Avy Amin'ny Iraniana Ho An'ny Israeliana: “Namanareo Izahay”

Ilay pejy Facebook fanentanana avy amin'ny Israeliana miteny amin'ireo Iraniana hoe “Tsy handaroka baomba velively ny firenenareo izahay. Tianay ianareo” dia nahazo valiny avy amin-dry zareo Iraniana amina endrika fifandraisana fifanentanana ao amin'ny Facebook izay miteny amin-dry zareo Israeliana hoe, “Namanareo izahay.”

Ronny Edry, Israeliana, sy ny vadiny Michal Tamir no nanomboka  ilay hetsika tao amin'ny Facebook tamin'ny anarana “Pushpin Mehina”, sekoly kely iray ao Tel Aviv ho an'ireo mpianatra manome endrika .

Nahasarika saina maro tokoa tety anivon'ny aterineto ilay fanentanana, ary hatramin'ny Haaretz, gazety Israeliana isan'ny sangany, amin'ny teny Anglisy, dia nanoratra fa ilay “antso  ho amin'ny fandriampahalemana nalefa tety amin'ny aterineto nataonà Israeliana mivady dia efa nahavory Israeliana sy Iraniana 1.000 hanohana azy. Ary izany rehetra izany dia nanomboka taminà sary lehibe anankiroa.”

Ankehitriny dia nanao dingana an-kilaometatra iray mahery ry zareo Iraniana tamin'ny nandrotsahany ny sariny sy ny hafany ho ao aùin'ny Facebook aminà pejy iray antsoina hoe, “Avy amin'i Iran Ho Amin'ny Fandriampahalemana sy Demaokrasia“.

Ny sary tsirairay dia manomboka amin'ny fanampin'anarana avokoa, arahan'ny hoe : “Ry Israeliana, Tsy mila Baomba nokleary izahay. demaokrasia sy fandriampahalemana no ilainay, Namanareo izahay.”

Ity ny hafatr'i Nima :

Arahaba nahatratra ny Nowrooz! Mba ho fiandohaà vanim-potoana iray vaovao anie izy ity!
Izahay, Iraniana, dia tsy mila baomba nokleary!
Izahay, Iraniana, dia tsy mila ady!
Izahay, Iraniana, dia tsy mila fitondrana Islamika!
Izahay, Iraniana, dia tsy mila manohana vondrona mpampihorohoro!
Demaokrasia no ilainay!
Fandriampahalemana no ilainay!
Fifanajàna no ilainay !
Fahalalahana no ilainay!


Iray vera ho an'ny fandriampahalemana

Ity ny sary avy amin'i Amir.

… ary mafàna fo iray mpiaro ny zon'olombelona

Ahmad Batebi dia olona iray nigadra teo aloha noho ny fanehoan-kevitra tao Iran. Nandritra ny fianarany teny amin'ny Anjerimanontolon'i Tehran dia nahazo laza teo amin'ny sehatra iraisam-pirenena izy noho ny nisehoany teo amin'ny fonon'ny gazetiboky The Economist tamin'ny 17 Jolay 1999, nitazona lobaka iray nihosona ny ràn'ny iray tamin'ireo mpiara-nanao hetsi-panoherana taminy. Ity ny sary avy aminy.

Angamba indray andro any, mba ho afaka hiara-hioty eo amin'ny tontolo teny izy ny vokatry ny nafafiny tety amin'ny tontolon'ny nofy ry zareo  Iraniana sy Israeliana

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.