Torkia: Mbola Migidraka Amin'ny Kiorda Mankalaza Newroz Ihany Ny Polisy

Ny vahoaka Kiorda no foko maro an'isa indrindra any Torkia, fa mandrafitra ny 20 isan-jaton'ny mponina, izay manakaiky ny 20 arivoarivo izany. Tratran'ny fanavakavahana avy amin'ny fanjakana izy ireo ary itsakitsahana ny zony. Androany, tao Yuksekova, izay distrika any amin'ny faritany Tiorka antsoina hoe Hakkari, dia notafihana noho ny fivborivoriana fankalazana ny Newroz – izay taombaovaony ny Kiorda.

Nampidirina hopitaly ny mpanao politika kiorda iray, Ahmed Turkary voan'ny kapoakan'ny baomba mandatsa-dranomaso tao an-tanànan'i Batman ny lehilahy iray 32 taona Alaattin Okan. Vohikala kiorda roa be mpanaraka no nakatona maraina be androany, ka tsy afaka namoaka vaovao farany momba ny fifandonana. Ankoatra izany, mikisaka dia mikisaka ny vohikalam-baovao amin'ny fandrakofana ny fitantarana ka izany no mahatonga ny mpikatroka Kiorda mampiasa ny tambajotra sosialy ho fanairana.

Faruk Arhan, mpanao gazety ao amin'ny Bianet misioka ny sary ahitana vehivavy kiorda tafihan'ny polisy tiorka misahana ny rotaka.

Yüksekova

Yekbun Alp misioka fa nosamborina nandritra ny fifandonana teo amin'ny polisy misahana ny rotaka sy ny Kiorda te-hankalaza ny Newroz ny depiote Kiorda:

@YekbunAlp: Vahinin'ny fianakaviana iray ny depiote Özdal Ücer tao Cizre raha nanafika ny trano sy nisambotra ny fianakaviana ny polisy.

Mpikatroka Kiorda hafa, nisioka ity sary ity, ahitana ny polisy tiorka misahana ny rotaka mandefa baomba mandatsa-dranomaso sy ny vali-bontana ataon'ny tanora Kiorda amin'ny vato noho ny fahatezerana sy ny fangidiam-panahiny fa tsy misy fankalazana ny taombaovao Kiorda ataon'izy ireo ka tsy anafihana azy ireo.

Saripika: @quzzulqurt

Anisan'ny mpikatroka Kiorda an-jatony tezitra noho ny setrasetran'ny fitondrana tiorka amin'ny Kiorda mankalaza Newroz i Hawri Tofik avy any Soeda. Nisioka izy:

@iirwaH Resaka matotra an! tena tsy azoko.. Nahoana no heloka ny mankalaza Newroz? Firy izany ny Kiorda haratra/ho faty?

Jiyan Azadi nisioka ity sary ahitana an'arivony ao Yuksekova izay notafihan'ny polisy misahana ny rotaka taty aoriana:

Sary nosiahina @jiyanazadi

Mandritra izany fotoana izany, misioka avy any Londres i Meltem Ay:

@jin_jiyan_azadi: Tiorka adala! Hampivondrona fotsiny ny vahoaka Kiorda sy hampatanjaka azy ireo ny fomba jadona sy ny faneriterena!

Namoaka sary maro mampiseho ny polisy tiorka misahana ny rotaka mampiasa baomba mandatsa-dranomaso sy tifi-drano hanaparitahana ireo mpanao fihetsiketsehana ao amin'ny distrikan'i Yuksekova ny Alliance For Kurdish Rights.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.