Ejipta: Iadian-kevitra Ao Amin'ny Antenimiera Ny Zon'ny Vehivavy Afaka Misara-panambadiana

Miteraka adihevitra ao amin'ny tranokala tambazotra sosialy hatrany ny fandehan'ny asan'ny solombavambahoaka vaovao Ejipsiana. Toa mampiseho fa dingana mankany amin'ny demokrasia ny fisian'ireo parlemantera vaovao ireo. Na dia izany aza, manohy miadihevitra momba ny olana tsy mifandraika amin'ny filàna maika eo amin'ny firenena ireo parlemanta – toy ny fangatahana handrara ny tranonkala ahitana sary mamoafady.

Nahatonga adihevitra hafa ihany koa ny filazan'ilay depiote iray fa teti-dratsy hitarihana ny Ejipsiana ho amin'ny fomba tandrefana fotsiny ny fianarana teny Anglisy. Ny zava-niseho farany izao dia momba ny fangatahan'ilay depiote iray nilaza fa tokony esorina amin'ny vehivavy ny zony afa-mametraka fangatahana fisaraham-panambadiana.

Taloha, raha nomena ny vehivavy ny zony afa-mametraka fangatahana hisaram-panambadiana, navahana mafy ny vehivavy Ejipsiana. Ny lehilahy no manan-jo hangataka fisarahana amin'ny vadiny ary tsy mila mandeha eny amin'ny fitsarana. Ny vehivavy kosa mila fotoana ela be, sarotra ary mandalo birao foana vao mivaly ny fisaraham-panambadiana nangatahana. Nihatsara kely teny ihany izany toe-javatra izany nanomboka ny taona 2000 rehefa lany ny lalàna manome zo ho an'ny vehivavy hametraka fangatahana fisaraham-panambadiana anaty fotoana tsy diso (Khul’). Tamin'ny alalan'izany lalàna izany, afaka mahazo ny fisaraham-panambadiana tadiaviny ny vehivavy saingy tsy maintsy mahafoy ny zony ara-bola kosa.

Naneho hevitra avy hatrany ny mpisera amin'ny tambazotra sosialy momba ny volavolan-dalàna mikasa hanafoana ny  khul’ ao amin'ny parlemanta.

Merit Al-Sayed nilaza hoe:

مشروع الغاء قانون الخلع خطأ فادح. الخلع دفعة الى الامام للمرأة التي من حقها البدأ من جديد في حياتها.

Fahadisoana lehibe ny volavolan-dalàna hanafoana ny Khul. Dingana iray vaovao ho an'ny vehivavy ny Khul; zon'izy ireo ho amin'ny fiainam-baovao izany.

Mira Samy nanampy hoe:

مشروع قانون لإلغاء الخلع هو البرلمان دا جئ علشان يقضى على كل حقوقنا بدل ما يجيب الحقوق المغتصبة ولا دا جزء من خطة ولا يوم من أيامك يامبارك
Volavolan-dalàna manafoana ny Khul’? Ny antenimiera eto ve no manaisotra ny zonay raha toa ka izay very no tokony hojereny? Sa ve anisan'ny tetika mba hitenenanay hoe “miverena Mubarak” izany?

Tsy ny vehivavy ihany no sosotra amin'izao toe-javatra izao fa mizara ny fahatezeran'izy ireo ihany koa ireo lehilahy marobe manohana azy . Wael Khalil niaro hoe:

ال كنت عامل حسابه وخايف منه بيحصل: مشروع قانون لالغاء الخلع…. الاخوة النواب – فرجونا شوية شطارة على السلطة والعسكر مش على الشعب المسالم
Ny zavatra mampanahy ahy amin'izao toe-javatra izao dia: volavolan-dalàna manafoana ny Khul’. Ry namana depiote, asa tsara sy mendrika manohitra ny mpitondra sy ny miaramila no tokony asehonareo anay, fa tsy asa manohitra ny vahoaka milamina.
Ali Hagras nanambara hoe:
إلغاء قانون الخلع هو ببساطة اعطاء الضوء الأخضر للرجال للأساءة إلى زوجاتهم جنسيا و إذا اعترضت فهي كافرة و زنديقة ؟ أترضاه لاختك يابو دقن ؟
Manome sitraka ny lehilahy ny fanafoanana ny lalàna Khul’ mba hanararaotra firaisana ara-nofo amin'ny vadiny; ary raha mandà ny vadiny, dia holazaina fa tsy manaja vady? Tianao hitranga amin'ny anabavinao ve izany, ry be volombava?

