'ny Facebook sy Twitter.

Indreto ny olona nangatahana hentanin'ny mpiserasera:

@Million_ID: هدفنا اونلاين مش اننا نوصل للنساء في القري و لكن هدفنا هو نشر الوعي للناس من الطبقة المتوسطة و العليا
@Million_ID: Ny tanjontsika amin'ny fidirana aterineto dia ny tsy mampahafantatra ny vehivavy ao an-tanàna, fa manentana ireo sokajin'olona eo no eo sy ny ambony.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.