Kiobà: Lohataona Mainty, Sivy Taona Taty Aoriana

Manamarika ny fahasivy taona nisiany ny Lohataona Mainty Kiobàna – nampiasaina ny voambolana hanazavazavana ny famoretana nataon'ny fitondrana tamin'ny mpisintaka nandritra ny 2003. Olona 75 no nogadraina taorian'ny hetsi-pamoretana, nampangaina ho miasa ho amin'ny tombotsoan'i Etazonia. Heverina fa efa noafahana avokoa ny gadra politika notazonina nandritra ny Lohataona Mainty, nanomboka tamin'ny 2010, ka ny fepetra famoahana azy ireo dia mandeha sesintany any Espaina. Ireo mpisintaka izay nandà io fepetra io no noafahana farany.

Avy amin'ny tsy rariny tamin'ny didim-pitsarana no niteraka ny fananganana ny vondrona politika malaza sy hajaina indrindra antsoina hoe Las Damas de Blanco (Vehivavy Miakanjo Fotsy), ivondronan'ny vady sy vehivavy havan'ny mpisintaka, manao ny asam-panerena ny fanafahana ireo mpisintaka ireo amin'ny alalan'ny hetsi-panoherana milamina.

Ny tsingerintaona fahasivin'ny Lohataona Mainty no nahatonga ny mpibilaogy Kiobàna hahatsiaro ny tantarany sy hanontaniana raha niova tanteraka ny zavadrehetra – indrindra amin'izao fiandrasana ny fitsidihan'ny papa izao sy ny fahitana taratra ny tsy fahafahan'ny papa hihaona amin'ny vondrona mpanohitra hiresaka momba ny zon'olombelona ao amin'ny firenena.

Manamarika i Reinaldo Escobar manoratra ao amin'ny Translating Cuba fa:

Ao anatin'ny fahatsiarovana ny fahasivy taonan'ny Lohataona Mainty tamin'ny 2003 sy ao anatin'ny tontolo iresahana indrindra ny fitsidihan'ny Papa Benoà XVI any Kiobà, dia nanamafy ny asam-pamoretana ataony amin'ny Vehivavy Miakanjo Fotsy ny polisy politika kiobàna.

Farafahakeliny dia somary misy fifanoheran-javatra ihany ny mahita ny mpitandro ny filaminana manao izay ataony tahaka ny hoe efa mahalala fa tsy hanohitra izay hitranga ny mpitondra fivavahana. Mahatonga hieritreritra fa efa misy ny fifankahazoana na manomboka mifankahazo ny fitondrana sy ny Fiangonana Katolika, ka ao anatin'izany dia malalaka amin'ny fanaovana famoretana ny polisy ary malalaka amin'ny fanalehibiazana ny fahefany eo amin'ny fanaovana fotoam-pivavahana ny relijiozy. Ho maro kokoa filaharana ara-pivavahana, maro kokoa ny fahazoan-dalana hanangana fiangonana, seminera sy monasitera ho takalon'ny fiandrandrana ny lanitra irery ihany.

Soa ihany fa tsy miankina amin'izany fahadisoana izany ny finoana. Ny ho potika ao anatin'ny fotoana maharitra dia ny herim-pisarihan'ny fiangonana katolika rehefa tsy eo ny jadona.

Pedazos da la Isla nanamarika fa sivy taona taty aoriana dia mbola mitohy ny famoretana:

Amin'izao fahasivy taonan'ny Lohataona Mainty eto Kiobà izao (izay nisamborana mpisintaka ara-kevira 75 sy nodidiana higadra fotoana maharitra hatramin'ny 2003) ary herinandro monja mialoha ny hitsidihan'ny Papa Benoà XVI ny nosy, dia mpikatroka mpiaro ny zon'olombelona maro manerna ny firenena no enjehina sy gadraina, indrindra fa ireo Vehivavy Miakanjo Fotsy izay miezaka ny hanatrika lamesa any amin'ny fiangonana misy azy tamin'ny alahady teo. Niitatra nankany amin'ny tanànan'i Pinar del Rio ihany koa moa ity fanenjehana ity.

Ary ny Fanamarihana avy amin'ny Cuban Exile Quarter wmanontany tena raha efa tena antomotra ny Lohataona Mainty hafa, mpandray anjara amin'ny Translating Cuba  – sady iray amin'ireo Lohataona Mainty 75 – Juan Adolfo Fernández Sainz, no nizara fijoroana vavolombelona manohina ny fo :

Tamin'io andro io aho, ny 18 Marsa 2003 no nandeha tany Chinatown, ao afovoan-tanànan'i Havana, mba hifanakalo hevitra amin'ny mpiara-miasa any amin'ny gazety tsy miankina. Ny adihevitra dia momba ny ady tany Iràka, izay nambara taritokana, ary tsy nisy ny fanohanana iraisampirenena tany ka nisy ny Fanafihana “Tadio An-Tanihay” rehefa nanafika an'i Koety i Saddam Hussein.

Tahaka ny andro teo aloha dia maro ny mpanohitra nosamborina, nandalo tao an-tsaiko ny handoro ny taratasiko saingy tsy nataoko izany. Ny Lahatsoratro, Ny fanehoan-kevitro, Nosoratako mba havoaka. Ireny ny fomba fijeriko ary tsy manana zavatra afenina aho. Tsy nahatsiaro tena ho meloka aho. Ny folakandron'ny 19 dia natao savahao ny tranoko.

Feno miaramila ny trano mandrapahatongan'ny fiposahan'ny masoandro. Voamariko fa tsy mahalala na inona na inona momba anay ireo olona nameno ny tranoko ireo. Efa nipoizinina mialoha ry zareo. Ho azy ireo dia mpamadika aho ary miasa ho an'ny fahefana vahiny.

Nitovy ihany ny zava-nitranga tao amin'ny fanadihadiana ny heloka bevava. Ny hany mahaliana azy ireo dia ny mba hitsikerako ny fitondrana Amerikana…Nofeheziko fa tsy liana ny hahafantatra ny marina akory ry zareo fa mitady ny fomba rehetra hanamelohana anay.

Henjana ny didim-pitsarana. Indray andro aho tao am-ponja mba nanala azy ka nampifanampiako avokoa ny anamelohana nahazo anay 75; saika nahatratra 1500 taona ny fitambarany, salan-taona 20 eo ho eo izany. Tsy nisy taminay nanao fihetsika maherisetra, na nandrisika hanao herisetra. Ny Fanenjehana tamin'izany no henjana indrindra, saingy tsy rariny loatra hamelezana mpanohitra sivily sy milamina. Ny tetikasa rehetra natolotry ny mpanohitra dia tetezamita ho amin'ny demokrasia am-pilaminana.

Fito taona no laniko tany am-ponja fa tsy manenina ny amin'izany. Taorian'izany dia nifidy ny lalana tsotra indrindra aho ary nandeha nankaty andafy. Nanomboka hatreo ny adidiko ho an'ireo izay nanapa-kevitra ny hijanona. Ary ny fanapahan-kevitro hanao izay tian'ny konsiansiko atao, hanohana ny tolona izay efa nosafidianay. Tsy manery hevitra iray ho ekena. Fantatro ry zareo, maniry ny tsara indrindra ho an'i Kiobà aho.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.