Global Voices: Mampahafantatra ny Vovonan'ny Fifampitam-baovaon'Olo-tsotra Taona 2012 Hotontosaina ao Nairobi, Kenya

Faly izahay mampilaza ny Vovonan'ny Fifampitam-baovaon'olo-tsotra ao amin'ny Global Voices taona 2012! Ao Nairobi, Kenya no toerana hanaovana izany amin'ny 2-3 Jolay 2012, miara miasa aminay amin'izany ny iHub ao Nairobi.

Tsidiho ny tranokalan'ny Vovonana ahitana vaovao fanampiny momba ny tanjon'ny fihaonana – Alefanay tsy ho ela ny mikasika ny antsipirihan'ny fisoratana anarana sy ny tsara ho fantatra.

Omenay ao anatin'ny andro na herinandro vitsy ny fandaharam-potoana, ny  mombamomba ireo handray fitenenana, ary ny lisitr'ireo hanatrika ary ny zavatra maro hafa — ary aza adinoina ny mijery ny tranonkala mba ahitana lahatsoratra bilaogy na fanehoan-kevitra avy amin'ny mpandray anjara amin'ny vovonana sy ny hafa, mbamin'ny fandraisa anjara amin'ny fifanakalozan-kevitra.

Azo notanterahana ny Vovonan'ny Olo-tsotra Mpampita-vaovao ao amin'ny Global Voices taona 2012 noho ny fanohanan'ireo malala tanana: Google, HivosMacArthur FoundationOpen Society Institute, Adessium FoundationKnight Foundation ary Yahoo!.

Current major sponsors include MacArthur Foundation, Google, Open Society Institute, Knight Foundation and Yahoo!

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.