Panama: “Ngäbe Aho, Bugle Aho, Panameana Aho”

Noho ny tambajotra sosialy, tazamaso indrindra noho ny taloha ny tolona ataon'ny vazimba teratany Ngäbe-Bugle tamin'ity taona ity. Tamin'ny Febroary, araka izay notaterin'i Ariel Moreno tato amin'ny Global Voices, nobahanan'ny vondron'olona Ngäbe-Bugle ny lalambe migodàna Pan-American ho fanoherana ny fitrandrahana harena an-kibon'ny tany sy “ho fangatahana amin'ny governemanta hanatanteraka ny fifanarahana vita tamin'ny herintaona [mg] momba ny fitrandrahana ao amin'ny faritra.” 

Ariel taorian'izany no nanoratra:

Niatrika ny iray amin'ny krizy lehibe  hatramin'ny namerenana ny demokrasia tamin'ny 1989 i Panama, rehefa nanapa-kevitra ny hidina an-dalambe migodàna ny vazimba teratany Ngobe Bugle tamin'ny 31 Janoary 2012, ho fanoherana ny fitrandrahana harena an-kibon'ny tany sy ny fanorenana foto-drafitrasa hydroelektrika any amin'ny distrikany. Nipetraka teo ry zareo mandra-pahatongan'ny 5 Febroary, rehefa nanala azy ireo tamin-kery ny polisy nasionaly.

Efa tonitony amin'izao fotoana izao ny krizy rehefa nisy ny fifanarahana teo amin'ny vazimba teratany sy ny governemanta [fr]. Eny fa na dia mbola ao anaty tsiaron'ny Panameana hatrany aza ny tsy fahafantarana izay mety hitranga raha misy fanorenana fotodrafitrasan-jiro azo avy amin'ny rano na fitrandrahana harena an-kibon'ny tany any.

Ankehitriny, ho fanairana noho ny fampiasana hery tafahoatra ataon'ny polisy dia namorona lahatsary fanentanana antsoina hoe “Soy Ngäbe, soy Buglé, soy Panameñ@” (“Ngäbe Aho, Bugle Aho, Panameana Aho”) eo ambany fitantanan'ny tale Guna Orgun Wagua ny Cooperativa Audiovisua. Manazava izany ny bolongana Prensa Ngäbe-Bugle [es]:

Yomira John, Kanabiz, Lucy Cristina Chau, Said Isaac, o Nelva Reyes son algunas de las y los panameños reconocidos que han prestado su vos y su rostro a la campaña “Soy Ngäbe, soy Buglé, soy panameñ@”. En ella, denuncian con templanza las violaciones de derechos humanos registradas en el informe de varias organizaciones de la sociedad civil que han documentado el uso excesivo de la fuerza, la arbitrariedad y la violencia sexual empleada por la Policía durante la represión de las protestas antimineras de febrero en el país.

Na ry Yomira John, ry Kanabiz, ry Lucy Christina Chau, ry Said Isaac na ry Nelva Kings dia samy anisan'nireo fanta-daza Panameana nampindrana ny endriny sy ny feony tao amin'ny fanentanana “Ngäbe Aho, Bugle Aho, Panameana Aho”. Ao ry zareo, amin'ny fomba voalanjalanja tsara, no manameloka ny fanitsakitsahana ny zon'olombelona voarakitry ny fikambanana fiaraha-monim-pirenena maro nandritra ny famoretana ny hetsi-panoherana ny fitrandrahana nitranga tamin'ny volana Febroary tao amin'ny firenena.

Ao amin'ny lahatsary ireo olo-malaza Panameana ireo no manome feo nyfijoroana vavolombelona ataon'ny vazimba teratany izay tratran'ny ratram-po noho ny famoretan'ny polisy. Ny tatitra iray manontolo moa dia azo trohina  PDF [es].

Ao amin'ny filazalazana [es] momba ny lahatsary ny Cooperativa Audiovisual no manampy ny tanjon'ny fanentanana mikendry ny ,

mostrar que la lucha por la defensa de los recursos minerales, hídricos y ambientales no es un deber exclusivo de los Ngäbe-Buglé, sino de todos los panameñ@s.
hanehoana fa ny tolona ho fiarovana ny harena ambanin'ny tany, ny rano, ary ny harena voajanahary dia tsy tolona natokana ho an'ny Ngäbe-Bugle fa ho an'ny Panameana iray manontolo.

Misy dika an-tsoratra amin'ny teny malagasy ny lahatsary eto ambony
Azonao jerena moa ireo sary tamin'ny fanatontosana ny lahatsary ao amin'ny Facebook. Araho ny indigenous leader Silvia Carrera ao amin'ny Twitter [es] sy ny Facebook [es] raha te-hahalala ny vaovao malaza mifandraika amin'ny Ngäbe-Bugle.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.