Mampiantrano Ny Fifaninanana Voalohany Ho An'ny Vazimba Teratany Mpanapariaka Vaovao I Norvezy

Fantatra maneran-tany amin'ny fikarakarana ny Loka manan-danja Nobel ho an'ny fandriampahalemana i Norvezy. Amin'ity volana ity, ity firenena Skandinavy ity dia hampiantrano ny fiandohan'ny hetsika iray, tsy dia mbola malaza loatra nefa koasa manana ny lanjany, dia ny loka  World Indigenous Television Broadcasters Network (WITBN), na ny Tambajotra iraisam-pirenen'ireo Vazimba teratany Mpanapariaka Fahitalavitra, hatao ny 29 Martsa 2012.

Sivy taminà mpifaninana 24 no voafantina hiatrika ny famaranana tao amin'ny sokajy fanadihadiana ifotony ho an'ny loka WITBN Indigenous Journalism Awards (2012 WIJA). Ny lanonana dia hatao ao  Kautokeino, Sápmi, Norvezy.

Ny fanambaràna ofisialy avy amin'ny WIJA dia manazava hoe :

Ny WIJA 2012 no voalohany amin'ny loka iraisam-pirenena natokana ho an'ireo ezaka avy amin'ny mponina vazimba teratany momba ny fanaovan-gazety anaty fahitalavitra sy amin'onjam-peo. Raha ny fepetra ankapobeny sy  ny fototry ny asa no tena ain-dehiben'ity fankasitrahana ity, ny loka amin'ny maha-loka azy manokana dia mitodika amin'ny fanasongadinana ireo ezaky ny vazimba teratany manadihady ny tantara avy ao an-toerana, manerana ny firenena na ny fiantraikany eran-tany.

Ity lahatsary ity dia mampiseho ireo tafita amin'ny famaranan'ny 2012 avy amin'ireo tambajotran'ny zavimba teratany any amin'ireo firenena mandroso toa an'i Taiwan, Australia, Norvezy, Kanada, New Zealand, ary Etazonia.

Ny iray tamin'ireo fanadihadiana voafantina, avy amin'ny fahitalavitra  Māori, Aotearoa New Zealand, dia mandrakotra ny azo lazaina hoe  “Occupy Easter Island / Bodoy ny Nosy Paka” (io dia nanomboka efa ho herintaona talohan'ny hetsika “Occupy” tany Etazonia), hetsi-panoherana zara raha mba taterina ataon'ireo mafàna fo Rapanui  izay nibodo hotely iray an'ny governemanta nandritra ny enim-bolana, nangataka ny hanekena ny zon'ireo vazimba teratany sy hanehoany ny tsy maha-ara-drariny ny fibodoana.

Rapa nui activist interviewed on Maori Television

'Vonona ny ho faty ho an'ny taninay izahay' hoy ny mafàna fo Rapanui iray tao anaty fandaharan'ny fahitalavitra Maori any New Zealand

Ny Nosy Paka (na Rapa Nui) dia nosy iray izay nanery ireo vazimba teratany hikisaka aminà faritra faran'izay kely tao amin'ilay nosy noho ny fanjanahantany, ary any ny fizahantany dia niteraka toe-karena tsy mari-toerana. Ny olan'ny fivoarana maharitra dia manerana ireo tolona ataon'ny vahoaka vazimba teratany manerana izao tontolo izao mba ho afa-mivelona sy hitahirizana ny kolotsain-dry zareo.

Ny fampiasàn'ireo vazimba teratany ny fanapariaham-baovao amin'ny alalan'ny onja sy ny teknolojia maoderina mba hanandratana ny zon'ny vondrom-piarahamonin-dry zareo dia efa dingana iray mankany aloha. Vakio misimisy kokoa ato ny mikasika ireo tafakatra amin'ny famaranana sy ny fandaharan'izy ireo.

  • AMAZIGH NRK Sápmi Norway
  • AMNESTY CHIEF VISIT TO UTOPIA National Indigenous Television, Australia
  • JOURNEY HOME Aboriginal Peoples Television Network, Canada
  • KIMBERLY GAS HUB SERIES National Indigenous Television, Australia
  • POLITICIAN REPORTS HIMSELF TO THE POLICE NRK Sápmi, Norway
  • TE PITO O TE HENUA Māori Television, Aotearoa New Zealand
  • THE VALUE OF WATER ‘Ōiwi TV, Hawai’i
  • VUVU’S LAST PIECE OF LAND Taiwan Indigenous Television, Taiwan
  • WATER EXPLOITATION Aboriginal Peoples Television Network, Canada

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.