Azia Atsimo: Isan'Andro Ny Antsika Misy Ora Irain'Ny Tany

Hetsika fanentanana manerantany ny Earth Hour izay karakarain'ny World Wide Fund for Nature (WWF) ary isaky ny Asabotsy faran'ny volana Martsa isan-taona no fankalazana izany. Tamin'ity andro ity, niangaviana ireo tokantrano sy orinasa mba hamono ireo jiro izay tsy ilaina mandritra ny adiny iray mba hanaovana fanairana momba ny fiovaovan'ny toetr'andro. Tanàna sy tanàn-dehibe maherin'ny 5200 manerana ny firenena 135 no namono ny jirony ho amin'ny Ora Irain'ny Tany 2011 ary tamin'ity taona ity, tanàna maro tahaka an'i Dhaka, Bangladesh no nandray anjara ihany koa.

Faritra ahitana firenena marobe mandroso ary mangetaheta angovo [herinaratra] i Azia Atsimo. Olona an-tapitrasany ao India no tsy manana herinaratra, ary hanjakan'ny kolikoly sy ny tsy fahombiazana ny sehatry ny angovo. Betsaka kokoa ny fangatahana amin'izany noho ny tolotra ka maro ireo firenena miaritra ny delestazy (delestazy fantatra mialoha) mba handaminana ny fitsinjarana ny herinatra. Ao amin'ny firenena tahaka an'i Nepal, Pakistan ary Bangladesh, misy delestazy eo amin'ny 4-12 ora isan'andro eo, izay miovaova araka ny zava-misy andavanandro. Manana ny holazainy ny mpiserasera mikasika ny fijeriny ny “ora irain'ny tany” ao amin'ny fampahalalam-baovao sosialy. Raha mangataka famatsiana herinaratra ny sasany, ny hafa kosa manome lanjany ny Ora irain'ny Tany, ny sasany indray mihevitra fa vazivazy fotsiny ihany izany. Ireto tweet manaraka avy amin'ny faritra ireto no mampiseho ny hevitry ny tsirairay.

Bangladesh:

@KaziAhadKader (Kazi A. Kader): “@dailystarnews (vaovao malaza isan'andro) vao voalohany no hanome lanjany ny Ora irain'ny Tany i Bangladesh androany alina …” Nanao izany hatrany izahay talohan'ny nanomezana anarana azy noforonina toy izao.

@shuvo666 (Shuvo Rashid): Tsy mahagaga #Bangladesh no anisan'ny firenena iray mpandala ny tontolo iainana manerantany. Mankalaza ny Ora irain'ny Tany izahay isan'andro, in-12! #Blackout

@irteja (Irteja Ali)‏ Androany, hankalaza ny Ora irain'ny Tany 2012 ny Power Development Board (PDB) amin'ny alalan'ny fanomezana delestazy 12 ora ao Bangladesh.

 

Bhotana:

@AumChang (Aum Chang): nankalaza ny Ora Irain'ny Tany aho androany. Sy omaly. sy afak'omaly. noho ny fanapahana herinaratra nataon'ny BPC, ankafiziko ny #EarthHour isan'andro! #Bhutan

Ora Irain'ny Tany tao Dimapur, Firenena Avaratra-Atsinanana ao Inde. Nampiato ny famatsiana herinaratra ny Sampandraharaha momba ny angovo ao Nagaland ho fankalazana ny Ora iray ny Tany. Sary avy amin'i Sorei Mahong. Copyright Demotix (27/3/2010))

India:

@suyogg (Suyog Gaidhani): Sangy mihoatra ny loha ny Ora Irain'ny Tany ao India.

@MalluJat (Ramesh Menon) mankalaza ny ora irain'ny tany ireo 72% tsy manana herinaratra ao India. Ny 1% ambiny ihany no mamono ny jirony, sy ny fifandraisana aman'olona ary ny hafatra fiarahabana

@RealBharatkumar (Bharat Kumar): Ao India, izay misy ahy indrindra, ora irain'ny tany foana no iainanay isan'andro. Ka ho anareo olona rehetra mamono ny jirony mandritra ny adiny iray, fanaontsika isan'andro izany.

@virenb (Viren Bhandari): Tsy tokony hanahy ny amin'ny ora irain'ny tany ny olona manerantany, heverin'i India avokoa ny zava-drehetra!! #nobizlii here.

Nepal:

@ayushbista (Aron): Vonoy ny jironao azafady ho fankalazana ny Ora Irain'ny Tany !! Andraso !! Aza misahirana ! Efa miaina ny delestazy foana isika na izany aza. Nepal, (Earth Hour Forever) !!

@hardfire (Avinash Kundaliya): isan'andro, mankalaza ny Ora irain'ny tany izahay ao Nepal .. 😛

@cinderellaman23 (SumanK Rajbhandari ): #Nepal no mpanohana lehibe indrindra ny Iray Oran'ny tany noho ny delestazy 🙂

@nazushrestha (Sujan Shrestha): Raha tsy tratran'ny delestazy ianao androany alina, vonoy ny jironao mandritra ny adiny iray manomboka amin'ny 8:30hariva-9:30hariva ho fanohanana ny Ora Irain'ny Tany. #Nepal @tfcNepal #fb

Olona mankalaza ny fandaharan'asa mikasika ny 60+Earth Hour ao Kathmandu, Nepal. Sary avy amin'i Sunil Sharma. Demotix (26/3/2011))

Pakistan:

@adnanrasool (Adnan Rasool): Tsy maintsy holazaiko ity… Nahoana ny orinasa sasany no mandany volabe an-taonina ho fankalazana ny ora irain'ny tany.. mankalaza izany isaky ny ora hafa isika.. #Pakistan

@AzeemUhassan (Azeemullah Hassan ): Arak'izany, tokony hankalazaina manomboka amin'ny 8:30 hatramin'ny9:30 hariva ao #Pakistan Soa ihany fa tsy misy jiro aty amin'ny faritra misy ahy #Karachi amin'io ora io 😛

@Mahamali05 (Maham Ali)‏ Tokony hanome lanjany ny Ora Irain'ny Tany koa ve i Pakistan? Efa mankalaza ny Ora Irain'ny Tany izahay farafahakeliny 6-8 ora isan'andro.

Speak For Change nanoratra tao amin'ny blogpost:

Olana lehibe ny Ora Irain'ny tany ka tsy misy na iray aza tokony hanohitra izany. Olana lehibe indrindra noho ny delestazy izay iainantsika isan'andro manerana ny faritra rehetra ao amin'ny firenena ve ny Ora Irain'ny tany? Olana lehibe noho ny fahaverezana an-tapitrasany mahazo antsika noho ny tsy fisian'ny herinaratra eo amin'ny indostria? Olana lehibe noho ny tsy famatsiana herinaratra eny amin'ny hopitaly ao an-toerana izay misy marary atao fandidiana amin'ny alalan'ny gropy (mpiteraka angovonaratra) satria tsy misy ny herinaratra? Tsy mino aho fa lehibe indrindra noho ireo tranga-javatra tsy tambo isaina ireo ny ora irain'ny tany, satria tsy ho antsika vahoaka miaina ety amin'ny firenena andalam-pandrosoana izany.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.