Espaina: Fitokonana Faobe Taorian'ny 100 Andro Niasan'ny Governemanta

Taorian'ny fahatapahan'ny famatsiam-bola ho an'ny tolotra ara-tsosialy, ny fampianarana, ny fikarohana sy ny fampandrosoana, ny fahasalamana ary ny angovo azo havaoziana, ary indrindra ihany koa ny fikendrena ny mpiasa amin'ilay Fanavaozana ny Lalàna mifehy ny Asa vaovao, izay manamora ny fandroahana mpiasa sy mampihena ny zony ary manome tombony ho an'ny mpampiasa, niantso ho amin'ny fitokonana faobe ny sendikà lehibe ao Espaina omaly, 29 Martsa, mba hampandringa ny raharaham-pirenena ka hanery ny governemanta hanemotra ny fampiharana izany fepetra izany.

Manoloana ny taha ambonin'ny tsy fananan'asa, izay maherin'ny 5,000,000 ankehitriny ireo Espainola tsy an'asa, dia nametraka fepetra mihoapapana ny governemanta, izay efa niainana tao Irlandy, kanefa tsy nahitana vokatsoa araka ny nampanantenaina.

Vondrona mpikambana ao amin'ny #15M, hetsika sosialy goavana indrindra tao Espaina nalaza vao haingana, no manohana ny fitokonana faobe, mba hampandraisana anjara ny rehetra ka hanalefaka ny  “fijery mianjonanjona” nianjady tamin'ny sendikà nandritra ny taona maro lasa. Miantso ny fikambananan'ny mpiasa mba hahatratra 99% ny mpitokona, ary manentana ny olom-pirenena mba samy hahay hifandamina. Azonao jerena ato amin'ity sarintany mifamaly manaraka ity izany fanentanana natao izany:

Azo arahina amin'ny alalan'ny fampiasana teny iditra [data] ao amin'ny fangatahana ampiditra herinaratra manerana ny firenena ny fandehan'ny grevy faobe, ka raha tsy mahomby ny fangatahana amin'izany, dia midika fa marobe ireo mpandray anjara liana sy voatarika amin'ny grevy.  Nisy koa ny antso ho an'ireo olom-pirenena mba hitokona tsy hisakafo mandritra ny andron'ny grevy, antso izay ho hita ihany ny fahombiazany sy ny fandraisana anjara afaka andro vitsivitsy. Ity manaraka ity ny lahatsary ahitana izany antso ho amin'ny fitokonana tsy hihinan-kanina izany:

Tamin'ny ora voalohany niandohan'ny fitokonana tamin'ny 29 Martsa, efa nisy sahady ireo fifandonana marobe teo amin'ny mpibahana (vondron'olona manao izay tsy ahafahana miditra ao amin'ny toerana iray) sy ny mpiasa ary ny polisy misahana ny rotaka, izay tsy mitondra famantarana hita maso araka ny mahazatra. Hitantsika eto ny fomba nandavan'ny solontenan'ny Parlemanta Andalòziana, José Antonio Castro, ity fomba ity [es]:

Tamin'ity folankadro sy takariva ity, natao ny antso hisian'ny fihetsiketsehana lehibe manerana ny firenena, ary hanohy amin'ny fanomezam-baovao izahay. Azonao arahina ny fikotokanana faobe amin'ny fampiasana tenifototra #enhuelga [es].

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.