Kiobà: Iza No Hotohanan'ny Papa?

Tamin'ny 26 Martsa, tamin'ny 2:00 ora tolakandro, ora ao an-toerana, tonga tao Santiago ao Kiobà ny Papa Benoà XVI, izay fitsidihana faharoa nataon'ny Papa Ray Masin'ny Fiangonana Katolika ao amin'ny Nosy Karaiba tao anatin'ny 14 taona.

Tao anatin'ny andro maromaro, niparitaka tao amin'ny faritra manodidina ny renivohitry Plaza de la Revolución (Kianjan'ny Revolisiona) avokoa na ny mpanamboatra trano, ny injeniera misahana ny feo, ny mpitandro ny filaminana, ny mpizahantany ary ny mponina liana amin'izany. Ao afovoan'ny kianja, manoloana ny tarehy masiaka an'ireo guerrilleros, Camilo Cienfuegos sy Ernesto Che Guevara, izay alofan'ilay tsangambaton'ny Apostoly nasionaly, José Martí, no toerana hitafan'ny Papa amin'ireo mpiray finoana aminy ao La Havana amin'ny Alarobia 28 Martsa.

Amin'izany karazan'olona marobe izany, manaitra ihany ny fanapariahana polisy, indrindra eo amin'ny fiarahamonina izay tsy zatra amin'ny fisian'ny polisy. Raha nanao fanamiana iray mitovy ny polisy teo aloha, efa karazany telo izany ankehitriny, ao amin'ny tanàna manodidina sy ny faritra somary “manahirana” dia ahitana vondrona polisy manokana ary feno fiara tsy toy ny teo aloha ny làlana.

Papa tonga tao Kiobà. Sary avy amin'i Ismael Serrano. Nahazoana alalana avy amin'ny Cubadebate ny famoahana sary.

Tamin'ny fahatongavan'ny “Ray Masina,” samy mitondra tena tsara ny tsirairay. Miantso amin'ny fitovia-pijery eo amin'ny Marksisma sy Kristianisma ny filoham-pirenena ary mangataka amin'ny vahoaka mba handray am-panajana sy am-pifaliana ny Papa Benoà XVI. Nandritra izany, nanao ny fangatahany ara-politika ireo vondrona Kiobana tsy mitovy hevitra.

Tao amin'ny aterineto, indrindra ny Twitter, lasa sehatra fiadian-kevitra teo amin'ny Kiobana tsy miray hevitra sy ny mpanohana ny governemanta izany. Ampiasain'ny roa tonta fatratra ankehitriny ny tenifototra #papacuba (Papa Kiobà)  sy ny  #benedictocuba (Benoît Kiobà) mba hampitàna ny hafatr'izy ireo amin'ny olona marobe araka izay tratra.

Niarahaba ny fahatongavan'ny Papa ny ankamaroan'ny mpisera Twitter:

@lisinamibia: #BenedictoCuba ya esta(sic) al pisar tierra cubana, la alegría es grande en el pueblo de Cuba, bienvenido su santidad.

@lisinamibia: #BenedictoCuba [BenoàKiobà] nanitsaka ny tany Kiobana ihany, hafaliana lehibe ho an'i Kiobà izany, tongasoa ny fahamasinany.

@juliob14: En #Cuba no encontrarán niños mendigando en la calle. Todos estudian gratuitamente. Ese es mi país. #BenedictoCuba

@juliob14: Ao #Cuba, tsy hahita ankizy mangataka eny an-dalana ianao. Mianatra maimaimpoana avokoa ny rehetra. Izany ny fireneko.

@Laguantanamera: Te espera un pueblo honesto, honrado, trabajador!!! #BenedictoCuba

@Laguantanamera: Mahatoky, mendrika hajaina sy firenena tia miasa mafy no miandry anao !!!#BenedictoCuba.

Maro amin'ireo mpanohana ny tenifototra #PapaCuba no ni-tweet  ny tweet an'i @yoanisanchez:

#cuba Muchos impedidos de salir de sus casas, otros arrestados en calabozos policiales, teléfonos cortados, advertencias hechas #PapaCuba

#cuba Maro ireo sakanana tsy hiala ny tranony, ny sasany notazonina eny amin'ny polisy, notapahina ny fifandraisana, nisy ny fampitandremana nomena. #PapaCuba

@mijailbonito: Cubavisión Internacional intenta vincular pensamiento de #PapaCuba con pensamiento de la “revolución” #cuba

@mijailbonito: Cubavisión Internacional niezaka nampifandray ny hevitra #PapaCuba amin'ny hevitra “revolisiona” #cuba

@diariodecuba: pésima realización televisiva. Miles de personas en la carretera hasta Santiago. ¿Cuánto ha costado esa movilización? #PapaCuba

@diariodecuba: Fandaharana amin'ny fahitalavitra maharikoriko. Vahoaka an'arivony manerana ny arabe ao Santiago. Ohatrinona no lany tamin'ny fanentanana natao? #PapaCuba

Hatramin'izao, ankoatra ny fanambarana nataon'ny Papa teo aloha, tsy manohana ny roa tonta izy. Ny tsy azo lavina, sady tsy voatery ihany koa,  lasa toerana nampafana ny tontolo politika avo lenta ny Twitter, ka hodinihan'ny andaniny avy tsara ny antsipiriam-pihetsika rehetra.

Vahoaka an'arivony no hivory ao amin'ny araben'i La Havana hitsena ny Papa Benoà XVI, izay hitafa amin'ny olona marobe amin'ny Alarobia 28 Martsa.

Inona indray no hitranga amin'ny manaraka? Samy miandry avokoa isika rehetra.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.