Sri Lanka: Fihetseham-Po Tamin'ny Fanapahan-Kevitr'i Etazonia Tao Amin'ny UNHRC

Tamin'ny 22 Marsa 2012, firenena 24 no nifidy ny tolo-kevitr'i Etazonia tao amin'ny Sampan'ny Firenena Mikambana Misahana ny Zon'Olombelona nandritra ny fivoriana miresaka momba an'i Sri Lanka ary mandrisika ny fitondrana hametraka ny hafatra avy amin'ny Lessons Learned and Reconciliation Commission (LLRC) [Vaomieran'ny Lesona Nianarana sy ny Fampihavanana] sy hanao famotorana amin'ny fomba azo itokisana ihany koa ny fisian'ny lazaina fa fanitsakitsahana ny zon'olombelona ,nitranga nandritra ny ady an-trano naharitra dia naharitra nifanaovana tamin'ny LTTE misy ny Tigra Tamola mpitaky ny fizakan-tena.

Notoherin'i Sri Lanka fatratra ny drafi-pandaminana tamin'ny voalohany indrindra ary nanandratra ny feony ny mpiserasera.

Dr. Dayan Jayatilleka ao amin'ny Groundviews milaza ny tolo-kevitr'i Etazonia ho toy ny lainga be:

One of the rankest untruths in the public domain today is that the US resolution is innocuous and unobjectionable because it only seeks to commit the government of Sri Lanka to implement its own LLRC report within a reasonable time frame.

Ny iray amin'ny tsi-fahamarinana miteronterona indrindra eo amin'ny sehatra ho an'ny rehetra ankehitriny dia tsy azo kianina sy tsy manaikitra ny tolo-kevitr'i Etazonia satria ny hany tadiaviny dia ny hampiharan'i Sri Lanka ny tatitry ny LLRC ao anatin'ny fe-potoana azo heverina  

Naneho ny heviny tany amin'ny lahatsoratra hafa i Kalana Senaratne:

There is more ‘arrogance’ and ‘insensitivity’ than ‘concern’ written all over the haste with which the US is demanding the Sri Lankan Government to produce a ‘comprehensive action plan’ as regards the implementation of the LLRC’s recommendations.

‘Fireharehana’ sy ‘tsy mivaky loha’ no tazana kokoa noho ny ‘fanahiana’ nosoratan'i Etazonia ankamehana mangataka ny governemanta Srilankey hametraka ‘drafi-pikatrohana iraisana’ amin'ny fampiharana ny hafatry ny LLRC

Na izany aza, mieritreritra ihany koa i Kalana fa mila mandini-tena amin'ny fireharehany ny governemanta Sri Lankey:

What is astounding in much of what the Sri Lankan Government is doing is that it acts as if there is absolutely no link between a country’s domestic policies and its foreign policy. That is a fundamental mistake.

Ny mahatalanjona amin'ny fihetsiky ny fitondrana Srilankey dia tsy misy ifandraisany mihitsy ny politika anatiny sy ny politika ivelan’ (raharaham-bahiny) ny firenena. Fahadisoana tanteraka izany

Tamola anarivony no nitety an i Eoropa hankao amin ny Foiben ny Firenena Mikambana ao Zeneva hanohitra heloka bevava an ady tany Sri Lanka. Saripika Lee Harper. Copyright Demotix (5/3/2012)

Nirehitra tamin'ny mpanohitra Sri Lankey, ny Tamola any ampielezana azy ny mpiaro ny zon'olombelona sasany ny fahatezeran'ny nasionalista Sri Lankey satria nanohana ny fanapahan-kevitra izy ireo. Tsy maintsy namoaka fanambarana manazava ny heviny ny mpikatroka Sunila Abeysekara, Nimalka Fernando ary ny Dr. Paikiasothy Saravanamuttu.

Nanadihady ny drafim-pandaminana i Indrajit Samarajiva ary naneho ny heviny:

The logic here (in the UNHRC) and in too many places seems to be that the war was bad because Sri Lanka shouldn’t win. The effect of negotiating or fighting demurely with the LTTE would have been the continuation of the LTTE, which Prabhakaran literally continued until all his human shields escaped and he died.

In many ways, this type of resolution is a continuation of Prabhakaran’s terrorism, what I call Prabhakaran’s Play – using Tamil people as a human shield to reflect blame on the government of Sri Lanka and get international support to weaken them, and preserve his hide. It’s working, just years too late for the hide preservation.

Ny lojika eto (ao amin'ny Sampan'ny Firenena Mikambana Misahana ny zon'olombelona) ary any amin'ny faritra maro dia ratsy ilay ady satria tsy tokony handresy i Sri Lanka. Ny fiantraikan'ny fifanarahana na fiadiana amin'ny LTTE dia tokony (mbola hisian'ny) hitohizan'ny LTTE, izay tena notohizan'i Prabhakarana ara-bakinteny mandra-pandositry ny olona nataony ho ampinga fiarovan-tena sy ny fahafatesany.
Amin'ny lafiny maro, ity karazan-drafi-pandaminana ity dia fanohizana ny fampihorohoroan'i Prabhakaran, izay ataoko hoe Lalaon'i Prabhakaran – mampiasa ny vahoaka Tamola ho ampinga fiarovantena mba hanasaziana ny fitondrana ao Sri Lanka sy hahazoana fanohanana iraisam-pirenena hampalemy azy ireo, ary hitandroana ny fiafenany. Nahomby ilay izy, fa tara loatra ho amin'ny fitandroana ny fiafenana.  

Nanohy ny bilaogera taoriana:

Real reconciliation doesn’t come from the UNHRC, or even the government. There is no punishment that leads to positivity. There is no one you can put in jail to make our problems go away. Reconciliation has to come from the people of Sri Lanka, and it is coming.

Tsy miainga avy any amin'ny Sampan'ny Firenena Mikambana misahana ny Zon'olombelona ny tena fampihavanana, ary tsy avy any amin'ny governemanta ihany koa. Tsy misy ny fanasaziana mitarika zavatsoa. Tsy misy olona azonao alefa any am-ponja ka hamaha ny olana. Tsy maintsy avy amin'ny vahoaka ao Sri Lanka ny fampihavanana ary ho avy izany.

Ary inona ny dikan'ny drafi-pandaminana ho an'i Sri Lanka? Indrajit milaza izany any amin'ny lahatsoratra hafa:

Honestly, it’s like the international community is giving Sri Lanka homework where the answer is actually wrong. It’s not cool.

Tsorina, tahaka ny fanomezan'ny firaisamonina iraisampirenena enti-mody ho an'i Sri Lanka izay efa diso ny valiny izy ity. Tsy masaka an!  

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.