Rosia: Ny Fiainan'ny Silamo Ankehitriny Ao Mosko – Ny Zava-misy

Ny fitomboan'ny mponina silamo ao Mosko dia maneho ny lalana izoran'ny foko sy finoana Rosiana eo anivon'ny tantara sy zava-nisy izay nanova ny fijerin'ny Rosiana sy ny fandraisany ny vahiny, izay namolavola ny fomba teo amin'ny fiarahamoniny sy ny politikan'ny governemantany ankehitriny momba azy ireny. Natsangana tamin'ny taonjato faha-9, Novgorod dia mampiantrano iray amin'ireo toerana masina indrindra ao amin'ny firenena – toerana iray atao hoe “1000 taonan'i Rosia“. Nandritra ny Ady Lehibe faharoa dia nilatsaka teo an-tànan'i miaramilan'i Hitler ny tanàna ka nisy ny tetika handrava ilay sarivongana sy  hitondra izany hiverina ho any Alemàna, talohan'ny nahazoan'ny tafika Sovietika an'i Novgorod indray tamin'ny 1944.

Sarivongan'ny taonarivo ao Novgorod. Sary: Wikimedia Commons (CC BY-SA 3.0).

Taonjato maro talohan'ny Alemàna Nazi dia nitoeran'ny tafika Mongola efa ho nandritra ny 200 taona i Rosia, hatramin'ny nandavan'i Ivan III (‘Ilay Lehibe’) an'i Khan Ahmed tamin'ny 1476. Nidika izany fa tamin'ny niatrika fivoarana lehibe ara-kolontsaina sy ara-tsiansa (Renaissance) tsy mbola nisy toy izany i Eoropa Andrefana, dia nitolona tamin'ny hery famoretana avy any ivelany i Rosia.

Ilay mpampiasa LJ, crazypinguin, tao amin'ny fanehoan-kevitra izay nataony tamina lahatsoratra izay tsy mikasika ity lohahevitra ity, dia nanoratra [ru] momba ny tsy fitovian'ny tahan'ny olona amin'ity taona 2012 – ny Fiangonana Kristianina: ny Mpivavaka Kristianina mitaha amin'ny Fiangonana Silamo sy ny Mpivavaka Silamo ao Mosko :

[…] Tamin'ny faran'ny taona 2010 teo dia niisa 837 ny fiangonana niasa ho an'ny Eglizy Ortodoksa Rosiana – Patriarka ao Moskoa. Eo amin'ny 271 amin'ireo fiangonana ireo ihany anefa no misy lamesa tanterahina. […]

Ao Mosko tamin'ny 01 Janoary 2012, dia nisy olona 11.629.116, ka tamin'ireo, 91,65 isanjato dia Rosiana (toy ny tamin'ny 2002). Midika izany fa miisa 10,5 tapitrisa ny Rosiana. Amin'ireo, 2 tapitrisa monja (raha mino ny filazan'ny pravmir.com ianao [tranonkala Kristianina Ortodoksa]) dia Kristiana Ortodoksa Rosiana – izay midika fa farafahakeliny indray mandeha isan-taona ary zareo no mandeha any am-piangonana. […] Raha ny zava-misy anefa dia 1 – 1,5 isan-jaton'ny mponina ihany no tena mpandray anjara amin'ny fiainam-piangonana. […] dia misy mpivavaka 2.500 isaky ny fiangonana.

Raha atao ny fanoharana, dia misy fiangonana silamo enina ao Mosko. Ny isan'ny silamo dia eo amin'ny 10 isan-jato eo, raha heverina izany dia manisy lanja kokoa ny fiainam-piaingonana izy ireo. Midika izany fa an-tapitrisa no anisàna ny silamo ao Mosko. Fiangonana silamo enina. mpivavaka 150.000 [isaky ny fiangonana]. Na dia ny 1 isan-jato [amin'ny mponina silamo ao Mosko] fotsiny aza no mamonjy lamesa tsy miova, dia mbola mijanona ho 15.000 isaky ny fiangonana silamo ihany izany. […]

Ny Moske Goavana ao Mosko eo an-dalam-panamboarana tamin'ny 2009. Sary avy amin'i Macs24 (CC BY-SA 3.0).

