Iran: Hitondra Fiovàna Ve Ny Fanalefahana Ny Sazy Amin'ny Aterineto?

An Internet cafe in Tehran, Iran. Photo by Mr_L_in_Iran. Copyright © Demotix (24/02/11)

Café Aterineto ao Tehran, Iran. Sary an'i Mr_L_in_Iran. fizakà-manana © Demotix (24/02/11)

Ny Departemanta Amerikana miadidy ny Kitapom-bola dia nanalefaka  ireo sazy ao anatin'ny lisitr'ireo tolotra “mifandraika amin'ny fifanakalozana ny fifandraisana manokan'ny olona eo amin'ny aterineto na rindrambaiko ilaina hahafahana manao tolotra toy izany”

Araka ny fanambaràna iray tamin'ny 20 Martsa 2012, ireny tolotra ireny dia ahitàna  ny Yahoo Messanger, Google Talk, Skype (tolotra tsy andoavam-bola), Acrobat Reader, Flashplayer, Java sy GoogleChrome, Firefox sy Internet Explorer

Betsaka amin'ireo Iraniana no ho faly mandre an'ity vaovao ity, saingy moa ve tena hitondra fiovàna ho an'ny Iraniana izany? Inona avy ireo tolotra tokony ho hita ao anaty lisitra? Ary inona no hevitr'ireo Iraniana ao Iran momba izany?

Dimy ireo mpiondana aterineto no mizara ny fomba fijeriny sy ny fahalalany amin'ny Global Voices eto ambany

Fiantraikany: Fanakatsoana ny fientanentananao

Hadi Nili, mpanao gazety sady mpanoratra ho an'ny Global Voices :

Sainiko ny fanapahankevitra toy izany ho toy ny tsy misy dikany loatra ho an'ny Iraniana satria efa efa niatrika famehipehezana toy izany ry zareo  ary misy maro ireo fomba azo isafidianan-dry zareo mba hahafahany miditra amin'ireo izay vao avy nohalefahany tato ho ato ireo.

Tori Egerman, mafàna fo iray avy amin'ny fiarahamonina sivily sady bilaogera Amerikana izay nonina taona maro tany Iran :

Amin'ny lafiny iray, ela no nanomanana azy ity. Amin'ny lafiny ilany indray, sarintsarim-panovàna izay tsy hitondra soa ho an'ny Iraniana izy ity. Ny politika ara-toekarena tsy mamely mihitsy miharo sazy no manakenda ny toekarena ka mahatonga ny fidirana amin'ny aterineto ho vokatra lafovidy ho an'ny maro ao Iran. Ny olana amin'ireo sazy dia ny tanjona izay hitondràna an'i Iran handohalika eo aminy, fa tsy ho fampivoarana fiarahamonina mivelatra kokoa sy demaokratika velively. Ary amin'ny farany, izy ireny dia fanomezana ho an'ny fitondràna sy fanolorana azy ireo fitaovana hifehezana bebe kokoa ny vahoaka

Arash Kamangir, bilaogera iray, mpikaroka ary mpikambana ao anatin'ireo andiana mpitsara amin'ny Best of Blogs (The BOBs) karakarain'ny Deutsche Welle :

Ny olana farany ao Iran dia ny fomba hidirana amin'ny aterineto. Ny fomba hifaneraseran'ny olona ao amin'ny aterineto dia mbola fanontaniana any amin'ny sehatra faharoa, somary takon'ireo tsy dia misy dikany loatra. Saingy tsy midika izany fa hoe tsy hisy fiantraikany izay mitranga. Nylanjan'ireo fivoarana vaovao dia ara-tsaina kokoa. Hanampy kokoa raha toa ny Iraniana mahita hoe miaraka amin-dry zareo fa tsy manohitra azy ireo i Etazonia. Ny fanalefahana ny sazy dia afaka hanampy ho amin'izany.

Amin Sabeti, bilaogera iray sady “freelance” mpandalina ny media:

Tsy dia heveriko loatra hoa hisy fiantraikany azo tsapain-tanana eo amin'ny Iraniana izany satria ry zareo efa nisintona sahady azy ireny tamin'ny alalan'ny tranonkala fitaratra na nampiasa VPN mba hisintonana ny GTalk, Yahoo Messenger, sns. Saingy mino aho fa teboka fiandohana tsara iray io izay handresy lahatra ireo orinasa any Etazonia hanàla ny sazy mihatra amin'ireo Iraniana mpampiasa azy.

Mehid Yahyanejad, mpanorina ny Balatarin :

Heveriko fa hisy fiantraikany tsara eo amin'ireo mpampiasa Aterineto ao Iran io. Ny fahafahan'ny Iraniana miditra aterineto dia saika betsaka no notapahan'ny governemanta Iraniana, ary voafetra ihany ny zavatra azon'ny governemanta Amerikana atao mba hisian'ny fiantraikany tsara amin'io.

Mbola misy tolotra adino ve?

Ny dimy tamin'ny safidin'ireo mpiondana aterinetontsika dia : PGP encryption, rindrambaiko fibahanana ‘virus’ ary ny fampanarahana toetrandro azy ireny, ny tsenan'ny Android, ny VPN sy ny fahafahany mampiantrano tranonkala any ivelan'i Iran.

Vaovao avy ao anatiny hoe?

Hadi Nili:

Tsy mbola nahita fientanentanana sy fahataitairana toy izany momba io fanapahan-kevitra vao noraisina tsy ela io aho. Efa niavo-tena hatrany ny Iraniana nanoloana io faneriterena io. Misy zavatra tsy itovian-kevitra ao izay mitondra azy ireo hihevitra fa ndeha hanalefaka ny sazy ara-bola ny fitantànana Amerikana.

Tori Egerman:

Ny olona tsirairay izay niresahako momba io dia miasa saina momba ny ady daholo, ny toekarena ary ny fisondrontam-bidin'ny entana. Tsy nisy na iray aza tamin'ireo niresahako mba nanana hery na fotoana ho an-javatra hafa. Androany, namama akaiky iray no nivazivazy tamiko, “Taona famokarana ho anay ity taona ity. Izany no hany zavatra azonay atao”

Arash Kamangir:

Eny. Misy haavonà fientanentanana. Ny fanehoan-kevitra iray mafonja momba ity fivoaran-draharaha ity dia hoe maro amin'ireo tolotra no idiran'ny resaka fifanakalozana  ara-bola, izay raha amin'ny endrika virtoaly dia tsy natao  ho an'ireo vahoaka Iraniana mihitsy. Ny sasany milaza fa miaraka amin'io fanapahan-kevitra io, tsy dia ho be ahiahy intsony ireo orinasa tsy miankina rehefa manao fandraharahana miaraka amin'ny Iraniana mpanjifa.

Amin Sabeti:

Ny teboka tena mahaliana dia ny dom-berina avy amin'io Iran ary tsy mbola nahita aho dom-berina tany anatin'ny tambajotra sosialy tany, tahaka ny Twitter, Friendfeed na  Facebook! Izany dia manaporofo ny fanambarako tao anatin'ilay fanontaniana voalohany hoe tsy misy fiantraikany azo tsapain-tanana ho an'ireo Iraniana mpampiasa aterineto izay satria efa fantatr'izy ireo ny fomba hamahàna ny olany amin'ny fisintonana ny Skype, GTalk, sns amin'ny fitaovana hafa maro

Mehdi Yahyanejad:

Tsy mbola ho izao.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.