Bahrain: Mibitsika Manohitra Ny Formula 1

Tsy mandeha ho azy intsony ny tenifototra ao amin'ny Twitter, farafaharatsiny ho an'ireo Bahraini mpampiasa Twitter izay mampiasa tenifototra ho toy ny fitaovana iray hanelezana vaovao mikasika ny hetsi-panoheran-dry zareo hanoherana ny fitondràna iray izay hatreto dia nanolotra azy ireo sarintsarim-panovàna taorian'ny herintaona maninjitra nanaovany hetsi-panoherana. Na dia vitsy amin'ny isa aza ny vahoaka ao Bahrain, dia tena mifandrindra tsara kosa ireo mpampiasa  Twitter ao anaty aterineto, mampiasa ny sehatry ny media sosialy ho toy ny làlan-tokana hitehirizan'izy ireo ny heloka bevava ataon'ny fitondràna amin'izy ireo. Ity hevitra hiresaka betsaka ny tenifototra ity dia nanaomboka tamin'ny fanehoana firaisankina tamin'i  Abdulhadi Khawaja, mafàna fo iray manan ny toerany sady olo-malazan'ny fanoherana, izay voaheloka higadra mandra-maty taorian'ny niampangana azy ho nanandrana nanongam-panjakana ary nitokona tsy hihinan-kanina efa ho herinandro maro. Volana vitsy teo aloha teo, ireo  Bahrainis dia nahavita nametraka tenifototra marobe mba haely erak'izao tontolo izao. Tamin'ny ezak'izy ireo farany, dia naniry hanoratra ho an'ny Formule 1 ry zareo, ilay mpikarakara hazakazaka fiarakodia manana ny lazany, mba hanafoana ny hazakazak'izy ireo tsy handalo ao Bahrain ho hetsika hanoherana ny fanitsakitsahan'ny mpitondra ny zon'olombelona. Ilay hazakazaka dia voaomnana hatao ny 20 hatramin'ny 22 Aprily 2012.

Nanambara ny tenifototra ireo mpampiasa Twitter ao amin'ity kaonty ity @Feb14TT:

@Feb14TT: غردوا على ‬#BloodyF1‪ (#F1Mihoson-drà) mandefasa bitsika amin'ity tenifototra ity ho an'ny ANIO monja !!!

Dia nanaraka ny sisa rehefa nanomboka nibitsika sy nanandrana ny haka ilay tenifototra ireo mpampiasa Twitter mba hamoahana azy eny amin'ny tampony amin'ireo lohahevitra resahana betsaka maneran-tany:

@ROMI14FEB: Tsy dia nahasarika loatra ny sain'ireo mpamaphalala vavao isika ary ankehitriny dia tsy ampy fanajàna ireo maritiorantsika sy ny voafonjantsika noho ny famelàna ny #BloodyF1 hisy eto Bahrain”

@asoolalsayed: Tsy manohana ny #bloodyF1 aho satria io dia mandeha hafatra diso toy ny hoe mandeha TSARA ny zavatra rehetra eto Bahrain raha toa kosa ny mponina ka mangirifiry isan-andro vaky izao.

@MohmdAshoor: mety haharangitra anao ny #BloodyF1, saingy moa va handranitra anao bebe kokoa noho ieo 83 namoy n y ainy?

Marika manohitra ny Formula1 nobitsihan'ny mafàna fo iray @SAIDYOUSIF

Mpanao hetsi-panoherana ao Sitra mitafy akanjo manohitra ny hazakazaka formule 1 ( bitsik'i @SAIDYOUSIF)

Ny olom-pirenena hafa niezaka naneho hoe mahatsiravina toy ny inona moa ny fomba iainana ao Bahrain :

"‏@Mothame: Jereo ny fomba fandraisana an-tanana ataon'ny polisy ny anabavinay, ao anatiny ihany io"

Ny hafa nandefa bitsika ny sarin'ny famelezana amin'ny entona mandatsa-dranomaso, izay nanjary zavatra iainana iray isanandro ho an'ireo Bahrainis.

"@Peacelooving: Bahrain: Manondrana ny tanàna amin'ny entona mandatsa-dranomaso"

"@Alaswad87: Govt -n'i bahrain mamono anay amin'ny fampiasàna entona misy poizina..Tsy vonona ho amin'izay #F1 i Bahrain"

Ary anatin'ny roa minitra monja, dia vitan'ilay teny fototra ny niakatra ho eny amin'ny tampony tamin'ireo tantara resahana be tao amin'ny  Twitter:

"‏@Anarchist74: ofisialy ny maha-lohalaharana ny #BloodyF1"

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.