Ny blaogin'ireo olona avy ao Azia Afovoany dia nanoratra mikasika ny toe-javatra sarotra atrehin'ny mponina Silamo ao Mosko, manainga mavesatra ireo mpamaky mba hitondra am-bavaka ireo avy any amin'ny faritra misy azy ireo izay nifindra monina an-tanàn-dehibe hitady fivoarana ara-toekarena:

Mba mivavaha ho an'ireo avy ao Azia Afovoany izay mandao ny fianakaviany sy ny firenena niaviany handeha hiasa any Mosko. Raha ny mahazatra dia tsy voaray an-tanan-droa izy ireo any. Maro amin'izy ireo no enjehina sy avakavahana. Na dia miasa amin'ny tany milaza azy ho kristianina aza  izy ireo, dia mahàlana vao maheno sy mahita ny Vaovao Mahafaly.

Toy ny oram-panàla mameno ny làlana sy ny sisin-dalan'i Mosko, voakiky vantany vao mikasika ny tany. Isaky ny maraina dia tairin'ny feom-by mikasoka amin'ny lalana ny vahoaka. Io feo io dia ataon'ny mpanadio lalana, izay ny ankabeazany dia avy any Azia Afovoany. Ny ankamaroan'ireo lehilahy ireo dia nandao ny tokantranony tany Kyrgyzstan, Uzbekistan, Tajikistan sy firenena hafa any Azia Afovoany. Mankany Mosko izy ireo mba hitady vola halefa ho an'ireo havany any an-tanindrazany. Miasa roa ambin'ny folo ora na mihoatra izany isan'andro izy ireo, fito andro isaky ny herinandro. Ny hany fisaorana mba azon'izy ireo ho tamibin'ny asa mafiny dia karama kely sy ny antsojain'ny manam-pahefana any an-toerana nohon'ny lokon'ny hodiny. Raha miasa any  Mosko izy ireo dia maro no mahatsiaro  ho irery, malahelo ny fianakaviany sy mitady tanjona amin'ny fiainana.

Mpiasa avy any Azia Afovoany eny an-dalamben'i Mosko. Sary nalain'i Veronica Khokhlova, nahazoana alalana .

Ny bilaogiko dia misy tantara mampihomehy maneho ny tsy fitiavana vahiny hita taratra amin'ny kolontsaina fahiny sy mifandrirondrirotry ny Rosiana :

“Nisy vahiny roa teo amin'ny Kianja Mena tao Mosko nijery ny Kremlin, talanjona. Te ho Rosiana izy ireo sy ho izay zavatra rehetra maha-Rosiana ny Rosiana, ka nanontany zokiolona iray izay tokony ho ataony mba hahatonga azy ireo ho tena Rosiana. Namaly ilay lehilahy ka naniraka azy ireo hianika ny tilikambo iray ao Kremlin sy hikasika ny kintana mena eo amin'ny tampony ka hiova ho lehilahy  Rosiana eo noho eo.

Dia nianika tokoa ary ireto lehilahy ka nikitika ilay kintana mena ny voalohany ka niova Rosiana teo noho eo. Afaka nanoratra tononkalom-pitiavana toa an'i Pushkin sy hira toa an'i Tchaikovsky izy, afaka nandihy sy niady ary nahatsiaro tena lalina toy ny Rosiana rehetra.

Fotoana vitsy taorian'izay dia nanontany ilay faharoa raha afaka hiakatra sy hikitika ilay kintana koa ka hivadika ho Rosiana. Avy dia nodakan'ilay voalohany tany amin'ny vavany izy ka nilazany hoe “Mialà teo ilay vahiny tsy misy ilàna azy ity!”

Islam ao amin'ny Europe Blog dia namoaka sombin-dahatsoratra tamin'ny lahatsoratry ny Interfax ny Febroary 2012 teo, mitondra ny lohateny hoe: “Mosko: Manampahefana Ambony Ao amin'ny Ministeran'ny Atitany Ahiana ho Naka Vola tamin'ny Vondrom-piarahamonina Silamo”, izay maneho ny loza avy amin'ny fanjakana atrehan'ny vitsy an'isa ao Mosko, fanampin'izay efa loza ao amin'ny fiarahamonina:

Ireo manampahefan'ny Sampandraharahan'ny Filaminana Federaly dia nandefa porofo tamin'ny Mpitsara mpampanoa lalàna, naneho fa naka vola be tamina Fikambanana Silamo iray ny mpiasa maro tao amin'ny Sampana Fototry ny Ministeran'ny Atitany ho Fisorohana ny ‘Extremisme’, hoy ny tatitry ny gazety mpiseho isan'andro , Kommersant.