Sherif Khairy nieritreritra hoe:

مشروع قانون منع الخلع ده على أقل تقدير ساذج.. افتراض ان خراب البيوت بيجي لما الطلاق يحصل.. مش مدرك ان الخراب الأكبر انهم يعيشوا كارهين بعض
Kanosa loatra izany volavolan-dalàna izany, izay no azo lazaina. Raha mampidi-doza ny fisiana fisaraham-panambadiana, tsy ny fiaraha-mipetraka iray trano kanefa mifankahala ve no mampidi-doza bebe kokoa?

Toy ny mahazatra, maro be ireo fanehoan-kevitra ahitana esoeso sy vazivazy. Noon Arabia namorona ny Storify momba ny adihevitra indrindra tamin'ny tweet avy amin'ny @Elma7roossa izay nanoratra tweet marobe amin'ny tenifototra hoe #الخلع_قوة izay  midika hoe “Matanjaka ny Khul’.

Fanampin'izany, Riham Mohamed nivazivazy hoe:

مجلس الشعب كده بيلعب بالنار .. قالك يلغى قانون الخلع .. ده كانت الستات قاموا عليهم قطعوهم ‎:D‏
Milalao amin'ny afo ny antenimiera. Raha milaza izy ireo fa te hanafoana ny Khul’, hoavy hitetitetika azy ireo toy ny hena ny vehivavy! 😀

Muhab Talaat nilaza toy izao ihany koa:

اكيد الي قدم طلب الغاء الخلع عايز يلعب بديلوا وخايف مراتوا تخلعوا وعجبي

Te hanao adalana tanteraka ny depioté izay nangataka ny hanafoanana ny Khul’, matahotra ny vadiny izy angamba sao hosarahiny!
Sally Zohney nilaza momba ny reniny:
ماما اللي بتخاف من المظاهرات ” لو مجلس المتخلفين ده لغى الخلع أنا حجيب خيمة ومش حمشي من قدام مجلس الشعب”…ادوني عقلكم
Nilaza toy izao ny reniko izay matahotra ny hanohitra izany “raha manafoana ny Khul’ ny antenimieran'ny fahatarana, handeha hamelatra trano lay eo anoloan'ny antenimiera aho ary tsy hiala mihitsy aho.” Tsy ao intsony ny saiko!

Tsara ny manamarika fa ny depiote izay nametraka ny volavolan-dalàna hanafoana ny Khul’ dia tsy mpikambana ao amin'ireo antoko islamista, fa mpikambana taloha tao amin'ny antoko liberaly Wafd. Ahmed Shokeir namosaka ny heviny mikasika izany:

مطالبة عضوا بإلغاء الخلع الذي حلله الدين توددا للإسلاميين هي متاجرة بالدين ، تؤكد ان مطالبة الغير بتطبيق أمور تحت مظلة الدين ليست لأجل الدين

Fangatahan'ny depiote hanafoana ny Khul’, azo ekena raha ny fivavahana no resahina, toy ny miraharaha ara-barotra amin'ny fivavahana ny fampitoniana ny Islamista. Manamafy izany fa ny fangatahana natao toa miendrika fivavahana dia tsy misy idiran'ny resaka fivavahana mihitsy.

Eny tokoa, tafiditra tao amin'ny adihevitra ny maha-Islamika ny Khul’ na tsia. Mpiserasera marobe no nilaza fa anisan'ny didy avy amina raharaha-pitsarana Islamika ny Khul’. Mohamed ElGohary nanamafy fa Islamika ny Khul’:

Tokony tsy hofoanana ny Khlo3, raha mbola misy ny “Islamo izay loharano nipoiran'ny lalàna” ao amin'ny lalàm-panorenana.

Farany, tsy ny rehetra no manaiky izany toe-javatra izany, ary tsy ny rehetra ihany no mihevitra fa ny fanafoanana ny Khul’ dia zava-dratsy. Mpisera Twitter @_ADHEM ni-tweet hoe:

انا ضد قانون الخلع لانه مش في الإسلام حاجة بتقول كده ولو ع الخمسين واحد الي علي تويتر دول عادي هما بيسافروا بره كتير ‎‫#مصر‪‏
Manohitra ny Khul’ aho satria tsy misy milaza izany mihitsy ny ao amin'ny Islamo, ary ho an'ireo mpisera Twitter 50 manohana ny Khul’, tsy dia misy zava-dehibe manao ahoana, efa imbetsaka nitsidika firenena maro izy ireo!

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.