“Ireo manampahefana ao amin'ny Sampandraharahan'ny Filaminana Federaly dia nahazo vaovao nilaza fa hoe nisy trangana fakana vola be niseho tao an-tsenan'ny Lefovortsky ao Mosko talohan'ny fialantsasatry ny faran'ny taona. Raha araka izany vaovao izany dia nisy andiana polisy nandeha tany an-tsena nilaza fa hanao fisafoana ary nampitsahatra ny raharahan-tsena sy nangataka 1 tapitrisa robla tamin'ny mpivarotra ho alalana hanohizana indray ny rahaharam-barotra”, raha ny voasoratry ny Kommersant.

[…]

Raha ny filazan'ny Kommersant dia nanambara ny polisy fa tonga nanamarina tatitra nilaza fa nisy toerana nipetrahana “extremiste” tsy ara-dalàna izay mody natao ho toeram-pivavahana tao an-tsena, toerana fandehanan'ny mpandraharaha Silamo sy mpiasa Tajik avy amin'ny toerana fiasana ankalamanjana eo akaiky eo.

olona iray mpampiasa LJ, denisapozhnikov dia niezaka nanohitra ny fitsikeran'ny Tandrefana ny tsy fifandeferana ara-pinoana samihafa ao Rosia, tamin'ny fitanisàna ohatranà fiarahamonina am-pilaminana maro sy manamafy fa Etazonia dia hahazo tombony kokoa amin'ny fandinihana ny politikany manokana momba ny fahalalahana sivily:

Nisy iraka Amerikana momba ny fahalalahan'ny fivavahana nangataka ny Trano Fotsy “hijery manokana” ny mikasika ny olan'ny fahalalahan'ny fivavahana ao Rosia. […]

Heverina ho marina fa voahitsaka ny zon'ny Silamo ao Chechnya, izay ahitàna ny fiangonana Silamo lehibe indrindra any Eraopa, na ao Mosko, izay nanomezana ampahan-tany valo hananganana fiangonana Silamo raha tamin'iny taona lasa iny fotsiny, na any Ivanovo [izay niavian'ny mpanoratra ny blaogy], izay […] nanome toerana ho an'ny zanaka am-pielezana mba hampisehoany ny kolontsainany mandritra ireo hetsika monisipaly rehetra, tafiditra anatin'izany ny kolontsaina mifandray mivantana amin'ny fivavahana; voasakana ny fivavahana Hindoa fa misy vondrona Hindoa any amin'ireo tanàna lehibe rehetra ary mankalaza ny fetiny ampahibemaso izy ireo mankalaza an'i Krishna; na ny finonana Jiosy, anasàna ny Rabi Lehibe ao Rosia foana amin'ny fivoriana an-tampony.  Na mety ho ny toe-javatra mifanohitra amin'izay, ny hoe ny zon'ny Kristianina no voahitsaka?! […]

Mety tsy any Rosia no misy ireny olana ireny, fa any Etazonia, izay mamindra ny olana tsy ho ao aminy? Ary angamba mitombo ny isan'ny fiangonana Silamo any Etazonia, saingy aoka tsy hohadinontsika fa isanandro koa [ireo tranobe ireo] dia mahazo fandrahonana horavana.

[…]

Koa, ry namana, aza mino ny fanpielezan-kevitr'ireo Tandrefana.

Farany, ny bilaogy Rosiana Yuri Mamchur dia nanome fanantenana ny mpamaky ary nitondra porofo mampiseho ny fifankahazoana maharitra eo amin'ny kolontsaina samihafa tanaty lahatsoratra nivoaka ny Novambra 2011 mitondra ny lohateny hoe: “170.000 no nankalaza ny fialan-tsasatra Silamo Kurban Bayram teny amin'ny lalan'i Mosko”:

Androany dia Silamo nihoatra ny 170.000 no nankalaza ny fetibe Silamo fankalazana ny Kurban Bayram. Ireo nasionalista Rosiana dia naminaviana fandripahana foko , fipoahana ataon'ny mpampihorohoro, fifandonan'ny saranga. Tamim-pifaliana sy tamim-pilaminana tanteraka anefa no nizoran'ny fankalazana. Tamina fiangonana silamo iray tao Mosko olona 80.000 no tonga nanatrika ny fankalazana! Na dia efa niomana hiatrika toe-javatra manahirana aza ny mpitandro ny filaminana tao Mosko, dia gaga nanatrika ny fizotra nilamin'ny hetsika. Io fankalazana nahomby sy nizotra tam-pilaminana io, na dia teo aza ny fihenjanana nasionalista nampisavoritaka tao anatin'ny fiarahamonina Rosiana,  dia fanehoana manan-danja fa afaka miara-miaina ireo Silamo tony fihetsika sy ny Kristianina ao Rosia, tahaka ny nataony izay 500 taona lasa izay.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.